Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 10 Jona
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Manaova fampisehoana roa samy hafa momba ny fametrahana gazety, toy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona sy ny Mifohaza! 8 Jona. Asehoy amin’ireo fampisehoana roa ireo ny fomba samy hafa hamaliana ny hoe: ‘Efa Kristianina izahay.’—Jereo ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 19.
10 min: Valin’ny Fanontanianareo. Vakio ny lahatsoratra manontolo sy ny andinin-teny voatonona rehetra. Avy eo dia mampidira fanazavana fanampiny izay mamelabelatra hevitra hafa ao amin’ny Valin’ny Fanontanianareo ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Martsa 1998.
20 min: “Mamafaza Be, dia ho Tondraka ny Valisoa.”a Mampidira fanazavana miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 2000, pejy 21-24.
Herinandron’ny 17 Jona
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
20 min: “Mahaiza Mianina Amin’izay Anananao.”b Antitrantero fa miorina amin’ny Soratra Masina ilay torohevitra, ka mamakia sy mandiniha andinin-teny voatonona maro araka izay azo atao, raha ampy ny fotoana.
Herinandron’ny 24 Jona
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao Farany. Fampisehoana: Mpivady miara-miasa eny amin’ny fanompoana. Asehon’izy ireo ny fomba hampiasana ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 4 mba hanolorana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona.
15 min: Tantarao na avereno amin’ny alalan’ny fampisehoana, ny zavatra hitan’ny mpitory rehefa nitory tamin’ny fomba hafa ankoatra ny isan-trano na ny teny an’arabe, izy ireo. Mba hiomanana ho amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ny herinandro manaraka, dia ampirisiho ny rehetra hifidy sy hanomana izay holazainy rehefa hanolotra bokikely amin’ny Jolay sy Aogositra.
20 min: “Fanampiana Ireo Mpitory Tapatapaka.” Resadresaka ifanaovan’ny mpitan-tsoratra sy ny anti-panahy iray mpiandraikitra ny Fianarana Boky. Mampidira fanoloran-kevitra izay hanampy ireo mpitory tapatapaka eo anivon’ny fiangonana.
Herinandron’ny 1 Jolay
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Jona.
15 min: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao! Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Asongadino ireo zavatra mampiavaka an’io bokikely io, ka mahatonga azy ho fitaovana tsara dia tsara hanampiana ny ankizy sy ny hafa izay tsy nandia fianarana firy na tsy mahay mamaky teny firy, mba hianatra momba an’i Jehovah. Diniho ny fanazavana tsotra sady mifandrindra tsara ao amin’io bokikely io. (Jereo ny lesona 2, 8, ary 12.) Asehoy fa azo ampiasaina hanohinana ny fon’ny mpianatra ireo sary. Lazao ireo fomba azo ampiasana tsara io bokikely io. Tokony hiara-mianatra azy io amin’ny zanany kely ny ray aman-dreny. Ampirisiho ny rehetra hanolotra azy io eny amin’ny fanompoana amin’ity volana ity.
15 min: “Te Hanampy ny Hafa ve Ianao?”c Ampirisiho ny rehetra eo anivon’ny fiangonana mba hanana toe-tsaina vonon-kanampy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.