Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
Famerenana tsy misy fijerena boky, miorina amin’ireo fanazavana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana natao nanomboka ny herinandron’ny 7 May ka hatramin’ ny 20 Aogositra 2001. Mampiasà taratasy mitokana hanoratana ny valiny, ary mamalia fanontaniana betsaka araka izay azo atao mandritra ny fotoana omena hanaovana izany.
[Fanamarihana: Ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ny fanontaniana rehetra, mandritra ny famerenana an-tsoratra. Natao hanaovanao fikarohana ireo boky sy gazety voalaza eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hisy nomeraon’ny pejy sy fehintsoratra Ny Tilikambo Fiambenana voalaza ao.]
Valio hoe Marina na Diso ireto fanambarana ireto:
1. Natao noho ny famoizam-po sy vonjy tavan’andro ny vavaka resahina ao amin’ny Nehemia 2:4. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/5/86 p. 25 feh. 8.]
2. Ny teny hoe ‘fiangonana’ dia nadika avy amin’ilay teny grika hoe ek·kle·siʹa, izay mahatafiditra ny hevitra momba ny firaisan-kina sy fifanohanana. [wMG 15/5/99 p. 25 feh. 4]
3. Manalavitra ireo fanao amin’ny maty mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra ny mpanompon’i Jehovah, fa tsy mandà kosa ny fanao rehetra amin’ny maty. (Jaona 19:40) [rs p. 109 feh. 3]
4. Nandritra ny fe-potoana nahaveloman’i Joba, dia izy no hany olona nahatoky teo anatrehan’i Jehovah. (Joba 1:8) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/8/92 p. 31 feh. 3-4.]
5. Koa satria nanao lay no asa fiveloman’i Saoly, na Paoly, izany dia mampiseho fa avy tamin’ny fianakaviana ambany izy. (Asa. 18:2, 3) [wMG 15/5/99 p. 30 feh. 2–p. 31 feh. 1]
6. Na dia nanao fahotana lehibe aza i Davida, dia afaka niteny i Jehovah hoe “nanaraka Ahy tamin’ny fony rehetra” izy, noho ny fibebahany sy ny hatsaran-toetrany. (1 Mpanj. 14:8) [wMG 15/6/99 p. 11 feh. 4]
7. Raha mbola tsy mifanohitra amin’ny Soratra Masina ny zavatra nampanantenaintsika, dia tokony hanao izay rehetra azontsika atao isika mba hanatanterahana izany, na dia hitantsika aza atỳ aoriana fa sarotra izany. (Sal. 15:4) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/12/89 p. 28 feh. 5.]
8. Asehon’ny Salamo 22:1 fa namoy ny finoany vetivety i Davida tao anatin’ny fanerena. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/11/86 p. 20 feh. 19.]
9. Mety ho “lavo” noho ny fahakiviana, ny fahadisoam-panantenana, ny faharesena ara-pitsarana na ara-bola ny Kristianina iray, nefa tsy ‘hikarapoka’ tanteraka ara-panahy izy, noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra sy ireo mpivavaka aminy be fitiavana. (Sal. 37:23, 24) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/2/87 p. 30 feh. 14.]
10. Mampianatra ny Genesisy toko voalohany fa namorona ny zava-drehetra teto an-tany tao anatin’ny enina andro nisy 24 ora avy Andriamanitra. [rs p. 101 feh. 3]
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
11. ‘Nanazava tsara ny hevitry’ ny Lalàna i Ezra sy ny mpanampy azy. Ahoana no nanaovany izany? (Neh. 8:8) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/5/86 p. 26 feh. 5.]
12. Vokatry ny inona “ny fifaliana avy amin’i Jehovah”? (Neh. 8:10) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo 15/5/86 p. 26 feh. 10.]
13. Nahoana no nisaorana ireo “nanolo-tena honina any Jerosalema”? (Neh. 11:2) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/5/86 p. 26 feh. 13.]
14. Nahoana no niandry i Estera mba hiresahana tamin’ny mpanjaka izay tena tiany hatao? (Estera 5:6-8) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/6/86 p. 24 feh. 18.]
15. Inona avy ireo fanontaniana lehibe roa voavaly ao amin’ny bokin’i Joba? [si p. 95 feh. 1]
16. Nahoana ny torohevitr’i Elifaza no nanakivy an’i Joba fa tsy nampahery azy? (Joba 21:34; 22:2, 3) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/2/95 p. 27 feh. 5-6.]
17. Inona no atao hoe salamo? [si p. 101 feh. 2]
18. Inona ny “anoano foana” ‘sainin’ireo’ firenena, araka ny Salamo 2:1? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/11/86 p. 20 feh. 5.]
19. Inona no lesona momba ny tsy fizahan-tavan’olona azontsika raisina avy amin’ny fitorian’i Filipo tamin’ny Samaritanina sy ilay tandapa etiopianina? (Asan’ny Apostoly 8:6-13, 26-39) [wMG 15/7/99 p. 25 feh. 2]
20. Inona no fanoharana nataon’i Joba mba hampisehoany ny fiekeny ny fahaizan’Andriamanitra manangana azy avy ao am-pasana, izay noheveriny ho fialofana amin’ny zava-manahirana azy? (Joba 14:7, 13-15) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/5/00 p. 27–p. 28 feh. 1.]
Fenoy ny banga amin’ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
21. Milaza ny Estera 8:17 fa “tonga Jiosy” ny olona; toy izany koa amin’izao andro izao, fa miandany amin’ny __________________________ ny “__________________________” anisan’ny “ondry hafa” __________________________. (Apok. 7:9; Jaona 10:16; Zak. 8:23) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/6/86 p. 25 feh. 14.]
22. Na dia tena mihevitra ho zava-dehibe ny __________________________ aza i Jehovah, araka ny ambaran’ny Asan’ny Apostoly 1:7, dia ho avy toy ny __________________________ ny andro fampamoahany, amin’ny fotoana tsy anampoizan’ny olona azy iny indrindra. (2 Pet. 3:10) [wMG 1/6/99 p. 5 feh. 1-2]
23. Ampiasaina amin’ny __________________________ ny teny hoe “lanitra” sy “tany”, ao amin’ny 2 Petera 3:7, 10; manondro ny __________________________ ny hoe “tany”, araka ny teny manodidina. [rs p. 385 feh. 2-4]
24. Ny fatokisana sy ny fitokisana ary ny fifankahazoan-kevitra no mahatonga ny fifampiresahana mahasoa hisy. Hita ireo toetra tsara ireo rehefa heverina ho fifandraisana __________________________ ny fanambadiana, ary rehefa misy marina ny __________________________ hanao izay hahombiazan’izy io. [wMG 15/7/99 p. 21 feh. 3]
25. Mety hanampy antsika __________________________ ireo zavatra takina eo amin’ny lafiny ara-pitondran-tena sy ara-panahy, ny fitaomana tsara avy amin’ny hafa, ka noho izany dia manampy antsika hanompo an’i Jehovah amin’ny __________________________. [wMG 1/8/99 p. 24 feh. 3]
Fanteno ireo valin-teny marina ao amin’ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
26. Ny hoe “nipetraka teo am-bavahadin’ny mpanjaka” i Mordekay dia milaza fa (mpiambina ny mpanjaka; mpanao raharahan’i Ahasoerosy mpanjaka; niandry fihaonana tamin’ny mpanjaka) izy. (Estera 2:19, 20) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/6/86 p. 24 feh. 9.]
27. Araka ny Joba 19:25-27, dia nino i Joba fa “hahita an’Andriamanitra” tamin’ny heviny hoe (hahazo fahitana; hatsangana amin’ny maty ho any an-danitra; hosokafana ny mason’ny fahatakarany hevi-javatra mba hahita ny fahamarinana mikasika an’i Jehovah). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/11/94 p. 19 feh. 17.]
28. Ny tena tadidy indrindra momba an’i Joba dia ny (fitiavany; ny hatsaram-panahiny; ny fiaretany) . (Jak. 5:11) [si p. 100 feh. 41]
29. Nosoratana nandritra ny (telonjato; dimanjato; arivo) taona teo ho eo ny bokin’ny Salamo. [si p. 101 feh. 4]
30. I (Davida; Asafa; Ezra) no voaporofo fa farany nanambatra ny bokin’ny Salamo. [si p. 102 feh. 6]
Ampifanandrifio amin’ireo fanambarana voatanisa eto ambany ireto andinin-teny manaraka ireto:
Neh. 3:5; Sal. 12:2; 19:7; 2 Tim. 3:16, 17; Jak. 5:14-16
31. Tokony ho vonona handany hery isika fa tsy hiavonavona ka hihevitra fa mampietry antsika ny fanaovana asa mafy. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/5/86 p. 25 feh. 12, 19.]
32. Tokony hiaiky ny fahotany amin’ny anti-panahy ny Kristianina iray latsaka tamin’ny fanaovan-dratsy lehibe. [rs p. 228 feh. 3]
33. Nampiasa nofy Andriamanitra mba hanomezana fampitandremana sy toromarika ary faminaniana ho an’ny vahoakany fahiny; ankehitriny kosa izy dia manome ny Teniny ara-tsindrimandry, mba hahazoantsika famonjena. [rs p. 342 feh. 5]
34. Raha te ho sakaizan’Andriamanitra isika, dia tsy maintsy ho marina tanteraka, tsy hihatsaravelatsihy. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/12/89 p. 27 feh. 1.]
35. Mamelombelona ny fanahin’ny olona iray ary manatsara ny fahasalamany ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/10/00 p. 13 feh. 4.]