Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 10 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Aza hadinoina ilay lahateny manokana amin’ny 16 Aprily, mitondra ny lohateny hoe “Ny Antony Ilan’ny Olombelona Avotra”. Ampirisiho ny rehetra hanaraka ny fandaharana famakiana Baiboly amin’ny Fahatsiarovana, ho amin’ny 14-19 Aprily, aseho ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro — 2000. Diniho ireo “Fampahatsiahivana Momba ny Fahatsiarovana”, eo amin’ny pejy faha-4 amin’ny takelaka fanampiny.
15 min: “Manao Zavatra ho Fankasitrahana ny Fitiavan’i Kristy ve Ianao?” Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary araho fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Mampidira hevitra avy amin’Ny Tilikambo Fiambenana 1 May 1998, pejy 16-17, fehintsoratra 12, 13. Ampirisiho ny rehetra hanao ezaka manokana mba hanasa olona ho any amin’ny Fahatsiarovana.
20 min: “Aprily — Fotoana Tokony Hahabe Zotom-po ho An’ny Asa Tsara!” Fanontaniana sy valiny. Fiaraha-midinika amin-kafanam-po ny amin’izay irintsika hotanterahina amin’ny Aprily. Ampiasao ny telo na ny efatra minitra farany mba handinihana ny hoe “Zotom-po Izay Mampirisika ny Maro”.
Herinandron’ny 17 Aprily
13 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty. Faran’ny herinandro roa sisa, dia ho tapitra ny Aprily, koa ampirisiho ny rehetra mba handray anjara amin’ny fanompoana, alohan’ny hifaranan’ny volana. Manaova fampisehoana fohy momba ny fanolorana gazety, amin’ny fampiasana ireo nomerao farany. Koa satria mety ho voatery hamaly an’ireo izay maniry ny handraisantsika anjara amin’ny fanaony amin’ny Paka, isika, dia jereo indray izay voalaza ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 205.
16 min: “Manana Fahafoizan-tena ve Ianao?” Fanontaniana sy valiny. Mila mametra ny zavatra tokony homena ny toerana voalohany isika, ka hanao ho loha laharana izay tokony ho loha laharana. Ilaina ny fahasahiana hanombo-javatra sy ny fifehezan-tena mba hikirizana hanao izay hahasoa antsika ara-panahy. Hazavao izay azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Jesosy. — Jereo ny teny fampidirana ao amin’ny boky Lehilahy Niavaka: Ny nahatonga azy ho ilay niavaka indrindra sy ny soa azo avy amin’ny fianarana momba azy. Jereo koa ny toko 19, 24, 57, 62, 64 ary 89. Asehoy vetivety ihany fa nanampy ny hafa foana i Jesosy.
16 min: Mametraha Gazety any Amin’izay Hitondran’izy Ireo Soa Be Indrindra. Lahateny misy fandraisan’ny mpanatrika anjara. Jereo indray ny fanoloran-kevitra ao amin’ny Mifohaza! Aprily-Jona 1995, pejy 29-31. Hazavao ny antony maha tsara ny hitadiavana ireo olona izay azo inoana fa hamaky ireo lahatsoratra manokana miseho ao amin’ireo gazety. Mandiniha ohatra avy tao amin’ny nomerao tamin’ny lasa, sy ireo karazan’olona, mpiasa, na fikambanana, teo amin’ny faritany teo an-toerana, izay nety ho voasarik’ireny lahatsoratra ireny. Asao ny mpanatrika hilaza fitantarana izay mampiseho ny vokatra tsara azony, tamin’ny fampiasana io fomba fiasa io.
Herinandron’ny 24 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Lazao ny isan’ireo nanatrika ny Fahatsiarovana tao amin’ny kongregasiona. Asao ny mpanatrika hitantara ny teny nataon’ireo izay sambany vao nanatrika.
17 min: Ampio Hanatrika Fivoriana Ireo Vaovao. Lahateny miorina amin’ny boky Fahalalana, pejy 162-163, fehintsoratra 5-8. Rehefa avy nianatra nandritra ny fotoana kelikely ireo vaovao, dia tena ilaina ny hanombohany ho tonga any amin’ny fivoriana. Sarotra ny manasa azy ireo ho tonga any. Inona no azonao atao mba handrisihana azy ireo? Ireo izay mitarika fampianarana dia tokony haka fotoana mba hiaraha-mijery amin’ny mpianany io fanazavana ao amin’ny boky Fahalalana io, ary avy eo dia hanao fandaharana voafaritra tsara mba hanampiana azy ireo hiaraka amintsika ao amin’ny fivavahana marina.
18 min: “Mpitory Ilay Fanjakana Tsy Tapaka ve Ianao?” Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, ataon’ny mpitan-tsoratra. Hazavao ny antony amerenantsika tatitra momba ny fanompoantsika teny amin’ny saha. (Jereo ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 106-108.) Asehoy ireo zava-manahirana sasany izay mitranga, rehefa tsy mamerina tatitra haingana isika. Asao ny mpanatrika hilaza izay ataony mba tsy hanadinoany ny hamerina tatitra ara-potoana. Lazao ny fanampiana azon’ny mpitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona entina. Faran’ny herinandro iray sisa, dia ho tapitra ny Aprily, koa antitrantero fa zava-dehibe ny handraisan’ny tsirairay anjara amin’ny fanompoana sy ny hamerenany tatitra amin’ny faran’ny volana.
Herinandron’ny 1 May
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny rehetra hamerina ny tatitra momba ny fanompoany tamin’ny Aprily. Ny mpitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona dia tokony hanontany ny tsirairay ao amin’ny fianarana ny bokiny, mba hahafahana hanambatra ny tatitra rehetra amin’ny 6 May. Diniho ny Valin’ireo Fanontanianareo, ka manaova fampiharana eo an-toerana.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
18 min: “Aza Hadinoina ny Miverina!” Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Diniho ireo antony mety tsy hanaovantsika fiverenana mitsidika. Hazavao ny antony maha zava-dehibe ny fandraisana an-tsoratra araka ny marina sy ny fahavononana ny hiverina. Tolory hevitra ny mpitory mba hanokana fotoana isan-kerinandro hanaovana fiverenana mitsidika. Diniho indray izay voalaza ao amin’ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 88-89. Lazao ilay fitantarana ao amin’ny Diary 1995, pejy faha-45. — 1 Kor. 3:6, 7.