Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
Famerenana tsy misy fijerena boky, miorina amin’ireo hevitra voadinika tamin’ireo anjara natao tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika nanomboka ny herinandron’ny 3 Janoary ka hatramin’ny 17 Aprily 2000. Mampiasà taratasy hafa hanoratana ny valiny ho an’ny fanontaniana betsaka araka izay azo atao ao anatin’ny fotoana omena hanaovana izany.
[Fanamarihana: Mandritra ny famerenana an-tsoratra, dia ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana rehetra. Natao ho an’ny fikarohanao manokana ny fanondroam-pejy eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hiseho miaraka amin’ny fanondroana rehetra momba Ny Tilikambo Fiambenana ny nomeraon’ny pejy sy ny fehintsoratra.]
Valio hoe Marina na Diso ireto fanambarana manaraka ireto:
1. Tsy maintsy miandry isika indraindray mba handraisana ireo fitahian’i Jehovah, satria izy mahafantatra ny toe-javatra misy antsika ary manome ny zavatra tsirairay ilaintsika amin’ny fotoana handraisantsika soa be indrindra avy amin’izany. (Sal. 145:16; Jak. 1:17). [wMG 1/1/98 p. 23 feh. 6]
2. Ny fisian’ny fiaran’ny fanekena teo amin’ny Isiraelita fotsiny dia tsy niantoka ny fahombiazan’izy ireo. Ny fitahian’i Jehovah dia niankina tamin’ny toe-piainana ara-panahy sy ny fankatoavana tamim-pahatokian’ireo nanana ilay fiara. (Josoa, toko faha-7). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo it-1-F p. 160 feh. 3.]
3. Ankehitriny isika dia mivelona ara-panahy amin’ny famakiana fotsiny ireo fanambarana nataon’i Jehovah. (Deot. 8:3). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/9/85 p. 17 feh. 15, 17.]
4. Asongadin’ilay foto-pitsipika ao amin’ny Lalàn’i Mosesy hita ao amin’ny Deoteronomia 23:21, fa tsy fanehoam-pitiavana avy amin’ny Kristianina iray ny mangataka zanabola rehefa mampisambo-bola. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo it-1-F p. 1200 feh. 7-8; it-2-F p. 653 feh. 8; wMG 15/1/87 p. 12 feh. 9.]
5. Ny tatitra nahabe fanantenana nataon’i Josoa sy i Kaleba dia niorina tamin’ny finoan’izy ireo mafy ny tanjaka sy ny fahatapahan-kevitry ny Isiraelita handresy izay mety ho vato misakana, mba hahazoana ny Tany Nampanantenaina. (Nom. 13:30). [wMG 1/2/98 p. 5 feh. 4]
6. Rehefa niresaka ny amin’ny “fanomezam-pahasoavana” i Paoly ao amin’ny 1 Timoty, dia nampahatsiahy an’i Timoty ny nanosorana azy tamin’ny fanahy masina sy ny valisoa niandry azy tany an-danitra. (1 Tim. 4:14). [wMG 15/2/98 p. 25 feh. 1]
7. Ny bokin’i Josoa dia tsy manome fifampitohizana tena lehibe ao amin’ilay firaketana an-tsoratra mitarika ho amin’ilay Taranaka handova ilay Fanjakana. [si p. 46 feh. 24]
8. Ny bokin’ny Mpitsara dia firaketana an-tsoratra ny amin’ireo lehilahy nofantenana sy notendren’ny Isiraely hanapaka ilay firenena, alohan’ny fe-potoana hitondran’ny mpanjaka. [si p. 46 feh. 2]
9. Ny fangatahan’i Gideona, araka ny hita ao amin’ny Mpitsara 6:37-39, dia mampiseho fa diso malina loatra sy fatra-piahiahy izy. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/7/88 p. 30 feh. 6.]
10. Rehefa nanome toromarika ny mpianany i Jesosy mba ‘tsy hamihina na iza na iza rehefa miarahaba olona eny an-dalana’, dia nanantitrantitra ny maha maika ny asa fitoriana izy, sy ny ilana hifantohana tanteraka amin’io asa anirahana faran’izay lehibe io. (Lioka 10:4, NW ). [wMG 1/3/98 p. 30 feh. 5]
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
11. Nahoana no zava-dehibe ny tokony haha ao am-pon’ny ray aman-dreny ireo tenin’i Jehovah? (Deot. 6:5, 6). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/6/98 p. 20 feh. 4.]
12. Ahoana no ahafahan’ny loham-pianakaviana iray mampihatra ilay foto-pitsipika asehon’ny Deoteronomia 11:18, 19? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo fy p. 70 feh 14.]
13. Inona ao amin’ny Soratra Masina no manondro mazava fa efa niaraka tamin’ny apostoly Paoly nandritra ny fotoana kelikely i Onesimosy, andevo nandositra, talohan’ny nanoratan’i Paoly ho an’i Filemona? [wMG 15/1/98 p. 30 feh. 2]
14. Rehefa mahita tsy rariny isika na ny tenantsika mihitsy no entina tsy ara-drariny, inona no azontsika atao mba tsy hahakivy antsika na hahatonga antsika hijery ny lafy ratsin-javatra? [wMG 1/2/98 p. 6 feh. 2-3]
15. Tamin’ny ahoana i Josoa sy i Gideona no nampiseho fanajana fatratra ny lalàn’Andriamanitra? (Deot. 20:8, 15-18). [si p. 41 feh. 32]
16. Amin’ny ahoana ireo fisehoan-javatra voatantara ao amin’ny Josoa 10:10-14 no hitovy amin’izay azo ampoizina ao amin’i Haramagedona? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/3/87 p. 23 feh. 12–p. 24 feh. 14.]
17. Milazà soa telo entin’ny teny fiderana amim-pahatsorana noho ny fitondran-tena mendrika. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 15:23.) [wMG 1/2/98 p. 31 feh. 5-6]
18. Mifanaraka amin’ny Josoa 20:4, amin’ny heviny ahoana no andosirana any amin’ny tanàna fandosirana nasehon’ny tandindona? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/3/87 p. 24 feh. 16.]
19. Ahoana no ampisehoan’ny Mpitsara 5:31 fa misy heviny lehibe ho an’izao androntsika izao ny fandresena azon’i Baraka Mpitsara teo amin’ireo tafika mahery kokoa notarihin’i Sisera, teo amin’ny ony Kisona? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/5/86 p. 21 feh. 4.]
20. Ahoana no ahafahantsika mampiseho fiheverana ilay foto-pitsipika fonosin’ny fitenenana hoe “samy nijanona teo amin’ny fitoerany avy (...) izy”, araka izay voasoratra ao amin’ny Mpitsara 7:21? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/12/82 p. 30 feh. 17.]
Omeo ny teny na ny fitambaran-teny ilaina mba hamenoana ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
21. Mba hahatsapantsika ny fitahian’i Jehovah amin’ny fomba feno kokoa, dia tsy maintsy manohy ․․․․․․․․ isika ary mangataka amin’i Jehovah mba hanampy antsika ․․․․․․․․ ireo fampianarana ao amin’ny Teniny ara-tsindrimandry. (1 Tim. 4:8, 9). [wMG 1/1/98 p. 24 feh. 6]
22. Tsy mampifaly aoka izany an’i Jehovah ny fandokafana, satria izy io atosiky ny ․․․․․․․․, sady tsy atao ․․․․․․․․ no tsy ․․․․․․․․, ary ambonin’ny zava-drehetra, izy io dia ․․․․․․․․. [wMG 1/2/98 p. 30 feh. 2-3]
23. Ny anarana hoe Josoa dia midika hoe “․․․․․․․․”, ary izy io dia tandindona ara-paminaniana mampiseho an’i ․․․․․․․․. [si p. 42 feh. 5]
24. Mifanaraka amin’ilay fanoharan’i Jesosy ao amin’ny Matio 7:24-27, dia afaka manampy ny zanany hahatohitra ireo fanerena toy ny rivo-doza ireo ray aman-dreny malina, amin’ny fanomezana azy ireo ․․․․․․․․, izay hanampy azy ireo ․․․․․․․․ hatrany. [wMG 15/2/98 p. 9 feh. 1]
25. Ny firaketana ara-tantara ao amin’ny bokin’ny Mpitsara dia mahafaoka ny fe-potoana ankapobe nanomboka teo amin’ny nahafatesan’i ․․․․․․․․ ka hatramin’ny andron’i ․․․․․․․․, izany hoe tokony ho ․․․․․․․․ taona. [si p. 47 feh. 5]
Fanteno izay valin-teny marina ao amin’ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
26. Ny fandraisana fepetra mahakasika ny fitantanana ny fananan’ny tena raha misy fahafatesana dia (raharahan’ny kôngregasiôna; raharahan’ny tena manokana; fepetra takina amin’ny Kristianina marina). (Gal. 6:5). [wMG 15/1/98 p. 19 feh. 6]
27. Nampirisika an’i Filemona mba handray amin-katsaram-panahy an’i (Onama; Onesiforosy; Onesimosy) i Paoly, fa tsy nampiasa ny fahefana tamin’ny naha apostoly azy mba handidiana azy hanao izany, na hanafaka ilay andevony. (Filem. 21). [wMG 15/1/98 p. 31 feh. 1]
28. Kileman-toetra tena lehibe iray voalaza tsy mivantana ao amin’ny fitantarana momba ireo boka nositranin’i Jesosy ny (tsy fahampiam-pinoany; tsy fankatoavany; tsy fahaizany mankasitraka). (Lioka 17:11-19). [wMG 15/2/98 p. 5 feh. 1]
29. Koa satria nankasitrahan’Andriamanitra ny nataon’i Rahaba, ny teniny tamin’ireo lehilahy tao Jeriko izay nanenjika ireo mpisafo tany isiraelita dia mampiseho fa (fanapahan-kevitra manokana ny handainga na tsia; tsy voatery hanome fanazavana marina amin’ny olona tsy manana zo hahafantatra izany ny olona iray; tsy mbola niova tamin’ireo fanaony rehetra araka an’izao tontolo izao izy). (Josoa 2:3-5; ampitahao amin’ny Romana 14:4.) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/12/93 p. 25 feh. 1.]
30. Araka ny voalaza ao amin’ny Jaona 13:5, ny ohatra nomen’i Jesosy, dia manasongadina ny (hatsaram-panahy; fahaiza-miombom-pihetseham-po amin’ny hafa; fanetren-tena), izay mahatonga ny olona iray ho vonona hanao ny asa ambany indrindra ho an’ny hafa. [wMG 15/3/98 p. 7 feh. 6]
Ampifanandrifio amin’ireo fanambarana voatanisa eto ambany ireto andinin-teny manaraka ireto:
Deot. 7:3, 4; 17:7; 25:11, 12; 28:3; Jer. 15:20
31. Ny fiheverana ambony ananan’ny Mpamorona ny amin’ny taovam-pananahana dia tokony hisy heriny eo amin’ny fanapahan-kevitra raisin’ny Kristianina iray ny amin’ny fomba fandrindram-piterahana mifanentana aminy. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/6/99 p. 28 feh. 1-4.]
32. Afaka matoky ny fanohanan’i Jehovah isika eo am-panatontosana ny fanirahana antsika hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. [wMG 1/3/98 p. 28 feh. 1]
33. Ny fanarahana ny fampitandreman’ny Baiboly dia mitsimbina antsika amin’ireo vokatra mampalahelo izay matetika ateraky ny firaisan’ny Kristianina iray zioga amin’ny tsy mino. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/2/90 p. 20 feh. 11.]
34. Ny fahazoana ny fitahian’Andriamanitra dia tsy miankina amin’ny toerana mety hiainantsika na hanompoantsika na amin’ny fanendrena mety ho azontsika ao amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/6/96 p. 15 feh. 15.]
35. Ny fahefana noraisin’i Paoly rehefa nanome toromarika momba ny fandroahana izy ao amin’ny toko faha-5 amin’ny 1 Korintiana, dia ny Lalàn’i Jehovah. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo si p. 213 feh. 24.]