Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mar.
“Misy hevitra mahaliana ato amin’ity andininy ity, ka mba tianay ho fantatra ny hevitrao momba azy io.” [Vakio ny Matio 5:10.] Ahoana moa no hahasambatra ny olona iray raha enjehina izy? [Avelao izy hamaly.] Ny lahatsoratra roa voalohany amin’ity gazety ity, dia miresaka momba ny olona sasany izay sambatra foana na dia nampijalina aza. Mino aho fa ho tianao ny hamaky an’ity, mba hahalalanao ny nahatonga azy ireo ho sambatra toy izany.”
Mifohaza! 8 Mar.
“Araka ny hevitrao, tian’Andriamanitra hijaly noho ny tsy fahampian-tsakafo ve ny olombelona, anisan’izany ny ankizy? [Avelao izy hamaly.] Mariho ity fampanantenana mampahery ato amin’ny Baiboly ity. [Vakio ny Salamo 72:16.] Resahin’ity gazety Mifohaza! ity, ny mahatonga ny tsy fahampian-tsakafo, ary indrindra fa ny fampanantenan’Andriamanitra hanafoana izany tsy ho ela.”