FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/00 p. 2-3
  • Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 12 Jona
  • Herinandron’ny 19 Jona
  • Herinandron’ny 26 Jona
  • Herinandron’ny 3 Jolay
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
km 6/00 p. 2-3

Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana

Herinandron’ny 12 Jona

Hira 136, Hira 209

8 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.

15 min: “Tsy Very Maina ny Asa Mafy Ataonareo”. Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary araho fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Resaho ilay fitantarana ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 1996, pejy 32.

22 min: Fanombohana Fampianarana Amin’ny Bokikely Takina. Lahateny, andinihana indray ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy faha-3 amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 1999. Anaovy fampisehoana ilay fomba fampiseho anoloran-kevitra eo amin’ny fehintsoratra faha-6. Mangataha mpitory iray na roa hitantara vetivety ny fahombiazana hitany tamin’ny fanombohana fampianarana, ka hilaza ny fomba nampidirany voalohany ilay fampianarana sy izay nataony mba hitohizan’ilay izy isan-kerinandro.

Herinandron’ny 19 Jona

Hira 14, Hira 89

12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty sy fampandrenesana momba ny fahavitan’ny fanamarinana ny kaonty fanao isan-telo volana. Raha manana boky Manontany ny Tanora na Fahatanorana ao amin’ny tahiriny ny kongregasiona, dia anaovy fampisehoana ny fomba azo ampiasana azy ireo tsara eny amin’ny fanompoana mandritra ireo volana ho avy, izay hahitantsika zatovo betsaka kokoa ao an-trano.

8 min: Valin’ny Fanontanianareo. Lahateny ataon’ny loholona iray.

25 min: “Hataoko Ahoana no Fahay, Raha Tsy Misy Mampianatra Ahy?” Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny, tarihin’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Asaivo vakina amin’ny feo avo ny fehintsoratra tsirairay, ary vakio ireo andinin-teny eo amin’ny fehintsoratra 3 sy 4 ary 7. Eo am-pandinihana ny fehintsoratra faha-6, dia hazavao ny anjara asan’ny mpiandraikitra ny fanompoana mba hamaritana raha tokony hampianarina indray ny olona vita batisa iray, na tsia. — Jereo ny Valin’ireo Fanontanianareo, ao amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 1998.

Herinandron’ny 26 Jona

Hira 39, Hira 44

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana nataony tamin’ny Jona. Resaho ny zavatra hatolotra amin’ny Jolay. Asehoy ireo bokikely misy eo an-toerana, ary miresaha vetivety momba ny zava-kendren’ny tsirairay avy aminy. Manaova fampisehoana iray voaomana tsara momba ny fanolorana ny iray aminy eny amin’ny fanompoana.

17 min: “Aoka Ianareo Halala-tanana sy ho Vonona ny Hizara”. Fanontaniana sy valiny. Ampidiro ireo antony efatra eo ambanin’ny hoe “Ny antony anomezantsika”, soritana ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1996, pejy 29-30.

18 min: Fantaro Izay Tokony Havalinao. (Kol. 4:6). Lahateny misy fandraisan’ny mpanatrika anjara. Inona no ataonao, rehefa mahita olona mandroso hevitra iray tsy araka ny Soratra Masina ianao? Matetika ny boky Fanjohian-kevitra no manampy antsika, amin’ny fanolorana hevitra azo ampiharina momba ny fomba famaly amim-pahaiza-mandanjalanja. Ohatra, na dia mihevitra aza isika fa fahavalo izay horesena amin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Kristy ny fahafatesana, dia misy kosa miaiky mafy fa tsy hisy na inona na inona hanafoana azy io, ka mino ilay hevi-dison’ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao mihitsy aza. Resaho ireo valin-teny atolotra ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, eo ambanin’ny hoe “Raha Misy Milaza Aminao Hoe” eo amin’ny pejy 110-111 sy 224. Ampirisiho ny rehetra mba hitondra io boky io eny amin’ny fanompoana.

Herinandron’ny 3 Jolay

Hira 213, Hira 51

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Mangataha mpitory hitantara ny fomba nanombohany fampianarana tamin’ny bokikely Takina.

15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.

20 min: Manatanjaka ny Fiainam-pianakaviana ny Fampiharana Ireo Foto-pitsipiky ny Baiboly. Fiaraha-midinika ataon’ny rahalahy roa, miorina amin’ireo hevitra valo resahina eo amin’ny pejy 164-165 amin’ny boky Fanjohian-kevitra. Hazavao fa zava-dehibe ny hanampiana an’ireo mpianatra ny Baiboly hahafantatra fa ny fanalahidin’ny fahasambaram-pianakaviana dia miankina amin’ny fahatakarana sy ny fampiharana ireo foto-pitsipika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ampiasao ny lesona faha-8 ao amin’ny bokikely Takina, mba hanaovana fampisehoana momba ny fomba azo anaovana izany. Mifanatona kokoa ireo mpianakavy manaiky ny torohevitry ny Baiboly, ary mitombo ny fifaliany noho izany fatoram-pitiavana sy firaisan-tsaina izany. Resaho ilay fitantarana eo amin’ny fehintsoratra 1, 21-22, ao amin’ny toko faha-13 amin’ny boky Fahasambaram-pianakaviana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara