Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 12 Febroary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Vaovao Teokratika.
15 min: “Manomeza Voninahitra An’i Jehovah Amin’ny Asa Tsara”.a Mampidira fanazavana avy ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1994, pejy 20, fehintsoratra 15-17.
20 min: “Ny Fomba Handresen-dahatra ny Hafa”. Fiaraha-midinika ataon’ny mpitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona iray sy ny mpisava lalana iray na mpitory iray mahita vokatra, miorina amin’ilay lahatsoratra sy amin’ny hevitra voafantina avy ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 15 May 1998, pejy 21-23. Fakafakao ilay faritra voafefy eo amin’ny pejy 23 hoe “Fanohinana ny Fon’ny Mpianatrao”. Rehefa avy mifantina zavatra inoana ara-pivavahana diso fahita eo amin’ny faritany eo an-toerana, dia resaho ny fomba hampiekena ny olona ny amin’izay lazain’ny Baiboly momba io foto-kevitra io.
Herinandron’ny 19 Febroary
8 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
22 min: “Ampahafantaro ny Anaran’i Jehovah sy ny Asany”.b Loholona iray mandinika ireo fandaharana manokana atao eo an-toerana mba hampitomboana ny asa amin’ny Martsa sy Aprily, anisan’izany ny fiezahana hampirisika olona maro araka izay azo atao mba hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Manasà mpitory sasany izay nanao ny asan’ny mpisava lalana tamin’ny Aprily lasa teo, hitantara ny fahafaham-po hitany tamin’ny fanaovana izany. Mifantoha amin’ny fanampiana ny mpitory tsy mitory intsony izay mahafeno fepetra mba hiaraka amintsika indray eny amin’ny fanompoana, sy amin’ny fanampiana ny ankizy sy ny mpianatra Baiboly hafa mba hahafeno fepetra ho mpitory tsy vita batisa. — Jereo ny Valin’ny Fanontanianareo ao amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 2000.
Herinandron’ny 26 Febroary
8 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana tamin’ny Febroary.
15 min: Fanoloran-kevitra Momba ny Fomba Fampiseho ny Boky Fahalalana. Ao an-tsainao ve izay holazaina mba hanolorana ny boky Fahalalana amin’ny Martsa? Misy fanoloran-kevitra momba ny fitoriana azonao jerena ao amin’ny pejy farany amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana taloha. Maro aminy koa no manolotra hevitra hanaovana fiverenana mitsidika. Mandiniha roa na telo amin’ireny fomba fampiseho anoloran-kevitra ireny. (Desambra 1995; Martsa, Jona, Novambra 1996; Jona 1997; Martsa 1998). Anaovy fampisehoana ireo fanoloran-kevitra roa ao amin’Ny Fanompoantsika Novambra 1996, mba hampiasana tari-dresaka mivantana hanombohana fianarana Baiboly. Ampirisiho ny tsirairay hanao ezaka manokana mba hanomboka fampianarana vaovao.
22 min: “Sambatra ny Mpankatò ny Teny”.c Asehoy hoe inona no mampitombo ny fifaliantsika eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, araka ny voasoritra ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 1995, pejy 16-18, fehintsoratra 4-7.
Herinandron’ny 5 Martsa
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
20 min: “Manome Hery i Jehovah”.d Asao hanazava ny fomba hampiharana ireo andinin-teny ny mpanatrika.
20 min: “Fianarana Ilay Lalana Tsara Indrindra, dia ny Fitiavana”. Lahateny miorina amin’Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1999, pejy 8-11. Ampiharo amin’ny kongregasiona ilay izy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
d Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.