Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
Famerenana tsy misy fijerena boky, miorina amin’ireo fanazavana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana natao nanomboka ny herinandron’ny 7 Janoary ka hatramin’ny 22 Aprily 2002. Mampiasà taratasy mitokana hanoratana ny valiny, ary mamalia fanontaniana betsaka araka izay azo atao mandritra ny fotoana omena hanaovana izany.
[Fanamarihana: Ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ny fanontaniana rehetra, mandritra ny famerenana an-tsoratra. Natao hanaovanao fikarohana ireo boky sy gazety voalaza eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hisy nomeraon’ny pejy sy fehintsoratra Ny Tilikambo Fiambenana voalaza ao.]
Valio hoe Marina na Diso ireto fanambarana ireto:
1. Nasongadin’i Solomona ao amin’ny Mpitoriteny 2:2 fa tsy tokony hihomehy sy hifaly isika. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/12/87 p. 24 feh. 5.]
2. Tsy boky mifantoka amin’ny lafy ratsin-javatra velively akory ny Mpitoriteny, fa henika vatosoa mamirapiratry ny fahendrena araka an’Andriamanitra. Asehony koa fa ireo raharaha mahory dia ireo tsy iraharahana an’Andriamanitra. [si p. 114 feh. 15]
3. Miresaka momba ny nahalao an’i Joda nandritra ny nanjakan’i Ahaza ilay mpaminany, ao amin’ny Isaia 1:7. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ip-1 p. 17 feh. 16.]
4. Manondro toerana any an-danitra ny hoe “nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry”, voalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:9. [rs p. 327 feh. 4]
5. Mahazo fitahiana ara-panahy tondraka avy amin’i Jehovah isika, raha mazoto manome ny fananantsika, izany hoe ny fotoanantsika, ny talentantsika, ny herintsika, na zavatra hafa, mba ‘hankalazana azy.’ (Ohab. 3:9, 10) [wMG 15/01/00 p. 25 feh. 1]
6. Mifanitsy koa amin’ny fandringanana ireo firenena ao Haramagedona ny zavatra hafahafa sy tsy mahazatra, ankehitriny, izay resahina ao amin’ny Isaia 28:21. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ip-1 p. 294 feh. 16; p. 301 feh. 28.]
7. Asehon’ny Matio 24:38, 39 fa ringana tamin’ny Safo-drano ny olona tamin’ny andron’i Noa, satria nanaram-po tamin’ny fihinanan-kanina sy ny fisotroana ary ny fanaovan-javatra hafa. [wMG 15/2/00 p. 6 feh. 6]
8. Manaiky foana ny fangatahan’ireo manompo azy amim-panetren-tena sy tsy amim-pitiavan-tena i Jehovah. [wMG 1/3/00 p. 4 feh. 3]
9. Ny “firenena” resahina ao amin’ny Isaia 60:3 dia ireo firenena ara-politika voasinton’ny hazavana nomen’Andriamanitra. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/1/00 p. 12 feh. 4.]
10. ‘Nanamasina’ an’i Jeremia i Jehovah talohan’ny nahaterahany, izany hoe nandahatra ny hoaviny mandrakizay. (Jer. 1:5) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/7/88 p. 10 feh. 2.]
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
11. Inona no dikan’ny hoe ‘manipy ny hanin’ny tena’, voalaza ao amin’ny Mpitoriteny 11:1? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/12/87 p. 25 feh. 11.]
12. Iza no miaraka amin’i Jehovah rehefa nilaza izy hoe “irakay”, ao amin’ny Isaia 6:8? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ip-1 p. 94 feh. 13.]
13. Ho fahatanterahan’ny Isaia 9:1, ahoana no niposahan’ilay “mazava lehibe” tany Galilia? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ip-1 p. 126 feh. 17.]
14. Inona ankehitriny no mifanitsy amin’ny fianjeran’i Babylona tamin’ny 539 al.f.i. sy ny fahafoanany tanteraka? (Isaia 13:19, 20; 14:22, 23) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ip-1 p. 188 feh. 30-31.]
15. Amin’ny ahoana ny ‘mpanompo mahatoky sy malina’ no manao zavatra toy ny “tily”, araka ny voalaza ao amin’ny Isaia 21:6? (Matio 24:45) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ip-1 p. 221-222 feh. 11.]
16. Inona no torohevitra feno fahendrena omen’ny Ohabolana 31:10 ho an’ny tovolahy mitady vady? [wMG 1/2/00 p. 31 feh. 2]
17. Inona no fihantsiana alefa ho an’ireo andriamanitry ny firenena, araka ny Isaia 43:9? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/5/88 p. 16 feh. 3.]
18. Amin’ny ahoana no ‘tsara’ ny tongotr’ireo mitondra teny soa mahafaly momba ny Fanjakan’Andriamanitra? (Isaia 52:7) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/4/97 p. 27 feh. 6.]
19. Inona no ilaintsika hatao mba tsy hamitahan’ny fontsika antsika? (Jer. 17:9) [wMG 1/3/00 p. 30 feh. 4]
20. Inona no tsy maintsy ataon’ireo ‘mandeha amin’ny lalan’i Jehovah’? (Jer. 7:23) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/8/99 p. 29 feh. 6.]
Fenoy ny banga amin’ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
21. “Ny fon’ny hendry dia eo ankavanany”, amin’ny heviny hoe ny ‘ankavanana’ matetika dia manondro ․․․․․․․․. Midika izany fa ny ․․․․․․․․ dia manosika azy hanaraka fitondran-tena tsara izay mitondra fahombiazana ho azy. (Mpit. 10:2; Matio 25:33) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/12/87 p. 25 feh. 8.]
22. Anisan’ny lesona mahasoa ampianarina ao amin’ny Tonon-kiran’i Solomona ny ․․․․․․․․ sy ny ․․․․․․․․ amin’ireo fitsipik’Andriamanitra. [si p. 117 feh. 16]
23. I ․․․․․․․․ no mpandroba ny tanànan’i Joda, voalaza ao amin’ny Isaia 33:1. Resy izy tamin’ny 632 al.f.i., ka namela zavatra be dia be hobaboin’ny mponin’i ․․․․․․․․, izay ‘nifanaretsaka toy ny kalalao.’ (Isaia 33:4) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ip-1 p. 343 feh. 4; p. 345 feh. 6.]
24. Rehefa ampitahaina ny Isaia 54:1 sy ny Galatiana 4:26, 27 dia hita fa ny “․․․․․․․․” ilay vehivavy “momba”; ary ny vehivavy “manam-bady” dia ny ․․․․․․․․. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/8/95 p. 11 feh. 8.]
25. Rehefa tojo fanarabiana isika, na fandavana, eny amin’ny fanompoana ampahibemaso, dia ilaintsika ny mitadidy fa miantefa any amin’i ․․․․․․․․, ilay Loharanon’ny hafatra entintsika, ny fanoherana toy izany, fa tsy ․․․․․․․․ akory. (2 Kor. 4:1, 7) [wMG 15/1/00 p. 21 feh. 2]
Fanteno ireo valin-teny marina ao amin’ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
26. Nilaza tena ho “tsy tonga volana” i Paoly, rehefa nanoratra ny fahitany ny voninahitr’i Jesosy any an-danitra. Midika izany fa (nateraky ny fanahy izy; notendrena ho apostolin’ny jentilisa izy; toy ny hoe nomem-boninahitra ho teraka na natsangana tamin’ny maty ho amin’ny fiainana any an-danitra talohan’ny fotoana izy). (1 Kor. 9:1; 15:8) [wMG 15/1/00 p. 29 feh. 6]
27. Ilay anaram-boninahitra hoe “rain’ny mandrakizay” dia manondro ny herin’ny Mesia Mpanjaka sy ny fahefany hanome ho an’ny olombelona (tanjaka ara-panahy; fiainana mandrakizay any an-danitra; ny fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay eto an-tany). (Isaia 9:5; Jaona 11:25, 26) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ip-1 p. 131 feh. 26.]
28. Ankehitriny ilay ‘zazalahy’ teraka resahin’ny Isaia 66:7, dia manondro (an’i Jesosy Kristy; ny Fanjakan’ny Mesia; firenena ara-panahy vaovao teraka tamin’ny 1919). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/1/95 p. 11 feh. 3.]
29. Rehefa vakintsika amim-pitandremana ny Matio 10:28 dia hitantsika fa ny helo, na Gehena (dia toerana fampijaliana olona nahatsiaro tena; manondro fandringanana mandrakizay; manondro fisarahana amin’Andriamanitra). [rs p. 32 feh. 3]
30. Ankehitriny ilay “firenena tsy mihaino ny feon’i Jehovah”, resahina ao amin’ny Jeremia 7:28, dia manondro (an’i Babylona Lehibe; ny Kristianisma Anarana; ny firenena matanjaka fahafito). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/7/88 p. 18 feh. 10.]
Ampifanandrifio amin’ireo fanambarana voatanisa eto ambany ireto andinin-teny manaraka ireto:
Ohab. 24:16; Mpit. 3:11; Isaia 40:8; Rom. 10:15; 1 Pet. 4:6
31. Amin’ny fotoana mety, dia ho fantatsika hoe inona no tena toerana atokan’Andriamanitra ho an’ny tsirairay avy amin’ny asany, ao anatin’ny fikasany. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/12/87 p. 24 feh. 8.]
32. Mamela an’ireo maty ara-panahy hibebaka ny fitoriana ny vaovao tsara aminy. [rs p. 323 feh. 4]
33. Na dia tsy azo ialana aza ny fahalavoana indray, dia miezaka manao izay tsara foana ny olon’Andriamanitra. [wMG 1/2/00 p. 5 feh. 1]
34. Tsy azo foanana na sakanana tsy ho tanteraka ny tenin’Andriamanitra, na ny fikasany voambara. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ip-1 p. 401-402 feh. 10.]
35. Nampiasa tsara ny faminanian’i Isaia ny apostolin’i Jesosy, ka nampihatra azy io teo amin’ny fanompoany. [si p. 123 feh. 37]