Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 8 Oktobra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Manaova fampisehoana fohy roa momba ny fametrahana gazety, toy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra sy ny Mifohaza! 8 Oktobra, araka ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8.
35 min: “Mampihatra Izay Nianaranao Tany Amin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra ‘Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra’ ve Ianao?” Fiaraha-midinika ny fandaharan’ny fivoriambe amin’ny mpanatrika, tarihin’ny mpitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Aorian’ny fampidiran-dresaka maharitra 1 minitra, dia manokàna 10-12 minitra mba hiresahana ny fandaharana isan’andro. Asehoy vetivety ireo hevi-dehibe eo ambanin’ny lohatenikely tsirairay, ary avy eo dia asao ny mpanatrika hilaza ny fomba 1) niezahany mafy mba hampiharana ilay fampianarana sy 2) ny soa noraisiny avy tamin’ny fanaovany izany ary 3) izay zavatra hafa mbola ilainy hatao. Mampiasà fanontaniana mampisaintsaina mba hahavelombelona ny fiaraha-midinika. Ampio ny rehetra hahatakatra ny ilana hampiharana izay nianarany.
Herinandron’ny 15 Oktobra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
15 min: Manana “Fo Mankatò” ve Ianao? Lahateny ataon’ny anti-panahy iray, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1998, pejy 29-31. Resaho ny fomba ahafahantsika mampiseho fankatoavana rehefa miara-miasa amin’ny fiangonana.
20 min: Ampiasao Tsara ny Gazetintsika. Miresaka ny fanahiany momba ny fizarana gazety eo an-toerana ny mpiandraikitra ny fanompoana sy ny mpikarakara ny gazety. Ampitahainy ny isan’ny gazety voarain’ny fiangonana isam-bolana sy ny isan’ny voapetraka. Hita fa maro ny gazety miangona fotsiny na ariana. Ahoana no ahafahan’ny mpitory mampiasa tsara kokoa ny gazetintsika? Resahin’izy mirahalahy ireo hevitra fito tao amin’ilay hoe “Aoka Ianao Hahatsiaro Foana Ireo Gazety!”, tamin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana ho an’ny herinandron’ny 4 Oktobra 1999. Resahin’izy ireo ilay fitantarana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1998, pejy 28-29, ary lazainy ny fomba azo ampiharana ireo fanoloran-kevitra. Ampirisihina ny tsirairay mba hanandrana ireo fomba fizarana gazety aseho ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana isam-bolana.
Herinandron’ny 22 Oktobra
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Manaova fampisehoana fohy iray momba ny fametrahana gazety, toy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra, araka ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8.
10 min: Ahoana no Havalinao? Resaho vetivety ny ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 423-424, izay mamaly mazava tsara ilay fanontaniana hoe “Ahoana no ahatongavan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fanazavany ny Soratra Masina?” Manaova fampisehoana iray voaomana tsara ny amin’ny fomba hamaliana an’io fanontaniana io amin’ny fiverenana mitsidika, sy ny hanasana ilay olona hanatrika fivoriana.
20 min: “Fiheveran’ny Kristianina Ireo Fomba Rehefa Misy Maty.” Lahateny ataon’ny anti-panahy iray, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1998, pejy 20-21. Atao amim-panajana sy amim-pahamendrehana.
Herinandron’ny 29 Oktobra
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Oktobra. Ny bokikely Takina na ny boky Fahalalana no atolotra amin’ny Novambra. Ataovy izao fampisehoana fohy izao: “Tsy mora ny mahita vola ampy hivelomana satria sarotra ny fiainana. Heverinao ve fa hanome vahaolana sahaza ny rehetra ny fitondram-panjakan’olombelona? [Avelao izy hamaly.] Hitako fa tena mampahery mihitsy ity fampanantenan’ny Baiboly ity.” Vakio ny Salamo 72:12-14. Atolory ny bokikely Takina na ny boky Fahalalana, ka mampidira fanazavana mifanentana amin’izany avy ao amin’ilay boky.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
18 min: “Misakafo Tsara Ara-panahy ve Ianao?”a Asao ny mpanatrika hanome fanazavana avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 1997, pejy 28-31, mba hanazavana ny antony sy ny fomba tsy maintsy hikelezantsika aina mba hisakafoanana tsara ara-panahy hatrany.
Herinandron’ny 5 Novambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. “Mandehana Manampy ny Hafa.” Ampirisiho ny mpitory rehetra mba hieritreritra amim-bavaka raha afaka manampy fiangonana hafa eo amin’ny asa fitoriana izy.
18 min: Fiarahan’ny Mpianakavy Manomana Fivoriana. Ray miara-midinika amin’ny fianakaviany ny fomba ahafahan’ny rehetra miomana mba handraisana anjara tsara amin’ny fivoriana. Manomana ny valin-teny homeny mandritra ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana amin’io herinandro io izy ireo, ka mampiasa ireo toro lalana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1999, pejy 19-20. 1) Mifidy fanontaniana iray na roa tiany hovaliana ny mpianakavy tsirairay. 2) Manomana ny valin-teniny amin’ny fomba fiteniny izy ireo rehefa avy nandinika ireo fehintsoratra misy izany. 3) Mifidy ireo andinin-teny fototra voatonona izy ireo, ka miresaka ny fomba ifandraisan’izy ireny amin’ilay foto-kevitra. Manomana izay holazaina ho fampiharana ireo andinin-teny amin’ilay fianarana koa izy ireo. Dodona ny handray anjara amin’ny fivoriana ny rehetra.
17 min: “Inona no Tanjona?”b Antitrantero fa zava-dehibe ny hanampiana ny mpianatra hahita fa sarobidy ny manatrika fivoriana. Manaova fampisehoana voaomana tsara ny amin’ny fomba hanaovana izany, amin’ny fampiasana ny boky Fahalalana toko 17, fehintsoratra 6-8.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.