FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/03 p. 6
  • Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
km 4/03 p. 6

Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Hodinihina am-bava amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 28 Aprily 2003. Hanao famerenana maharitra antsasak’adiny ny mpiandraikitra ny sekoly. Miorina amin’ny fanazavana tao amin’ireo anjara nanomboka ny herinandron’ny 3 Martsa ka hatramin’ny 28 Aprily 2003 izy io. [Fanamarihana: Mila manao fikarohana ianao mba hahitana ny valiny, raha tsy misy loharanon-kevitra aorian’ilay fanontaniana.—Jereo ny Sekolin’ny Fanompoana, p. 36, 37.]

ZAVATRA TANDREMANA

1. Inona avy no mety hahatonga ny fitenin’ny olona iray tsy hisosa tsara? [be p. 93]

2. Marina sa diso: Tsy tokony hanao fiatoana isika, satria mampiriorio saina ny olona izany, na mahatonga azy hanapaka ny tenintsika. Hazavao.

3. Nahoana no tena ilain’ny mpandahateny na ny mpamaky teny, ny manamafy hevitra amin’ny fomba mety tsara? (Neh. 8:8) [be p. 101]

4. Ahoana no ahafahantsika mianatra ny fahaiza-manamafy hevitra? [be p. 102, 103]

5. Hevitra fototra inona avy no tokony hohamafisina, rehefa mamaky teny any amin’ny fampianarana Baiboly na ao am-pivoriana? [be p. 105]

ANJARA No. 1

6. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hampianarana ny zanany ‘hihaino sy hianatra’, any amin’ny fivoriana kristianina? (Deot. 31:12) [be p. 16]

7. Inona no atao hoe paradisa ara-panahy? [wMG 1/3/01 p. 8-10]

8. Ahoana no ampisehoan’ny Ohabolana 8:1-3 fa afaka mahazo ny fahendren’Andriamanitra ny rehetra, ary aiza no ahitana azy io, araka ny Kolosiana 2:3? [wMG 15/3/01 p. 25, 28]

9. Ahoana no ahafahantsika mampahafantatra ny anaran’Andriamanitra? (Jaona 17:6) [be p. 273-275]

10. Zava-dehibe inona no ilain’ny olona ho fantatra momba ny “filazantsaran’ny fanjakana”? (Matio 24:14) [be p. 279, 280]

FAMAKIANA BAIBOLY ISAN-KERINANDRO

11. a) Inona ilay ‘fahavetavetana’ voalaza ao amin’ny Marka 13:14, tamin’ny taonjato voalohany? b) Midika ho inona ilay hoe “mitsangana amin’izay tsy mety hitsanganany”?

12. Ahoana no ampisehoan’ny Filazantsaran’i Lioka fa i Jesosy no tena mpandova ny seza fiandrianan’i Davida? (Lioka 3:23-38) [wMG 1/10/92 p. 9, feh. 3]

13. Inona no dikan’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 12:2?

14. Nahoana no tena niavaka ny fihetsik’ireo anjely, tao amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ilay farantsakely iray very? (Lioka 15:10) Inona no tokony ho vokatr’izany eo amintsika?

15. Fanekena roa inona no voalaza ao amin’ny Lioka 22:29?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara