Miteny sy Manoratra ‘Tenin’ny Fahamarinana Mahafinaritra sy Mahitsy’
1 Izao no nosoratan’i Solomona Mpanjaka ao amin’ny Mpitoriteny 12:10: “Mpitoriteny nitady hahita teny mahafinaritra; ary izay mahitsy no voasorany, dia tenin’ny fahamarinana.” Niezaka hanohina ny fon’ny mpamaky azy i Solomona, tamin’ny teny mahafinaritra sy tamin’ny foto-kevitra tena mahaliana sy mendri-kodinihina.
2 Azo ampiharina tsara amin’izao resadresatsika izao ireo teniny ireo, satria tsy tamin’ny raharaha lehibe toy ny foto-pampianarana sy ny fitondran-tena ihany no nisian’ny fahazavana namiratra, fa teo amin’ireo voambolana ampiasain’ny Kristianina sy ny tena hevitr’izy ireny koa. Nandritra ny fotoana ela, ohatra, dia niresaka ny amin’ny fanamarinana ny anaran’i Jehovah, ireo Vavolombelony. Kanefa, moa ve i Satana nampiditra fisalasalana momba ny anaran’i Jehovah? Moa ve nisy solontenan’i Satana nanao izany, ka toy ny hoe tsy nanan-jo hitondra io anarana io i Jehovah? Tsia, tsy izany velively. Tsy ny anaran’i Jehovah akory no niadian-kevitra ka hoe nilaina nohamarinina. Izany no mahatonga ny boky sy gazety faramparany navoakan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana tsy hiresaka ny amin’ny fanamarinana ny anaran’i Jehovah. Ny amin’ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah sy ny fanamasinana ny anarany kosa no resahin’izy ireo. Izany dia mifanaraka amin’izay nasain’i Jesosy nivavahantsika hoe: “Hohamasinina anie ny anaranao.” (Matio 6:9) Nilaza imbetsaka i Jehovah fa hanamasina ny anarany. Nanazimbazimba an’io anarana io ny Isiraelita fa tsy hoe nanisy adihevitra momba azy io akory.—Ezekiela 20:9, 14, 22; 36:23.
3 Nantsoina hoe namana ankasitrahana teo aloha, ireo vaovao nifanerasera tamin’ny vahoakan’i Jehovah, ka nanomboka nandray anjara tamin’ny fanompoana. Avy eo, rehefa nitombo ny fahazoana hevi-javatra, dia nety kokoa ny niantsoana azy ireo hoe mpitory tsy vita batisa. Marina kokoa ny fiantsoana azy ireny hoe “mpitory tsy vita batisa”, satria araka ny Baiboly, dia ilaina ny fanoloran-tena ara-dalàna sy ny batisa kristianina, mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra. Koa nisy fiovana vitsivitsy àry natao tao amin’ireo boky sy gazety faramparany navoakan’ny Fikambanana, noho ny fahazavana mihamitombo teo amin’ny foto-pampianarana sy ny voambolana ampiasain’ny Kristianina. Tianay horesahina ny amin’ny sasantsasany amin’izy ireny, sy ny antony nanaovana ireny fanovana ireny.
4 Fanahy: Koa satria avahan’ny teny hebreo sy grika ny hoe nèphèsh/rouah sy ny hoe psukhê/pneuma, dia niezahantsika natao toy izany koa ny teny malagasy tamin’ny voalohany. Nampiasaina ny teny hoe fanahy (âme) sy fanahy (esprit). Tsy nanampy anefa izany satria nampisafotofoto ireo rahalahy. Koa nahazo toromarika avy tamin’ny Filan-kevi-pitantanana isika hampiasa ny hoe fanahy mba handikana ny hoe rouah/pneuma, ary handika kosa ny hoe nèphèsh/psukhê arakaraka ny teny manodidina. Hampiasa teny mitovy amin’izay efa ampiasain’ny Baiboly malagasy ankehitriny isika, toy ny hoe “fiainana”, “zava-manan’aina”, “olona” sy ny sisa.
5 Anti-panahy: Fiovana lehibe hafa iray efa natao ny fampiasana ilay teny hoe anti-panahy. Io no asolo ilay teny hoe loholona. Nahoana no novana izy io? Mety kokoa ny anti-panahy mba hilazana mpiandraikitra iray, izay matotra sy mahay mandanjalanja. Tsy nanana izay heviny izay anefa ny hoe loholona, fa nahatonga hieritreritra kosa hoe lohany ara-bakiteny, ka nisy fiantraikany teo amin’ny fiheveran’ny rahalahy sasany ny tombontsoany izany.
6 Mpiandraikitra mpitety faritany: Novana hoe mpiandraikitra ny faritra ny hoe mpiandraikitra ny fizaran-tany, satria tsy mazava io teny io ary nisy rahalahy nanantena fa hizara tany ara-bakiteny tokoa izy. Mpiandraikitra ny vondrom-paritra izao no hiantsoana ny mpiandraikitra ny distrika, ary mpiandraikitra mpitety sampana no hiantsoana ny mpiandraikitra ny zone.
7 Midika koa izany fa hovana ny anaran’ny fivoriambentsika. Lasa hoe fivoriamben’ny faritra ny fivoriamben’ny fizaran-tany; ary fivoriamben’ny vondrom-paritra ny fivoriamben’ny distrika.
8 Kristianisma Anarana: Fiovana hafa iray, izay mora hazavaina kokoa eny amin’ny fanompoana, ny fampiasana ny teny hoe Kristianisma Anarana. Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina no nampiasaintsika teo aloha, nefa sady tsy nazava izy io no lava.
9 Fivoriana ho An’ny Besinimaro sy Lahateny ho An’ny Besinimaro: Nandritra ny taona maro isika, dia nampiasa ny teny hoe Fivoriana Ampahibemaso sy Lahateny Ampahibemaso, izay mahatonga hihevitra fa tsy atao amim-piafenana io fivoriana io. Ny tena tiana holazaina anefa, dia hoe ho an’ny besinimaro io fivoriana io, na hoe anasana ny besinimaro na izay olona liana. Koa mety kokoa àry ankehitriny ny ilazana ny Fivoriana Ampahibemaso sy Lahateny Ampahibemaso hoe Fivoriana ho An’ny Besinimaro sy Lahateny ho An’ny Besinimaro. Mety tsara izany hilazana fa tsy natao ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany izy ireny.
10 Fiangonana: Hatramin’izao, mba tsy hampiasana ny teny hoe fiangonana sahala amin’ny Kristianisma Anarana, dia teny frantsay no nogasintsika hoe kongregasiona. Tsy azon’ny ankamaroan’ireo rahalahy sy ny tsy Vavolombelona anefa io teny io. Tsy tena misy dikany firy ho azy ireo koa izy io. Marina tsara ny hevitry ny teny hoe fiangonana, izay ampiasaina ao amin’ny Baibolintsika malagasy ankehitriny. Milaza olona mivory, mazàna mba hivavaka, ny teny malagasy hoe fiangonana. Midika hoe “mivory” ny matoanteny hoe miangona. Koa tena mitovy amin’ilay teny frantsay hoe congrégation àry izy io. Mba hahatonga ny tenintsika hahafinaritra sy ho azon’ny rehetra, dia nanome lalana indray koa ny Filan-kevi-pitantanana mba hampiasana teny fantatry ny ankamaroan’ny olona, sy teny marina, dia ny hoe fiangonana. Voatery hanova ny voambolana ampiasainy ny rahalahy maro. Raha vao zatra azy io anefa isika, dia ho finaritra erỳ mahafantatra fa tsy mampiasa teny izay tsy misy mahazo afa-tsy olom-bitsy fotsiny isika. Tadidio fa teny malagasy madio ny teny hoe fiangonana, fa tsy teny noforonin’ny Kristianisma Anarana akory. Ny asantsika no mampiavaka antsika amin’i Babylona Lehibe, fa tsy ny teny ampiasaintsika akory. Koa na dia mbola antsoina hoe Efitrano Fanjakana ihany aza ny toeram-pivavahantsika, dia tsy kongregasiona intsony no iantsoantsika ireo rahalahy sy anabavy ary olona liana mivavaka ao. Manomboka izao, dia fiangonana no iantsoantsika azy ireo.
11 Midika izany fa ilaintsika hovana ireto teny manaraka ireto:
Ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona izao dia lasa hoe Fianarana Boky Ataon’ny Fiangonana.
Ny Komitin’ny Fanompoana ao Amin’ny Kongregasiona izao dia lasa hoe Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana.
Ny Firaketan’ny Fanompoan’ny Mpitorin’ny Kongregasiona dia lasa hoe Firaketana ny Fanompoan’ny Mpitory.
12 Mba hampahazava azy tsara, dia novana hoe Filan-kevi-pitantanana ny hoe Fitambara-mpitantana. Tsy be mpahalala sy tsy azon’ny olona ilay teny nampiasaintsika teo aloha. Mahazatra ny olona kosa anefa ny hoe Filan-kevi-pitantanana, izay manondro antokon’olona voatendry handamina, sy hanapa-kevitra ary hanome toromarika ny hafa.
13 Amin’ny hoavy, dia hiezaka izahay tsy hanagasy teny vahiny rehefa mandika teny. Noho izany, dia tsy hampiasaintsika intsony ilay teny hoe “teokratika” ao amin’ny boky sy gazetintsika, satria teny nogasina izy io, sady tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona no tsy azony. Koa novana hoe “Sekolin’ny Fanompoana” àry izao ilay hoe “Sekolin’ny Fanompoana Teokratika.” Tsy hampiasaina intsony ny teny toy ny hoe “spiritisma” sy “persona” mbamin’ny hafa koa, araka ny ho hitanareo.
14 Enga anie isika hampirisika ny rehetra hampiasa fiteny madio rehefa miresaka sy mampianatra. Nampiasa teny ‘nahafinaritra’ i Jesosy, ary tokony hanome taratry ny fahamendrehan’ilay Andriamanitra hivavahantsika toy izany koa ny voambolana fidintsika. Maro ny mpitory mampiasa ilay teny hoe “fihaonana” mba hanondroana ilay fivoriana alohan’ny fanompoana. Efa zatra azy io ny sasany satria efa nampiasa azy io nandritra ny taona maro. Ny tena anaran’io fivoriana io ankehitriny anefa dia hoe Fivoriana Alohan’ny Fanompoana. Eny, hitaky ny hanitsiantsika ny fomba fitenintsika izany sy ny hieritreretantsika mialoha izay teny marina hampiasaina. Tsy isalasalana fa arakaraka ny hitomboan’ny fahazavana, dia hisy fiovana fanampiny ho hitanareo ao amin’ireo boky sy gazetintsika.
15 Noho izany fiovana izany, dia neken’ny Filan-kevi-pitantanana ny hanavaozana boky maromaro izay fampiasantsika matetika. Bokikely Fiainana eto An-tany sy Takina, fanontana nohavaozina, no any amin’ireo zavatra vita an-tsoratra ho avy manaraka. Ampirisihinay ny rehetra hampiasa ireny fitaovana vaovao tonga amin’ny fotoana ilana azy ireny.
16 Fitahiana toy inona moa no azon’ny vahoakan’i Jehovah henik’izany fahazavana ara-panahy rehetra izany! Mifanohitra tanteraka amin’ny Kristianisma Anarana izany. Nahoana? Nanazava ny lalan’ny mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena nandritra ny taona maro, ny tsela-pahazavana lehibe sy kely. Nahatanteraka ireo andinin-teny ao amin’ny Salamo 97:11 sy ny Ohabolana 4:18 izany. Kanefa aoka tsy hohadinointsika mihitsy fa midika hoe mankasitraka ny fahazavana mihamitombo sy miaina mifanaraka amin’izany, ny hoe mandeha amin’ny fahazavana. Araka ny hitantsika teo, dia tafiditra amin’izany fahazavana mihamitombo izany ny fitondran-tenantsika sy ny fanirahana antsika hitory, izay mahafaoka ny teny ampiasaintsika.
17 Enga anie àry isika rehetra hiezaka hiteny sy hanoratra ‘teny fahamarinana mahafinaritra sy mahitsy’ rehefa mivory atỳ amin’ny Efitrano Fanjakana, rehefa mitory eny amin’ny saha sy mitarika fampianarana Baiboly ary mianatra manokana ny tenin’i Jehovah.—Mpitoriteny 12:10.