Ahoana no Ahafahan’ny Fianakaviana Hatanjaka Ara-panahy?
1 Deraina ny fianakaviana kristianina noho izy ireo ‘maneho toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony.’ (1 Tim. 5:4) Maro anefa ny fitaoman-dratsy mety hampahalemy ny finoantsika, koa tena mila miezaka mafy àry ny fianakaviana mba hatanjaka ara-panahy foana. Ahoana no azo anaovana izany?
2 Tahafo ny fomba fampiharan’i Kristy ny fahefany: Mila manahaka an’i Jesosy Kristy ny raim-pianakaviana rehefa miantsoroka ny andraikiny hanatanjaka ny fianakaviany. Ankoatra ny nanaovan’i Jesosy sorona ny ainy noho ny fitiavany antsika, dia “mamelona sy mitaiza” ny fiangonana foana izy. (Efes. 5:25-29) Manahaka an’izany fiahiana nasehon’i Jesosy izany ny ray aman-dreny be fitiavana, ka mikarakara izay ilain’ny fianakaviany eo amin’ny ara-panahy isan’andro. Tafiditra amin’izany ny fanaovana fianaram-pianakaviana isan-kerinandro, sy dinidinika ara-panahy misy heviny rehefa misy fotoana, ary ny fandaminana olana raha vao mitranga izy ireny.—Deot. 6:6, 7.
3 Fanompoana eny amin’ny saha: Tokony ho takatry ny mpianakavy rehetra fa tapany lehibe amin’ny fivavahan’izy ireo ny fitoriana momba an’i Jehovah sy ny fikasany. (Isaia 43:10-12) Raha tianareo ray aman-dreny ho tonga Vavolombelon’i Jehovah mahatoky ny zanakareo, dia tsy maintsy hataonareo izay hitiavany ny fanompoana, dieny mbola kely izy ireo. Iaraho midinika ny antony hilana fahafoizan-tena amin’ny fanompoana sy ny hilana handraisana anjara amin’izy io isan-kerinandro. (Matio 22:37-39) Manaova fandaharana avy eo mba hiarahanareo tsy tapaka eny amin’ny fanompoana.
4 Ataovy izay hahatakaran’ny fianakaviana bebe kokoa fa zava-dehibe ny asa fitoriana. Manokàna àry fotoana, mandritra ny fianaram-pianakaviana isan-kerinandro, mba hanomanana fomba fampiseho mandaitra. Ampiofano tsirairay ny zanakareo mba hanatsara ny fanompoany, ka ataovy arakaraka ny taonany sy ny fahaizany izany. Anontanio izy ireo, rehefa avy miaraka manompo ianareo, hoe ahoana no fahitany ny hatsaram-pon’i Jehovah. Mitantarà zava-nitranga manatanjaka ny finoana. Ho akaiky kokoa an’i Jehovah ny fianakaviana, raha ‘manandrana fa tsara Izy’, ka hanatanjaka azy ireo izany hanoherany ny faharatsiana rehetra.—1 Pet. 2:1-3.
5 Fivoriana: Tena tsara raha mifanampy ny mpianakavy mba hanatrehana ny fivoriana kristianina rehetra, indrindra raha mahatsiaro ho reraka na kivy na be zavatra atao ny iray amin’izy ireo! Hoy ny anabavy tanora iray: “Reraka ny dadako rehefa avy miasa. Milaza aminy hevitra tsara izay horesahina any am-pivoriana ny harivan’io anefa aho, ka mandrisika azy hanatrika izany. Mampirisika ahy toy izany koa izy rehefa reraka aho.”—Heb. 10:24, 25.
6 Fanaovan-javatra miaraka: Tokony hiara-manao zavatra, toy ny raharaha ao an-trano, ny fianakaviana. Tokony hifidy fialam-boly tsara koa izy ireo ka hanokana fotoana hanaovana izany. Fotoana mahafinaritra sady tsy hay hadinoina ny fiarahana mitsangantsangana, mandehandeha, milalao, ary mitsidika havana sy namana.—Mpit. 3:4.
7 Mandresy izay zava-miseho isan’andro mety hanakana ny fandrosoany ara-panahy ny fianakaviana kristianina matanjaka. Mahazo hery avy amin’i Jehovah izy ireo rehefa manakaiky kokoa azy.—Efes. 6:10.