Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Apr.
“Tiako ny hizara hevitra mampahery aminao avy ato amin’ny Baiboly. [Vakio ny Matio 22:37.] Inona no dikan’izany, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Jereo ange ity lahatsoratra ity e: ‘Mitadiava An’Andriamanitra Amin’ny Fo sy ny Sainao.’ Ny fo fotsiny ve no mitondra ny finoana, sa ny saina koa? Hanome anao ny valiny ity gazety ity.”
Mifohaza! 8 Apr.
“Fantatrao fa sarotra ny mikarakara fianakaviana amin’izao andro izao, ary mafy ny asan’ny renim-pianakaviana. Misy hevitra mahaliana momba izany ato amin’ity Mifohaza! ity hoe ‘Sarotra Loatra ve ny Asan’ny Reny?’ Tiako ny hanome anao ity gazety ity.”