Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Azo atolotra koa Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? Janoary: Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra na Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika? Febroary: Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza!, na Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Martsa: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Hanao ezaka manokana isika mba hanombohana fampianarana Baiboly.
◼ Tokony hanomboka hanafatra ny volumes reliés 2001 amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! miaraka amin’ny fanafarany boky ho an’ny Desambra ny fiangonana. Hisy amin’ny teny frantsay sy malagasy ny volumes reliés. Mandra-pahatongan’ny volumes reliés sy mandra-pahazonareo azy, dia hisy soratra hoe “Halefanay Aoriana Kely” eo amin’ny lisitry ny entana. Zavatra hafarana manokana ny volumes reliés.
◼ Tsy hafarana ny fanasana amin’ny Fahatsiarovana 2002, fa halefanay any amin’ireo fiangonana. Misy amin’ny teny frantsay sy malagasy ny fanasana amin’ny Fahatsiarovana.
◼ Amin’ny alarobia 16 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro, ny Fahatsiarovana amin’ny taona 2003. Omena mialoha ity filazana ity mba hahafahan’ireo rahalahy hanao famandrihan-toerana mba hahazoana efitrano azo ampiasaina rehefa fiangonana maromaro no mampiasa ny Efitrano Fanjakana, ka misy voatery mitady toerana hafa. Tokony hanao fifanarahana amin’ireo mpitantana ilay toerana ireo anti-panahy mba hahazoana antoka fa tsy hisy fanelingelenana avy amin’ny olon-kafa mety hampiasa ilay trano hankalazana ny Fahatsiarovana. Amin’izay dia hilamina sy hirindra ny fankalazana ny Fahatsiarovana. Zava-dehibe io fotoana io, koa rehefa manendry mpandahateny amin’ny Fahatsiarovana ny anti-panahy, dia tokony hifantina anti-panahy mahay kokoa, fa tsy hifandimby fotsiny, na hampiasa anti-panahy mitovy foana isan-taona. Raha misy anti-panahy mahay anisan’ny voahosotra, izay afaka manao ilay lahateny, dia izy no tokony hofidina.
◼ Boky misy:
Ankafizo ny Fiainam-pianakaviana (Trakta No. 21)—sinoa, sinoa (notsorina)
Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra—goujrati
Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay—goujrati
Fampiononana ho An’ireo Ketraka (Trakta No. 20)—sinoa, sinoa (notsorina)
Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?—goujrati, mahorais (Soratra romanina)
Iza Marina no Manapaka Ity Tontolo Ity? (Trakta No. 22)—sinoa, sinoa (notsorina)
La victoire sur la mort: est-elle à votre portée?—goujrati
Le chemin du Paradis Comment le trouver?—mahorais (Soratra arabo sy romanina)
Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!—mahorais (Soratra arabo)
Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa—goujrati
Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?—goujrati
Trakta No. 13 ka hatramin’ny No. 24—goujrati