Manafaka Antsika ny Marina
1 Niteny toy izao tamin’ireo Jiosy nino azy i Jesosy, indray mandeha: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:32) Lehibe lavitra noho ny zon’olombelona io fahafahana io. Afaka mahazo azy io ny olona rehetra, na manankarena na mahantra, na nahita fianarana na tsia. Manafaka amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana ny marina nampianarin’i Jesosy. Nilaza mantsy izy fa “izay rehetra manota dia andevon’ny ota.” (Jaona 8:34) Tena tsy andrintsika mihitsy ilay fotoana hanafahana ny olombelona mankatò rehetra “amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”!—Rom. 8:21.
2 Mahazo an’io fahafahana io isika, rehefa mahalala ny marina momba an’i Jesosy sy ny anjara asany eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. Anisan’izany marina izany ny nanaovany sorona ny ainy hanavotana antsika. (Rom. 3:24) Dieny izao isika dia efa afaka amin’ny fanao manimba maro, raha manaiky sy manaraka ny fahamarinana ara-baiboly.
3 Afaka amin’ny tahotra sy ny famoizam-po: Tsy mampamoy fo antsika ny faharatsiana misy eran-tany, satria fantatsika ny antony, sady fantatsika fa efa hifarana tanteraka izany. (Sal. 37:10, 11; 2 Tim. 3:1; Apok. 12:12) Manafaka antsika amin’ny fampianaran-diso momba ny maty koa ny marina. Fantatsika fa tsy afaka manisy ratsy antsika ny maty, sady tsy mijalijaly mandrakizay izy ireo. Tsy mamono ny olona mihitsy koa Andriamanitra, tsy hoe tiany hiaraka aminy any an-danitra izy ireo, ka vonoiny.—Mpit. 9:5; Asa. 24:15.
4 Nisy mpivady nahazo hery avy tamin’izany fahamarinana izany, rehefa maty noho ny loza iray ny zanany lahy. Hoy ilay reny: “Banga ny fiainanay, ary tsy ho feno mihitsy izany mandra-pahitanay ny zanakay indray amin’ny fitsanganan’ny maty.”
5 Afaka amin’ny fanao mampidi-doza: Afaka manova ny fisainan’ny olona sy ny toetrany ny fahamarinana ara-baiboly, ka manampy azy hisoroka olana sasany. (Efes. 4:20-24) Afaka manamaivana ny fahantrana ny fanaovana ny marina sy ny fahazotoana miasa. (Ohab. 13:4) Manatsara ny fifandraisana amin’ny olon-kafa ny fitiavana sy ny fahafoizan-tena. (Kol. 3:13, 14) Mampihena ny olana ao an-trano ny fanajana ny fahefana napetrak’Andriamanitra ao amin’ny fianakaviana. (Efes. 5:33–6:1) Salama kokoa ny olona, rehefa tsy mimamo, tsy maloto fitondran-tena, tsy mifoka sigara, tsy mihinana paraky, ary tsy midoroka zava-mahadomelina.—Ohab. 7:21-23; 23:29, 30; 2 Kor. 7:1.
6 Mpidoroka zava-mahadomelina nandritra ny sivy taona ny tovolahy iray, ary tsy afa-niala tamin’izany. Nahita mpitory iray nitory teny an-dalana izy, indray andro. Nandray gazety sy nanaiky hotsidihina izy, ary nanomboka nianatra Baiboly. Afaka tamin’ny zava-mahadomelina izy, roa volana tatỳ aoriana. Natao batisa izy, rehefa avy nianatra nandritra ny valo volana. Nianatra Baiboly koa ny rahalahiny sy ny zaobaviny, satria nahita azy afaka tamin’ny zava-mahadomelina.
7 Ampio hahazo fahafahana ny olon-kafa: Mety ho sarotra amin’ny olona ny hahatakatra fa mitondra fahafahana ny Tenin’Andriamanitra, raha efa ela izy no voagejan’ny fampianaran-diso. Mety ho tsy maintsy hiezaka mafy sy hiomana tsara ny mpampianatra azy, mba hanohinana ny fony. (2 Tim. 4:2, 5) Tsy izao mihitsy no fotoana hampihenana ny asa ‘fitoriana fanafahana amin’ny babo.’ (Isaia 61:1) Sarobidy ny fahafahana omen’i Kristy. Hiaina mandrakizay izay mahazo azy io.—1 Tim. 4:16.