FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/01 p. 3-6
  • Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
km 12/01 p. 3-6

Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Famerenana tsy misy fijerena boky, miorina amin’ireo fanazavana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana natao nanomboka ny herinandron’ny 3 Septambra ka hatramin’ny 24 Desambra 2001. Mampiasà taratasy mitokana hanoratana ny valiny, ary mamalia fanontaniana betsaka araka izay azo atao mandritra ny fotoana omena hanaovana izany.

[Fanamarihana: Ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ny fanontaniana rehetra, mandritra ny famerenana an-tsoratra. Natao hanaovanao fikarohana ireo boky sy gazety voalaza eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hisy nomeraon’ny pejy sy fehintsoratra Ny Tilikambo Fiambenana voalaza ao.]

Valio hoe Marina na Diso ireto fanontaniana manaraka ireto:

1. Koa satria vokatry ny fanahin’Andriamanitra ny finoana, dia tsy manao izay hahazoana izany fanahy izany ny olona tsy manam-pinoana, na manana antony ratsy manosika izy ireny na manohitra ny asan’izany fanahy izany eo amin’ny fiainany. (Lioka 11:13; Gal. 5:22) [rs p. 239 feh. 1]

2. Marina ny lazain’ny Salamo 58:4 fa manana “tadìny” na lava-tsofina ny vipera saingy tsy miasa tsara izy io satria marenina izy. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro]

3. Ilay “antokony lehibe” amin’ny vehivavy voalaza ao amin’ny Salamo 68:11, dia andevovavy vahiny nafahan’ny lehilahy isiraelita avy tamin’ny fahababoana, rehefa nandresy ireo firenena fahavalo izy ireo. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/1/87 p. 30 feh. 6.]

4. Raha toa ka voafetra amin’ny fotoana ahaterahantsika na alohan’izany aza ny fotoana sy ny fomba hahafatesantsika, dia tsy hilaina ny hanalavirana ireo tarehin-javatra mampidi-doza na hikarakarana ny fahasalaman’ny tena, ary tsy hanova velively ny isan’ny maty ireo fepetra fiarovana amin’ny loza. [rs p. 53 feh. 3]

5. Ny fanamarihan’i Paoly hoe “aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny fahatanoranao” dia midika fa mbola zatovo i Timoty na vao 20 taona mahery kely. (1 Tim. 4:12) [wMG 15/9/99 p. 29 feh. 1-3; p. 31 feh. 3]

6. Manondro an’i Jesosy ny hoe “Tompoko” ao amin’ny Salamo 110:1. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/6/94 p. 28 feh. 5.]

7. Miseho im-700 eo ho eo ny anarana hoe Jehovah ao amin’ny bokin’ny Salamo, ary hita in-43 ilay endrika nohafohezina hoe “Jah”, hany ka amin’ny fitambarany, ny anaran’Andriamanitra dia voatonona in-5 eo ho eo amin’ny antsalany ao amin’ny Salamo tsirairay. [si p. 104 feh. 23]

8. Na dia miantso an’i Jesosy hoe “andriamanitra” sy “Andriamanitra Mahery” mihitsy aza ny Soratra Masina, dia tsy miantso azy mihitsy hoe “Tsitoha” izy io. (Jaona 1:1; Isaia 9:5; Gen. 17:1) [rs p. 41 feh. 3]

9. Ny fianarana ny bokin’ny Ohabolana, raha ny marina, dia fianarana ny fahendren’i Solomona. [si p. 106 feh. 1]

10. Ny torohevitry ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 21:17, ny amin’ny hanalavirana ny ‘fitiavana fanaranam-po’ dia milaza fa ratsy ny mampifalifaly tena, satria mampihena ny fotoana tokony ho an’ny zava-dehibe kokoa izy io. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro, jereo wMG 1/10/97 p. 27 feh. 7.]

Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

11. Inona no nasehon’ilay fananarana tamim-pahalemem-panahy nomen’i Jesosy an’i Marta? (Lioka 10:40, 41) [wMG 1/9/99 p. 30 feh. 7]

12. Ho amin’ny “voninahitra” inona no nitondran’i Jehovah ny mpanao salamo? (Sal. 73:24) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/3/87 p. 28 feh. 3.]

13. Fomba fijery ny amin’ny tombontsoam-panompoana inona no asehon’ny mpanao salamo ao amin’ny Salamo 84:1-3? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/3/97 p. 8 feh. 5-7.]

14. Ahoana no ampisehoan’ny Apokalypsy 22:17 sy ny Romana 2:4, 5 fa tsy mahalala na mandahatra mialoha ny zavatra rehetra ataon’ny olona i Jehovah? [rs p. 56 feh. 2, 3]

15. Koa satria ny Kristianina tany am-boalohany nino ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy voalaza ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, fitaomana inona no nahatonga ireo Kristianina mpivadi-pinoana handa io fampianaran’Andriamanitra io tatỳ aoriana? [wMG 1/12/99 p. 6 feh. 3–p. 7 feh. 5]

16. Fetra inona ny amin’ny fanehoana ‘fiheverana’ ny olon-kafa no tokony hotandreman’ny Kristianina? (Fil. 2:4) [wMG 1/12/99 p. 29 feh. 1]

17. Inona no dikan’ny hoe ny zanaka dia “tahaka ny zanak’oliva” manodidina ny latabatry ny lehilahy iray, voalaza ao amin’ny Salamo 128:3? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/8/00 p. 30 feh. 4.]

18. Raha hitantsika fa mahatahotra ireo asan’Andriamanitra, amin’ny ahoana izany no hisy akony eo amintsika? (Sal. 139:14) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/10/93 p. 15 feh. 18.]

19. Nahoana ny Ohabolana 5:3, 4 no milaza ny vokatra aorian’ny nanaovana fahalotoam-pitondran-tena ho “mangidy tahaka ny hazo mahafaty” sy “maranitra hoatra ny sabatra roa lela?” [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/7/00 p. 29 feh. 2.]

20. Mifanaraka amin’ny Ohabolana 14:29, amin’ny ahoana ny fahaiza-manavaka no manampy antsika hanalavitra ny vokatry ny hoe mora tezitra sy misafoaka? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/3/97 p. 13 feh. 7, 8.]

Omeo ny teny na ny fitambaran-teny ilaina mba hamenoana ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:

21. Niteny __________________________ sy nampahafantatra ny __________________________ ny mpaminany marina. (Deot. 18:18-20; 1 Jaona 4:1-3) [rs p. 335 feh. 3; p. 336 feh. 2]

22. Natao ho amin-java-kendrena roa sosona ireo Ohabolana: hanomezana __________________________ sy __________________________ . (Ohab. 1:1-4) [wMG 15/9/99 p. 13 feh. 2]

23. “Ny fierena izay an’ny Avo Indrindra” dia toerana misy __________________________ ho an’ireo miandany amin’Andriamanitra amin’ny raharaha momba ny __________________________ ; “fierena” izy io na hoe tsy fantatry ny olona __________________________ . (Sal. 91:1) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/3/87 p. 29 feh. 6.]

24. Ny ‘tsy fanadinoana ny fitahian’i Jehovah rehetra’ dia miharihary fa ampifandraisina amin’ny __________________________ ireo “fitahiany”, ny asa anehoany hatsaram-panahy miharo fitiavana voalaza ao amin’ny Salamo faha-103. (Sal. 103:2) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/5/99 p. 21 feh. 5, 6.]

25. Ny ohabolana dia filazana nohafohezina izay mampiasa __________________________ sy nokendrena mba __________________________ . [si p. 107 feh. 6]

Fanteno izay valin-teny marina ao amin’ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:

26. Na dia tokony ho tezitra aza i Davida noho ny fitondran’i Saoly azy, dia nifehy tena izy satria (takany fa tsy lavorary i Saoly ary tsy maintsy mamela heloka ny mpanompon’Andriamanitra; nieritreritra ny fifandraisany tamin’i Jehovah izy; fantany fa ratsy ny mitsara). (1 Sam. 24:7, 16) [wMG 15/8/99 p. 8 feh. 7]

27. Ny (fahendrena; fifehezana; fahitsiana) dia fitambarana lafin-toetra maro, anisan’izany ny fahaiza-mahazo hevi-javatra, ny fahaiza-mahataka-javatra, ny fahiratan-tsaina, ary ny fahaiza-misaina; ny (hatsaram-po; fahaiza-mahazo hevi-javatra; fahaiza-mitsara zavatra) dia ny fahaiza-mandinika ny votoatin’ny raharaha iray, sy ny fahaiza-manavaka ireo tapany mahaforona azy io, amin’ny fanakaran’ny saina ireo fifandraisana misy eo amin’ilay raharaha manontolo sy ireo tapany aminy, ka mahazo ny hevitr’izy io amin’izany fomba izany. (Ohab. 1:1-4) [wMG 15/9/99 p. 13 feh. 3]

28. Noho ny (fahalalany ny Lalàn’i Mosesy izay nanameloka ny fijangajangana; fanajana lalina ny toerana ambony tanan’ny vadin’ilay vehivavy; fiheverana ny fifandraisany tamin’i Jehovah ho sarobidy) no nahatonga an’i Josefa hanana herim-po hanohitra ny fandrokidrokian’ny vadin’i Potifara hanao fahalotoam-pitondran-tena. (Gen. 39:7-9) [wMG 1/10/99 p. 29 feh. 3]

29. Ilay nanoratra ny Salamo 119 dia miharihary fa nankasitraka lalina (ny teny na ny lalàn’Andriamanitra; ny fiainana; ny fanantenana famonjena), izay saika voalaza ao amin’ny andinin-teny rehetra ao amin’ilay salamo. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/11/99 p. 10 feh. 5; wMG 15/6/87 p. 24 feh. 2.]

30. Ao amin’ireo toko roa voalohany amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny (Romanina; Galatianina; Hebreo), isika dia mahita fakan-teny maromaro avy ao amin’ny Salamo momba ny (toerana ambony; batisa; fanompoana teto an-tany) tanan’i Jesosy Kristy. [si p. 105 feh. 28]

Ampifanandrifio amin’ireo fanambarana voatanisa eto ambany ireto andinin-teny manaraka ireto:

Ohab. 2:19; 14:15; 18:17; Rom. 10:17; Heb. 13:18

31. Tsy maintsy mianatra Baiboly aloha ny olona iray ary mandinika azy io amim-pitandremana mba hahazoana finoana. [rs p. 240 feh. 4]

32. Tsy afaka manaraka fanao ara-barotra tsy marina na tsy miraharaha ny tombontsoa ara-dalàna ananan’ny hafa ny Kristianina. [wMG 15/9/99 p. 10 feh. 2]

33. Ireo maloto fitondran-tena dia mety hahatratra fetra tsy hahafahana hiverina ilalana, izany hoe ny fahafatesana, izay tsy ahafahany miverina intsony. [wMG 15/11/99 p. 27 feh. 4, 5]

34. Ny olona hendry sy mahay manavaka dia manombana ny ho vokatry ny ataony fa tsy manaraka an-jambany fironana vaovao sasany satria fotsiny hoe be mpitia izy io. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo gMG 8/4/99 p. 13, feh. 3-5.]

35. Na dia mety ho toa azo ekena sy marina aza ny fanaporofoan-kevitry ny olona iray, dia fahendrena ny mihaino ny andaniny sy ny ankilany vao manatsoaka hevitra. [si p. 111 feh. 36]

[Pejy 5 tsy misy soratra]

[Pejy 6 tsy misy soratra]

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara