FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/03 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
km 4/03 p. 7

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Aprily sy Mey: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Ataovy izay hametrahana ilay boky vaovao hoe Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina, rehefa miverina mitsidika ireo olona liana, anisan’izany ireo nanatrika Fahatsiarovana sy fivoriambe, nefa mbola tsy tena miaraka amin’ny fiangonana. Tokony hiezaka hanomboka fampianarana Baiboly isika, indrindra fa amin’ireo olona efa nahavita ny boky Fahalalana sy ny bokikely Takina. Jona: Manolora ilay boky Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina na ilay bokikely Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Ny bokikely Fiainana eto An-tany sy Sakaizan’Andriamanitra atolotra, raha misy tsy mahay mamaky teny tsara. Jolay sy Aogositra: Azo atolotra ny iray amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”, Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo? Ny Vavolombelon’i Jehovah—Iza moa Izy Ireo? Inona no Inoany?, Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?

◼ Manomboka amin’ny Aprily, dia halefanay miaraka amin’ny boky ny karatry ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2003. Tsy ilaina ny manafatra izany. Arakaraka ny haben’ny fiangonana ny isan’ny karatra halefa. Raha mila karatra bebe kokoa ny fiangonana, dia tokony hanafatra izany amin’ny Taratasy Fanafarana Boky (S-14). Tsy maintsy manafatra tranon-karatra ny fiangonana, raha misy mila izany.

◼ Tena ilain’ny biraon’ny sampana ny adiresy sy ny nomerao telefaonina faran’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha sy ny mpitan-tsoratra rehetra. Raha misy fiovana, dia tokony hofenoin’ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana sy hasiany sonia ary halefany haingana atỳ amin’ny biraon’ny sampana ny taratasy Fiovana Adiresin’ny Mpiandraikitra Mpitantan-draharaha/Mpitan-tsoratra (S-29).

◼ Tokony hataon’ny mpitan-tsoratra ampy tsara ny taratasy Fangatahana Hanao ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana Maharitra (S-205) sy ny Fangatahana Hanao ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana Mpanampy (S-205b). Azo hafarana Amin’ny alalan’ny Taratasy Fanafarana Boky (S-14) ireo. Manàna tahiry ho an’ny herintaona, fara fahakeliny. Hamarino raha feno tsara ireo taratasy fangatahana ho mpisava lalana maharitra. Raha tsy tadidin’ilay mpanao fangatahana ny tena datin’ny batisany dia tokony hovinavinainy izy io, ka horaketiny an-tsoratra.

◼ Tsy mikarakara ny fanafarana boky alefan’ny mpitory isam-batan’olona ny biraon’ny sampana. Tokony hampanao fampandrenesana isam-bolana ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, alohan’ny handefasan’ny fiangonana ny fanafarany boky isam-bolana atỳ amin’ny sampana. Afaka manatona ilay rahalahy mpikarakara ny boky amin’izay ireo rehetra te hanafatra boky. Tadidio hoe boky inona avy no anisan’ny zavatra hafarana manokana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara