Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 10 Desambra
13 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Manaova fampisehoana ny amin’ny fomba hanolorana 1) Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra sy 2) ny Mifohaza! 8 Desambra, araka ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 6.
12 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
20 min: “Fitahiana Noho ny Fankasitrahana ny Fitiavan’i Jehovah—Fizarana 2.”a Rehefa mandinika ny fehintsoratra 2-6, dia asao ny fiangonana hitantara ireo zavatra hitany tamin’ny fitoriana tsy ara-potoana. Manasà mpitory mba hiomana hamerina iray na roa amin’izy ireny amin’ny alalan’ny fampisehoana.
Herinandron’ny 17 Desambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty. Sorito ny fandaharana manokana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha amin’ny 25 Desambra sy 1 Janoary.
20 min: “Mahaiza Mampiasa ny Tenin’Andriamanitra.”b Asio fampisehoana ilay fomba fampiseho eo amin’ny fehintsoratra faha-4, ary ataovy toy izay mety hitranga eny amin’ny faritany mihitsy izany. Avy eo, dia asao ny mpanatrika hilaza ny antony iheverany fa mandaitra kokoa ny fitoriana raha mampiasa Baiboly.
15 min: Fampiasana ny Boky Fanjohian-kevitra mba Hifampaherezana. Lahateny sy fampisehoana miorina amin’ny pejy 135-139. Mitondra vokatra ny fahaizana manome fampaherezana. Mandray soa ilay omena fampaherezana ka mahazo herim-po sy fanantenana ary fatokisan-tena hiatrika toe-javatra sarotra. Mila fampaherezana isika rehetra ary mila ny mifampahery koa. Ahoana no ahafahantsika mifanampy amin’ny teny sy atao mba hiatrehana zava-manahirana sy hanompoana an’i Jehovah hatrany amin’ny “fo minia fatratra”? Fampisehoana: 1) Mpitory mitsidika mpitory be taona. Tsy afaka manatrika ny fivoriana rehetra ilay mpitory be taona noho izy marary, ka mahatsiaro kivy. Azo ampiasaina tsara ny 2 Korintiana 4:13, 16 sy ny hevitra mifandray amin’izany ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra ao amin’ilay resaka ifanaovan’izy ireo. 2) Rahalahy roa miresadresaka aorian’ny fivoriana. Lasa any amin’ny asa aman-draharaha isan’andro sy ny asa ara-nofo amin’izao fotoan-tsarotra izao ny resaka. Inona no lazain’ny Soratra Masina? Manazava izany ny boky Fanjohian-kevitra eo ambanin’ny hoe “Fanerena Ara-toe-karena”, pejy 138. Miorina amin’ny Matio 6:33 sy Romana 8:35, 38, 39 ny fiaraha-midinika.
Herinandron’ny 24 Desambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Lazao izay boky atolotra amin’ny Janoary sy izay boky misy ao amin’ny tahirin’ny fiangonana. Manaova fampisehoana fohy roa momba ny fametrahana gazety, toy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra, araka ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 6. Manasà tanora iray hanao ny iray amin’izy ireo.
10 min: “Sekolin’ny Fanompoana 2002.” Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny sekoly. Ampirisiho ny rehetra mba hazoto hanao ny anjarany.
25 min: Mankasitraka ny Efitrano Fanjakanantsika ve Isika? Lahateny ataon’ny anti-panahy, ka ampiasainy ny fanazavana ao amin’ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 59-63 sy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 1993, pejy 28-31.
Herinandron’ny 31 Desambra
Fanamarihana: Tsy tokony hanova ny Fivoriany Momba ny Fanompoana ho an’ny herinandron’ny 31 Desambra, ho amin’ny takariva alohan’io ny fiangonana, raha tsy hoe mitsidika angaha ny mpiandraikitra ny faritra.
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Desambra. Raha hiova ny fotoan’ny fivorian’ny fiangonanareo amin’ny taona vaovao, dia ampirisiho amin-katsaram-panahy ny rehetra hanatrika tsy tapaka ireo fotoam-pivoriana vaovao. Ataovy azo antoka fa mahafantatra ireo fiovana ireo ny olona liana sy izay rehetra tsy mitory intsony. Vaovao Farany.
20 min: Omeo ny Haja Mendrika Azy ny Anti-panahy. Mpanampy amin’ny fanompoana roa na telo miara-midinika Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1999, pejy 18, 19. Resahiny ireo andraikitra maro tsy maintsy sahanin’ny anti-panahy, anisan’izany ny asany sy ny andraikiny ara-pianakaviana ary ny asa anendrena azy eo anivon’ny fiangonana. Diniho ireo fomba azon’ny rehetra ampaherezana azy ireo, anamaivanana ny entany ary anarahana ny toromarika omeny. Manaiky ireo mpanampy amin’ny fanompoana fa sarobidy ny fanompoana ataon’ireo anti-panahy ka mendrika ny ‘hohajaina indrindra’ izy ireo.—1 Tes. 5:12, 13.
15 min: Valin’ny Fanontanianareo. Fanontaniana sy valiny ataon’ny anti-panahy. Isaory ny fiangonana noho ny fanaovana fanomezana tsy tapaka.
Herinandron’ny 7 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
20 min: Ampiasao Amin’ny Fomba Tsara Indrindra ny Fiainanao. Mpianakavy miara-midinika Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1998, pejy 8, 9. Irin’ilay ray ny hanaovan’ny fianakaviana zavatra hitondra fifaliana ho azy ireo fa tsy fahakiviana. Dinihin’izy ireo ny fananarana araka ny Soratra Masina ao amin’ilay lahatsoratra izay mampiseho fa afaka ny ho sambatra izy ireo raha mampiasa fahaiza-manavaka sy manao ho loha laharana ny zavatra tena mahasoa ary mitoky amin’i Jehovah. Soritan’izy ireo ny fanitsiana mahasoa azon’izy mianakavy atao.
15 min: Fandinihana Akaiky ny Efitrano Fanjakanantsika. Lahateny ataon’ny anti-panahy. Jereo hoe manao ahoana ny toetoetran’ilay Efitrano Fanjakana. Inona no fandaharana atao mba hanaovana fanadiovana lehibe alohan’ny Fahatsiarovana? Inona no fanamboarana ilaina hatao, alohan’izany? Hazavao ny fomba ahafahan’ny fiangonana manampy. Antitrantero fa tokony hahitana taratry ny hatsarana sy ny fahamendrehana izay mifanentana amin’ny tranon’i Jehovah ny toeram-pivavahantsika.—Sal. 84:1.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.