Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 13 Mey
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Manaova fampisehoana roa samy hafa momba ny fametrahana gazety, toy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey sy ny Mifohaza! 8 Mey, araka ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8. Asehoy amin’ireo fampisehoana roa ireo, ny fomba samy hafa hamaliana ny hoe: “Sahirana aho.”—Jereo ny boky Fanjohian-kevitra pejy 19, 20.
15 min: “Fifampaherezana Manokana.” Lahateny. Ataovy izay hahatonga an’ireo rahalahy sy anabavy hankasitraka ny fivoriamben’ny vondrom-paritra ka ho dodona hanatrika izany. Ampirisiho ny rehetra hanatrika ny fotoam-pivoriana rehetra, manomboka ny zoma maraina ka hatramin’ny alahady tolakandro.
15 min: “Miezaha Mandrakariva Hitady Izay Tsara.”a Hazavao fa zava-dehibe ny hananan’ny tsirairay fitondran-tena tsara.
Herinandron’ny 20 Mey
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao Farany. Tatitra momba ny kaonty. Diniho ny Valin’ny Fanontanianareo.
12 min: “Ataovy Izay Hahazoanao ny Zavatra Ara-panahy Ilainao.” Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Diniho ny antony tokony hihainoan’ny rehetra tsara ny fandaharan’ny fivoriambe. Antitrantero fa ilaina ny mampihatra izay ianarantsika fa tsy mihaino fotsiny. Ampirisiho ny rehetra handray an-tsoratra. Mangataha olona vitsivitsy hilaza ny soa noraisiny tamin’ny fandaharana tamin’ny herintaona.
18 min: “Fitafiana sy Fisehoana Ankapobe Maotina.”b Ataon’ny anti-panahy iray, izay hamaky ny fehintsoratra tsirairay aorian’ny handinihana azy. Ampio ny rehetra hahatakatra fa zava-dehibe ny hitandremana ny amin’ny fisehoantsika ivelany eny ampahibemaso.
Herinandron’ny 27 Mey
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Mey. Manasà mpitory be taona iray hampiseho ny fomba fametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey, araka ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8. Aorian’ilay fampisehoana, dia resaho fa mora ny nampiditra andinin-teny iray tao amin’izy io.
15 min: “Midadasika ve ny Faritanin’ny Fiangonanareo?” Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. (Afaka mijery indray ilay lahatsoratra hoe “Ampiasao Amin’ny Fomba Tsara ny Fotoananao”, ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 1999, ireo fiangonana tsy manana faritany firy.) Lazao ny haben’ny faritany ananan’ny fiangonana sy ny habetsahan’ny voasa tamin’ny taon-dasa. Hazavao fa mety hampiharina eo an-toerana ireo fanoloran-kevitra nomena. Diniho ny fandaharana hatao amin’ny hoavy tsy ho ela, mba hamitana ny faritany tsy voasa matetika.
18 min: “Mampiasa ny Bokikely Takina ve Ianao mba Hanombohana Fampianarana?” (Tokony ho eny amin’ny rehetra ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2002, mba hanaovana ity fiaraha-midinika ity.) Eo am-panombohana dia manasà mpitory iray niomana tsara hampiseho ny fomba hanombohana fampianarana, araka ny ohatra eo amin’ny fehintsoratra 3. Lazao ny zava-misongadina ao amin’ilay bokikely avy eo, ary hazavao fa natao indrindra hanombohana fampianarana izy io. Asehoy fa sarobidy ny handinihana indray ny fomba fampiseho anoloran-kevitra ao amin’ilay takelaka fanampiny tamin’ny Janoary 2002. Angataho ny mpanatrika hilaza izay fanoloran-kevitra hitan’izy ireo fa mahomby. Farano, ka avereno indray ilay fampisehoana etsy ambony.
Herinandron’ny 3 Jona
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Mangataha mpitory hitantara ny fitahiana noraisiny noho izy ireo nandray anjara tamin’ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy na maharitra, nandritra ny Martsa, Aprily, na Mey.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
15 min: “Manosika Antsika Hanao Asa Tsara ny Finoantsika.”c Adinadino vetivety ny Vavolombelona mazoto iray, rehefa mandinika ny fehintsoratra 2. Asao izy hilaza hoe nahoana no mampiseho sy manatanjaka ny finoany ny fitoriany amin’ny hafa.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.