Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 14 Aprily
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Manaova fampisehoana roa, miorina amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily sy Mifohaza! 8 Aprily. Na iray ihany aza no resahina, dia atolory miaraka izy ireo, ao amin’ireo fampisehoana ireo. Resaho ny Vaovao Farany.
10 min: Valin’ny Fanontanianareo. Lahateny ataon’ny anti-panahy.
20 min: ‘Aoka Isika ho toy ny Fahazavana.’a Farano amin’ny lahateny maharitra dimy minitra, izay miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1997, pejy 14, 15, fehintsoratra 8-13. Antitrantero ny antony tsy hanafenantsika amin’ny olona ny hafatra momba ilay Fanjakana.
Herinandron’ny 21 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
15 min: “Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2003 ‘Omeo Voninahitra Andriamanitra.’”b Ny fanontaniana efa ao ampiasaina. Ampirisiho ny rehetra hanatrika ny fotoam-pivoriana rehetra, manomboka ny zoma maraina ka hatramin’ny alahady tolakandro. Antitrantero fa ilaina ny mampihatra izay ianarantsika, fa tsy mihaino fotsiny. Hisy famerenana ny hevitra nisongadina tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra amin’ny Oktobra. Ampirisiho ny rehetra handray an-tsoratra.
20 min: “Aoka Handray Izany Izay Mahay Mandray.”c Manadinadìna mpitovo iray na roa, izay manararaotra ny maha mpitovo azy mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. Asao izy ireo hilaza izay manampy azy mba ho afa-po eo amin’ny fanompoany.
Herinandron’ny 28 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Aprily. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily.
15 min: “Aoka Ianao ho Fianarana Amin’ny Asa Tsara.”d Ny fanontaniana efa ao ampiasaina. Antitrantero fa ilaina ny manaiky ny fandaharana ny amin’ny filasiana izay natao hahasoa antsika. Hazavao hoe nahoana no tena ilaina ny hananan’ny rehetra fitondran-tena tsara. Anaovy fampisehoana ny 5 minitra. Ray aman-dreny miresaka amin’ny zanany roa, manazava aminy hoe ahoana no hanomezan’izy mianakavy ohatra tsara any amin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra.
20 min: “Miverina Mitsidika mba Hitarihana Fampianarana Baiboly.”e Ataon’ny anti-panahy, ka ny fanontaniana efa ao no ampiasainy. Asao ny mpanatrika hilaza vetivety zavatra hita teny am-pitoriana, izay manamarina ny hevitra velabelarina. Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 5, dia avereno amin’ny alalan’ny fampisehoana ny fitantarana iray momba ny nanombohana fampianarana Baiboly teo amin’ny faritany.
Herinandron’ny 5 Mey
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Resaho vetivety ireo fanoloran-kevitra ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Aprily 2002, pejy 2, eo amin’ilay hoe “Fiomanana ho Amin’ireo Volana ho Avy.”
20 min: “Mampiseho Fanajana An’Andriamanitra ny Fitafiana Mendrika.”f Ataon’ny anti-panahy. Ny fanontaniana efa ao ampiasaina. Manasà rahalahy iray mahay mamaky teny tsara hamaky ny fehintsoratra tsirairay.
15 min: Mahafaly ny Filazana ny Zava-tsoa Vita. (Ohab. 15:30) Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika mampiseho ny zava-bitan’ny fiangonana, noho ny ezaka manokana natao tamin’ny Martsa sy Aprily. Asao ny fiangonana hitantara ny zavatra mampahery hitany: 1) rehefa nanampy olona liana hanatrika Fahatsiarovana, 2) rehefa nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy, 3) rehefa nampirisika mpitory tsy mitory intsony mba hiara-miasa amin’ny fiangonana indray, 4) rehefa nanampy ny vaovao mba hanomboka hitory, ary 5) rehefa nanampy ireo nanatrika ny Fahatsiarovana. Ampiomano mialoha izay hiresaka ny sasany amin’ireo hevitra ireo. Derao ny rehetra, ary ampirisiho hanohy hatrany izany ezaka izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
d Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
e Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
f Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.