Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
FANAMARIHANA: Hisy fandaharana ho an’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana isan-kerinandro ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, mandritra ny 25 Jolay ka hatramin’ny 7 Septambra 2003. Mety hanao izay fanitsiana ilainy ny fiangonana mba hanatrehana ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Omeo Voninahitra Andriamanitra.” Any aoriana, dia hisy Fivoriana Momba ny Fanompoana hamerenana ireo hevitra nisongadina tamin’ny fandaharan’ny fivoriambe. Mba hiomanana amin’izany, dia afaka mandray an-tsoratra tsara ireo hevi-dehibe isika rehetra, any amin’ny fivoriambe. Azontsika raisina koa ireo hevitra tiantsika hampiharina eo amin’ny fiainantsika manokana sy ny fanompoantsika. Hifampahery isika raha samy mitantara ny soa noraisina avy tamin’ilay fampianarana tsara azontsika.
Herinandron’ny 14 Jolay
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Manaova fampisehoana roa, miorina amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay sy Mifohaza! 8 Jolay. Ataovy toy izay mety hitranga eny amin’ny faritany mihitsy izany. Na gazety iray ihany aza no resahina, dia atolory miaraka izy ireo, amin’ireo fampisehoana ireo.
15 min: Nahoana no Manatsara ny Fiainantsika ny Fanompoana an’i Jehovah? Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Tena ilaina mba hahatonga ny fiainana hahafinaritra sy hisy heviny ny fivavahana marina. 1) Manampy antsika hiatrika ny zava-manahirana sy ny fanahiana eo amin’ny fiainana izy io. (Fil. 4:6, 7) 2) Mampirisika antsika hanana ireo toetra ankasitrahan’Andriamanitra izy io. (2 Pet. 1:5-8) 3) Manampy antsika hampiasa amin’ny fomba tsara indrindra ny fotoanantsika sy ny fananantsika izy io. (1 Tim. 6:17-19) 4) Afaka manantena hoavy azo antoka isika noho izy io. (2 Pet. 3:13) 5) Mahatonga antsika hifandray akaiky amin’i Jehovah izy io. (Jak. 4:8) Asehoy fa tsy ananan’ireo tsy mahafantatra an’i Jehovah ireo tombontsoa ireo.
20 min: “Fankasitrahana ny Famindram-pon’Andriamanitra.”a Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 3, dia manomeza hevitra, miorina amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana 1 Oktobra 1998, pejy 8, mba hahitana olona hanaterana gazety tsy tapaka. Manontania mpitory mahay iray na roa ny amin’izay fomba hitany fa mahomby hanombohana fampianarana Baiboly. Ampirisiho ny rehetra hanana tanjona ny hanomboka sy hitarika fampianarana Baiboly.—om-MG p. 91.
Herinandron’ny 21 Jolay
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty. Resaho ny Valin’ny Fanontanianareo.
10 min “Fandaharana Vaovaon’ny Fivoriamben’ny Faritra.” Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Lazao ny datin’ny fivoriamben’ny faritra manaraka. Raha hanatrika ny fivoriambe rehefa afaka volana vitsivitsy ny fiangonana, dia lazao fa tokony hiresaka amin’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha ireo maniry hatao batisa. Ampirisiho ny rehetra hanao ezaka manokana mba hanasa ny mpianatra Baiboly, ary hanatrika ny fotoam-pivoriana rehetra.
23 min: Aoka Isika ho Sahy Hitory Toa Azy Ireo. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika miorina amin’ny boky Mivavaha, pejy 170, 171. Asao ny mpanatrika hamaly ireo fanontaniana eo amin’ny fehintsoratra 7 sy hampiasa ireo andinin-teny voatonona, rehefa mamaly. Mifidiana andinin-teny vitsivitsy hovakina. Asongadino ny lesona azontsika ianarana avy amin’ireny fitantarana ireny. Asehoy koa fa manampy antsika izy ireny mba hanana fomba fijery tsara momba ny asa fitoriana asaina ataontsika.
Herinandron’ny 28 Jolay
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Jolay. Manaova fampisehoana roa, miorina amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay sy Mifohaza! 8 Jolay. Na iray ihany aza no resahina, dia atolory miaraka izy ireo, ao amin’ireo fampisehoana ireo. Ataovy fitoriana tsy ara-potoana ny iray amin’ireo fampisehoana ireo.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
20 min: “Mahafaly ny Fiarahan’ny Fiangonana Mitory.”b Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 3, dia milazà hevitra avy ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Septambra 2001, Valin’ny Fanontanianareo. Adinadino vetivety ny mpiandraikitra Fianarana Boky. Anontanio hoe inona ny fandaharana nataony ho an’ny fianarana bokiny mba hiarahana mitory, ary inona ny soa noraisin’izy ireo tamin’izany.
Herinandron’ny 4 Aogositra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny volana. Manaova fampisehoana fohy iray na roa azo ampiasaina.
20 min: “Fitoriana ny Vaovao Tsara any Ambanivohitra.”c Ny fanontaniana efa ao ampiasaina.
15 min: Midera An’i Jehovah ny Tanora! Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika ary fanadinadinana. Mahafaly antsika ny mandre ny valin-teny voaomana tsara omen’ny tanora any am-pivoriana. Mahafaly ny mahita ny fahazotoan’izy ireo sy ny fandrosoana ataony eo amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Mampiseho tena finoana izy ireo, rehefa manao fanambarana tsara eny amin’ny fanompoana. Manome voninahitra an’i Jehovah ny fitondran-tena tsarany. (wMG 1/10/02 p. 9-11) Afaka ny hahazo tombontsoam-panompoana izy ireo, rehefa mandroso ara-panahy. Adinadino vetivety ny tanora kristianina roa na telo, izay tia mandray anjara tsy tapaka amin’ny asan’ny fiangonana. Derao ny tanora eo anivon’ny fiangonana noho ny ezaka tsara ataon’izy ireo mba hiderana an’i Jehovah.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.