Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Aprily sy May: Gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Manàna bokikely Takina, mba homena ny olona liana, ary miezaha hanomboka fampianarana Baiboly. Jona: Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Ny hanomboka fampianarana Baiboly no ifantohy. Jolay sy Aogositra: Na iza na iza amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?
◼ Manomboka amin’ny Jona, ny karatry ny fivoriamben’ny distrika 2000, amin’ny teny malagasy, dia hampiarahinay avy hatrany amin’ny zavatra vita an-tsoratra halefa hafa. Tsy hilaina ny manafatra azy ireo. Halefa 25 isaky ny fonosana iray ireo karatry ny fivoriambe, arakaraka ny haben’ny kongregasiona tsirairay. Raha mila karatra fanampiny ny kongregasiona, dia tokony hanafatra azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-14). Ny kongregasiona rehetra maniry hahazo fitoerana karatra dia mila manao fanafarana.
◼ Ny Fikambanana dia manana volumes reliés amin’Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny taona 1986, sy amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny taona 1992 sy 1993. Izay Kongregasiona maniry hahazo ireo zavatra vita an-tsoratra ireo dia afaka manao fanafarana azy ireo dieny izao, amin’ny alalan’ny mpikarakara ny bokin’ny kongregasiona.
◼ Fitsinjarana ireo Fivoriamben’ny Distrika 2000
28-30 Jolay 2000: Antananarivo frantsay (Efitrano eny Gileada) Fizaran-tany 7; 4-6 Aogositra 2000: Antananarivo I (Efitrano eny Gileada) Fizaran-tany 11 sy 6 A; 11-13 Aogositra 2000: Antananarivo II (Efitrano eny Gileada) Fizaran-tany 2 sy Andriba ary 12 E (Maintirano, Antsalova); 18-20 Aogositra 2000: Antananarivo III (Efitrano eny Gileada) Fizaran-tany 6 B sy 13; 25-27 Aogositra 2000: Antananarivo IV (Efitrano eny Gileada) Fizaran-tany 14 sy 10 A (Ambatondrazaka, Angoja, Amparafaravola, Tanambe, Morarano-Chrome, Vohidiala, Andriamena-Brieville); 4-6 Aogositra 2000: Antsirabe Fizaran-tany 5 sy 12 A, 12 B, 12 D ary Marolambo sy Androrangavola; 11-13 Aogositra 2000: Fianarantsoa Fizaran-tany 9 sy 15 A, 15 B, 15 D ary Ihosy; 18-20 Aogositra 2000: Antsiranana Fizaran-tany 1 A, 1 B; 25-27 Aogositra 2000: Antalaha Fizaran-tany 1 D, 1 E, 1 F, 1 G; 25-27 Aogositra 2000: Mahajanga Fizaran-tany 8 (tsy anisany Andriba); 25-27 Aogositra 2000: Toliara Fizaran-tany 3 A, 3 B, 3 E; 1-3 Septambra 2000: Toamasina Fizaran-tany 4 sy 10 B ary Andilamena, Imerimandroso; 1-3 Septambra 2000: Tolagnaro Fizaran-tany 15 E (tsy anisany Ihosy), 15 F ary 3 F.
N.B. Raha misy antony tsy ahafahanao manatrika ny fivoriambe izay tokony hatrehin’ny kongregasiona misy anao, dia azonao atao ny manoratra amin’ireo rahalahy any amin’ny toerana izay fidinao.