FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/02 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
km 4/02 p. 7

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Aprily sy Mey: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Tokony hampahafantarina ny tompon-trano fa afaka manome vola ho an’ny asa maneran-tany izy ireo, raha te hanao izany. Anatero gazety tsy tapaka ilay olona raha liana. Omeo bokikely Takina koa izy, ka manaova ezaka manokana mba hanomboka fampianarana Baiboly. Jona: Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? na Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Raha efa manana ireo boky ireo ny tompon-trano dia manolora bokikely misy ao amin’ny tahirin’ny fiangonana. Jolay: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao. Mifantoha amin’ny fanombohana fampianarana Baiboly.

◼ Manomboka amin’ny Aprily, dia halefanay miaraka amin’ny boky ny karatry ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2002, amin’ny teny frantsay sy malagasy. Tsy ilaina ny manafatra izany. Arakaraka ny haben’ny fiangonana ny isan’ny karatra halefa. Raha mila karatra bebe kokoa ny fiangonana, dia tokony hanafatra izany amin’ny Taratasy Fanafarana Boky (S-14). Tsy maintsy manafatra tranon-karatra ny fiangonana, raha misy mila izany.

◼ Tena ilain’ny biraon’ny fikambanana ny adiresy sy ny nomerao telefaonina faran’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha sy ny mpitan-tsoratra rehetra. Raha misy fiovana, dia tokony hofenoin’ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana sy hasiany sonia ary halefany haingana atỳ amin’ny biraon’ny sampana ny taratasy Fiovana Adiresin’ny Mpiandraikitra Mpitantan-draharaha\Mpitan-tsoratra (S-29).

◼ Tokony hataon’ny mpitan-tsoratra ampy tsara ny taratasy Fangatahana Hanao ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana Maharitra (S-205) sy ny Fangatahana Hanao ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana Mpanampy (S-205b). Azo hafarana amin’ny alalan’ny Taratasy Fanafarana Boky (S-14) ireo. Manàna tahiry ho an’ny herintaona, fara fahakeliny. Hamarino raha feno tsara ireo taratasy fangatahana ho mpisava lalana maharitra. Raha tsy tadidin’ilay mpanao fangatahana ny tena datin’ny batisany dia tokony hovinavinainy izy io, ka hohazoniny an-tsoratra.

◼ Raha mikasa handeha any an-tany hafa ianao, ka hamonjy ny fivorian’ny fiangonana, na ny fivoriamben’ny vondrom-paritra na fivoriambe hafa any, dia ny biraon’ny sampana miandraikitra ny asa any amin’ilay tany no tsy maintsy anontanianao ny daty sy ny ora ary ny toerana hanaovana fivoriana. Hita ao amin’ny pejy farany amin’ny Diary farany ny adiresin’ireo biraon’ny sampana.

◼ Boky misy:

Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? (boky iray) —Soratra Braille malagasy

Mifohaza! (volume relié 2001) frantsay

Ny Tilikambo Fiambenana (volume relié 2001) frantsay

Rehefa misy olona jamba mangataka ilay boky ihany vao tokony hohafarana izy io. Tokony ho azon’ny mpitan-tsoratra antoka aloha izany, izay vao hanao sonia ny Taratasy Fanafarana Boky (S-14) voarainy izy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara