Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 9 Desambra
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Manaova fampisehoana miorina amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 6, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra sy Mifohaza! 8 Desambra.
15 min: “Torio ny Hafatra Momba Ilay Fanjakana.”a Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 3, dia manomeza ohatra momba ny hamakiana andinin-teny avy ao amin’ny Baiboly, rehefa mitory.—km-MG 12/01 p. 1, feh. 3.
18 min: Aoka Ianareo Hahavokatra Amin’ny Asa Tsara Rehetra. Lahateny misy fandraisan’ny mpanatrika anjara. Ataon’ny anti-panahy. Tantarao ny fomba niforonan’ny fiangonana eo an-toerana. Ampiomano mialoha ny mpitory sasany, mba hitantara zavatra mampahery hitany tamin’izany fotoana izany. Resaho ireo zavatra eo an-toerana azo anantenana fitomboana hafa koa, ary ampirisiho ny rehetra hazoto hanohana ny asan’ny fiangonana.
Herinandron’ny 16 Desambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty. Lazao ny fandaharam-pitoriana nalamina ho amin’ny 25 Desambra sy 1 Janoary.
15 min: Hahafantatra ny Hendry. (Dan. 12:3, 10) Fampisehoana iray. Manontany ilay olona liana hoe: “Ahoana no ahazoako antoka fa ianareo no tena mahatakatra izay ampianarin’ny Baiboly?” Hazavain’ilay mpitory ny fomba fianarana araka ny foto-kevitra, rehefa manao fikarohana ao amin’ny Baiboly. (wMG 15/5/96 p. 19, 20) Maka ohatra iray na roa avy ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 384-388, izy. Asehony fa ny famakafakana tsara ireo andinin-teny no manampy antsika hahatakatra ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany. Hazavainy fa azo ampiasaina mba hahatakarana ny fampianarana ara-baiboly hafa koa io fomba io. Manolotra fampianarana Baiboly izy avy eo.
20 min: “Tsarovy Ireo Zokiolona Mahatoky.”b Milazà hevitra avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 1994, pejy 29. Azon’ny marary anaovana tatitra ny 15 minitra, na ny 15 minitra mitambatambatra, nitoriany tamin’ny olona. Manasà mpitory sasantsasany hitantara fa samy mahita fifaliana izy ireo sy ny zokiolona, rehefa miaraka.
Herinandron’ny 23 Desambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Manaova fampisehoana miorina amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 6, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
20 min: “Mamerina Haingana ny Tatitrao ve Ianao?”c Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 2, dia milazà hevitra avy ao amin’ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 106-108.
Herinandron’ny 30 Desambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Desambra. Ampirisiho amin-katsaram-panahy ny rehetra hivory tsy tapaka foana, raha hiova ny fotoan’ny fivorian’ny fiangonanareo amin’ny taona vaovao. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Janoary.
15 min: Fianarana ny Boky Mivavaha. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Hazavao fa io boky vaovao io no ho boky fianarana faharoa. (km-MG 6/00 p. 4, feh. 5, 6) Asao ny mpanatrika hilaza izay zavatra tiany amin’ilay boky. Asongadino fa ireo fanontaniana sy andinin-teny ao amin’ny fehintsoratra sasany dia mampirisika an’ilay mpianatra hisaintsaina tsara ny Tenin’Andriamanitra. Raiso ilay ohatra ao amin’ny pejy 47-49, fehintsoratra 13.
20 min: “Ry Fianakaviana, ‘Tadiavo ny Lalàn’i Jehovah.’” Lahateny ataon’ny anti-panahy, misy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Ampirisiho ny raim-pianakaviana rehetra mba hitarika fianaram-pianakaviana tsy tapaka sy ahitana fianarana.
Herinandron’ny 6 Janoary
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
23 min: Fanampiana mba Hankatò ny Lalàn’Andriamanitra Momba ny Ra. Lahateny ataon’ny anti-panahy mahay, miorina amin’ny drafitra nomen’ny biraon’ny sampana. Tokony ho ampy hozaraina ny karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra sy ny Karatra Famantarana, eo am-pelatanan’ny mpitan-tsoratra. Homena ny mpitory vita batisa, aorian’ny fivoriana anio ireny karatra ireny, nefa TSY tokony hofenoina anio. Amin’ny Fianarana Boky manaraka no hanaovana sonia sy hanamarinan’ny vavolombelona ary hanisiana daty ireo karatra. Hanampy amin’izany ny mpiandraikitra fianarana boky, raha ilaina. Tokony ho hitan’ireo vavolombelona manao sonia an’ilay karatra ilay tompony. Ny mpitory tsy vita batisa dia afaka manoratra ny azy manokana sy ny an-janany, ka amboariny ny fehezanteny ao amin’io karatra io mba hifanaraka amin’ny toe-javatra misy azy.
17 min: Zava-dehibe ve ny Fitsaboana Fidinao? Lahateny ataon’ny anti-panahy, misy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny Mifohaza! 8 Janoary 2001, pejy 28, 29. Ampirisiho ireo rahalahy tsy hanao zavatra tafahoatra, rehefa resaka fitsaboana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.