Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 9 Jolay
8 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.
17 min: Tatitra Momba ny Fanompoana Martsa. Lahateny sy fanadinadinana ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Asongadino ny tatitra momba ny fanompoana Martsa, nanerana ny nosy sy tao amin’ny kongregasiona. Manadinadìna mpitory samihafa nanao ezaka fanampiny tamin’ny fanompoana tamin’io volana io. Asao izy ireo hilaza ny fifaliany noho ny fandraisany anjara feno sy izay ataony mba ho be hatao foana eo amin’ny fanompoana.—Jereo ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Martsa 2001, fehintsoratra 28-30.
20 min: “Afaka Manompo any Amin’izay Ilana Fanampiana Kokoa ve Ianao?”a Mampidira fitantarana mampahery hitan’ny mpitory teo an-toerana tany amin’ny faritany mitokana na tsy voasa matetika.—Jereo ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 112-113 sy ny taratasy tamin’ny 15 Janoary 2001.
Herinandron’ny 16 Jolay
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
15 min: Ry Tanora—Hevero Izay Mety Hotakin’ny Asa Hataonareo. Raim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy na ny zanany vavy zatovo manatona ny anti-panahy iray izay mahita zavatra maro azo ampiharina eo amin’ny asa fivelomana. Rehefa avy nosaintsainin’ilay zatovo ilay anjara momba ny fifidianana asa, tamin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana, tamin’ny tapa-bolana lasa, dia mieritreritra lalina ny hanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra izy, nefa tsy mahazo antoka ny amin’izay hahazoany izay ilainy ara-nofo. Antitranterin’ilay anti-panahy ny ilana fahaiza-mandanjalanja. (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1999, pejy 11, fehintsoratra 13) Fahendrena ny manao karazana fiofanana mba hahafahana hamelon-tena. Maro no nahita vokatra tsara, rehefa nianatra fahaiza-manao zavatra fototra izay tsy nitaky afa-tsy fotoana sy vola faran’izay kely. (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 1996, pejy 14; Manontany ny Tanora, pejy 178) Iarahan’izy ireo mandinika ny Mifohaza! 8 Martsa 1996, pejy 9-11, sy ny fanoloran-kevitra sasany azo ampiharina mba hahitana sy hamoronana asa fivelomana mety.
20 min: Ny Vavolombelon’i Jehovah—Iza moa Izy Ireo? Inona no Inoany? Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika sy fampisehoana. Fakafakao io bokikely io ary resaho ny fomba azo ampiasana azy mba hampahafantarana ny hafa ny momba antsika sy ny asantsika. Izy io dia mampahafantatra hoe iza isika (pejy 3-5), manasongadina ny sasany amin’ny tantarantsika sy ny asantsika amin’izao andro izao (pejy 6-11), mitanisa ireo zavatra inoana mampiavaka antsika amin’ny fivavahana hafa (pejy 12-14), manazava ny vaovao tsara torintsika sy ny fomba anaovantsika izany (pejy 15-21), mampiseho ny soa raisin’ny fiaraha-monina avy amin’ny asantsika (pejy 22-24), milaza ny asa maneran-tanin’ny fandaminana misy antsika (pejy 25-26) ary mamaly ireo fanontaniana apetraka matetika momba antsika (pejy 27-31) Manaova fampisehoana mpitory iray mampiasa ilay bokikely mba hamaliana ny iray amin’ireo fanontaniana, eo amin’ny pejy faha-29, apetraky ny tompon-trano iray liana ta hahafanta-javatra, aorian’izay dia asehon’ilay mpitory ilay fanasana ao amin’ny pejy farany. Ampirisiho ny rehetra hampiasa an’ilay bokikely mba hampahafantarana an’ireo havana tsy Vavolombelona ny momba antsika, sy hampitomboana ny fahalianana amin’ny fiverenana mitsidika, ary hitarihana ireo mpianatra Baiboly ho ao amin’ny fandaminana.
Herinandron’ny 23 Jolay
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao Farany.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
20 min: “Miomàna Hianatra ny Faminanian’i Isaia!”b Resaho vetivety fa handray soa avy amin’ny fianarana ny bokin’i Isaia isika. (Jereo ny toko 1, fehintsoratra 10-12, ao amin’ny Faminanian’i Isaia Boky I.) Ampirisiho ny rehetra hanatrika tsy tapaka ny Fianarana Boky.
Herinandron’ny 30 Jolay
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Jolay.
20 min: Ry Tanora—Mahaiza Manavaka eo Amin’ny Fandaharana Mialoha ny Fianarana Hataonareo. Anti-panahy iray miresaka amin’ny ray aman-dreny sasany sy ny zanany zatovo momba ny fianarana fanampiny. Mitarika ny fandinihana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1999, pejy 16-17, fehintsoratra 11-13, ilay anti-panahy, ka manantitrantitra ny antony tokony hanaovana eo amin’ny toerana voalohany ny fanompoana manontolo andro. (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1996, pejy 18-19, fehintsoratra 13-15) Miara-midinika ilay torohevitra ao amin’ny Mifohaza! 8 Martsa 1998, pejy 21-22 izy rehetra avy eo, ka manantitrantitra ny ilana fahaiza-manavaka rehefa manombana ny lafy tsara sy ny lafy ratsin’ny fianarana fanampiny, sy mametra azy io ho amin’izay ilaina ihany mba hameloman-tena eo am-panaovana amin-jotom-po ny fanompoana. Manaiky ny rehetra fa tokony hotarihin’ny fananaran’i Jesosy mba hametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana ho eo amin’ny toerana voalohany izy ireo.—Matio 6:33.
15 min: “Nahoana no Mamboly Hatsaran-toetra?” Miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 2001 pejy 3-7. Ataon’ny anti-panahy mahay iray, izay hampifanaraka ilay lahateny amin’ny zavatra ilain’ny kongregasiona.
Herinandron’ny 6 Aogositra
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
10 min: “Fandaharana Vaovaon’ny Fivoriambe Manokana Iray Andro”. Lahateny. Lazao ny datin’ny fivoriambe manokana. Tokony hanao ezaka manokana ny rehetra mba hanasa ny mpianatra Baiboly. Ampirisiho ny mpitory tsy vita batisa mba hieritreritra lalina momba ny hampisehoany ampahibemaso ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah, amin’ny fivoriambe manaraka. Ampirisiho ny rehetra mba hanatrika ny fotoam-pivoriana rehetra.
15 min: “Aza Misalasala!”c Raha mamela ny fotoana, dia milazà fitantarana avy amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 1999, pejy 25.
15 min: “Fieken-keloka Nahasitrana”. Miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 2001, pejy 28-31. Lahateny ataon’ny anti-panahy iray.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.