FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/00 p. 3-6
  • Fitoriana ny Vaovao Tsara Amim-piekena Mafy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitoriana ny Vaovao Tsara Amim-piekena Mafy
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitenenana Amim-patokisana
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Miorena Amin’ny Fomba Feno sy Amim-piekena Mafy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Ry Ray Aman-dreny, Ataovy Izay ‘Hampahahendry ny Zanakareo ho Amin’ny Famonjena’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Ataovy Izay Haharesy Lahatra Anao hoe Nahita ny Marina Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
km 2/00 p. 3-6

Fitoriana ny Vaovao Tsara Amim-piekena Mafy

1 Teo am-piandohan’ny taonjato voalohany, dia naniraka ny mpanara-dia azy hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana sy ‘hanao mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra’ i Jesosy Kristy. (Matio 24:14; 28:19, 20, NW ). Nihevitra io toromarika io ho zava-dehibe ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tamin’ny faran’ny taonjato faha-20, dia efa nitombo be ny isan’ny mpianatra mahaforona ny fianakavian’ny mpirahalahy kristianina, satria efa maherin’ny 5 900 000 any amin’ny tany 234. Izany ka hiakam-piderana ho an’ilay Raintsika any an-danitra!

2 Efa tafiditra ao amin’ny taonjato faha-21 isika izao. Ilay Fahavalontsika dia mitady amim-pitaka hanembantsembana ny asantsika lehibe indrindra, dia ny fitoriana ilay Fanjakana sy ny fanaovana mpianatra. Mampiasa ireo fanerena avy amin’ity fandehan-javatra ity izy, mba hanelingelenana ny saintsika, sy handanilaniantsika ny fotoanantsika, ary hahalany ritra ny herintsika, noho ireo zavatra maro mampanahy sy mahaliana, nefa tsy ilaina. Tsy mamela ity fandehan-javatra ity hibaiko antsika ny amin’izay zava-dehibe eo amin’ny fiainana isika, fa manaporofo amin’ny tenantsika avy amin’ny Tenin’Andriamanitra kosa hoe inona no ambony indrindra — ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah. (Rom. 12:2). Ny dikan’izany dia hoe mankato ny fampirisihan’ny Soratra Masina ‘hitory ny teny na amin’ny vanim-potoana mora na amin’ny vanim-potoana sarotra, sy hanatanteraka ny fanompoantsika amin’ny fomba feno’. — 2 Tim. 4:2, 5, NW.

3 Mambole fiekena mafy: Mila ny ‘mitoetra marina, [sy amim-piekena mafy, NW ] amin’izay rehetra mety ho sitrapon’Andriamanitra’, ny Kristianina. (Kol. 4:12). Ny hoe ‘miaiky’ dia midika hoe ‘resy lahatra tanteraka na mino mafy’. Isika Kristianina dia tsy maintsy miaiky mafy fa azo antoka ny teny ara-paminanian’Andriamanitra, sy hoe efa lasa lavitra ao anatin’ny fotoan’ny farany isika izao. Isika dia tsy maintsy manana finoana mafy toy ny an’ny apostoly Paoly, izay nilaza fa “herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino” ny vaovao tsara. — Rom. 1:16.

4 Mampiasa olona ratsy fanahy sy mpisandoka, izay voafitaka koa, ny Devoly, mba hitaomana sy hamitahana ny hafa. (2 Tim. 3:13). Efa nampiomanina mialoha ny amin’izany isika, ka manao zavatra mba hanamafisana ny fiekentsika fa manana ny fahamarinana isika. Tsy mamela ny fanahiana eo amin’ny fiainana hampangatsiaka ny zotom-pontsika isika, fa manohy mametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany kosa. (Matio 6:33, 34). Tsy manadino ny fahamaikan’ny fotoana koa isika, na mihevitra angamba fa mbola lavitra ny faran’ity fandehan-javatra ity. Mihamanakaiky hatrany izy io. (1 Pet. 4:7). Na dia mety hihevitra aza isika fa tsy misy vokany firy ny fampielezana ny vaovao tsara any amin’ny tany sasany, rehefa heverina ny fitoriana efa natao tany, dia tsy maintsy mitohy foana ny asa fampitandremana. — Ezek. 33:7-9.

5 Izao avy àry no fanontaniana fototra amin’izao fotoana efa lasa lavitra izao: ‘Moa ve aho mihevitra ho zava-dehibe ny fanirahan’i Jesosy hanao mpianatra? Rehefa mitory ny vaovao tsara aho, moa ve aho maneho fiekena mafy fa tena misy ilay Fanjakana? Moa ve aho tapa-kevitra ny handray anjara betsaka araka izay azo atao amin’io fanompoana famonjena ain’olona io?’ Takatsika fa efa lasa lavitra ao anatin’ny fotoan’ny farany isika izao, ka tsy maintsy mitandrina ny tenantsika sy ny asa fitoriana sy fampianarana nanirahana antsika isika. Ny fanaovantsika izany dia hamonjy ny tenantsika sy ireo izay mihaino antsika. (1 Tim. 4:16). Ahoana no ahafahantsika mpitory rehetra manamafy ny fiekentsika mafy?

6 Tahafo ireo Tesalonianina: Hoy ny apostoly Paoly tamin’ireo rahalahiny tany Tesalonika, rehefa nahatsiaro ny asa mafy nataon’izy ireo: “Ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin’ny teny ihany, fa tamin’ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny [ fiekena mafy, “NW”], araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondrantenanay teo aminareo noho ny aminareo. Ary hianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin’ny fahoriana be mbamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina”. (1 Tes. 1:5, 6). Eny, nidera ny kôngregasiônan’i Tesalonika i Paoly, satria, na dia be dia be aza ny fahoriana, dia nitory tamin-jotom-po sy tamim-piekena mafy izy ireo. Inona no nanampy azy ireo hanao izany? Ilay zotom-po sy fiekena hitany teo amin’ny apostoly Paoly sy ireo mpiara-miasa taminy indrindra no nisy vokany tsara teo amin’izy ireo. Ahoana izany?

7 Ny fiainan’i Paoly sy ny an’ireo mpiara-dia taminy dia nanamarina fa nanana ny fanahin’Andriamanitra izy ireo, sady nino tamin’ny fony manontolo ny zavatra notoriny. Talohan’ny nahatongavany tao Tesalonika, dia nampijalina tsy nisy henamaso i Paoly sy i Silasy tao Filipy. Tsy notsaraina izy ireo, fa avy hatrany dia nokapohina sy nampidirina am-ponja ary nogadraina tamin’ny boloky hazo. Tsy nampangatsiaka ny zotom-pony ho an’ny vaovao tsara anefa io fisedrana io. Nanao zavatra Andriamanitra mba hanafahana azy ireo, ka izany dia nahatonga an’ilay mpiambina tranomaizina sy ny ankohonany hiova finoana, ary namela an’ireo rahalahy ireo hanohy ny fanompoany. — Asa. 16:19-34.

8 Noho ny herin’ny fanahin’Andriamanitra, dia tonga tao Tesalonika i Paoly. Tao izy dia niasa mafy mba hameloman-tena, ary avy eo dia tsy nitsitsy aina nampianatra ny fahamarinana tamin’ireo Tesalonianina. Tsy niahotra izy nanambara ny vaovao tsara isaky ny nisy fahafahana. (1 Tes. 2:9). Nisy vokany nahery aoka izany teo amin’ny olona teo an-toerana ny fitorian’i Paoly tamim-piekena mafy, hany ka namela ny fanompoan-tsampiny ny sasany taminy, ary tonga mpanompon’ilay Andriamanitra marina, dia i Jehovah. — 1 Tes. 1:8-10.

9 Tsy nisakana an’ireo mpino vaovao tsy hitory ny vaovao tsara ny fanenjehana. Natosiky ny finoany vaovao ireo Tesalonianina, no sady niaiky tanteraka fa hahazo fitahiana mandrakizay, ka voatosika hanambara ilay fahamarinana izay noraisiny tamin-kafanam-po. Nanjary narisika aoka izany ilay kôngregasiôna, hany ka niely hatrany Makedônia, ary hatrany Akaia mihitsy aza, ny vaovao momba ny finoany sy ny zotom-pony. Noho izany, rehefa nanoratra ny taratasiny voalohany ho an’ny Tesalonianina i Paoly, dia efa fantatra tsara ny asa tsaran’izy ireo. (1 Tes. 1:7). Izany ka ohatra niavaka!

10 Atosiky ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny olona: Ahoana no ahafahan’ny tenantsika mihazona fiekena mafy, sahala amin’ireo Tesalonianina, rehefa mitory ny vaovao tsara amin’izao andro izao? Hoy i Paoly momba azy ireo: “Tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin’ny finoana sy ny fikelezanareo aina [noho ny fitiavana, “NW”, f.a.p.]” izahay. (1 Tes. 1:3). Miharihary fa nanana fitiavana lalina, avy amin’ny fo, an’i Jehovah Andriamanitra sy ny olona nitoriany, izy ireo. Io fitiavana io koa no nanosika an’i Paoly sy ny namany hanome ho an’ireo Tesalonianina “tsy ny filazantsaran’Andriamanitra ihany, fa ny [ainy] koa aza”. — 1 Tes. 2:8.

11 Toy izany koa, ny fitiavantsika lalina an’i Jehovah sy ny mpiara-belona amintsika dia manosika antsika haniry handray anjara feno amin’ilay asa fitoriana nasain’Andriamanitra nataontsika. Noho io fitiavana io, dia takatsika fa andraikitry ny tenantsika manokana avy amin’Andriamanitra ny mampiely ny vaovao tsara. Amin’ny fisaintsainana tsara sy amim-pankasitrahana momba izay rehetra nataon’i Jehovah ho antsika mba hitarihana antsika ho amin’ny “tena fiainana”, dia voatosika isika hilaza amin’ny hafa ireo fahamarinana mahatalanjona izay inoan’ny tenantsika amin’ny fontsika rehetra koa. — 1 Tim. 6:19.

12 Rehefa be atao eo amin’ny asa fitoriana isika, dia tsy maintsy mihamitombo ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny olona. Ary raha mitombo izy io, dia ho voarisika isika hampitombo ny fandraisantsika anjara amin’ny fitoriana isan-trano sy ny endriny hafa rehetra amin’ny fanompoana azontsika atao. Hanararaotra ny fahafahana hitory tsy ara-potoana amin’ny havana sy ny mpiara-monina ary ny olom-pantatra isika. Na dia mety handa ny vaovao tsara atolotsika aza ny ankamaroan’ny olona, ary na dia hisy hitady hanembantsembana ny fanambarana ilay Fanjakana aza, dia hahatsapa fifaliana anaty isika. Nahoana? Satria fantatsika fa nanao araka izay fara herintsika isika, mba hitoriana momba ilay Fanjakana sy hanampiana ny olona hahazo famonjena. Ary hitahy ny ezaka ataontsika mba hahitana olona mahitsy fo i Jehovah. Na dia manototra antsika aza ireo faneren’ny fiainana, ary na dia miezaka hikiky ny fifaliantsika aza i Satana, dia afaka mihazona ny fiekentsika mafy sy ny zotom-pontsika hitory amin’ny hafa isika. Rehefa samy manao ny anjarantsika avy isika rehetra, izany dia hiteraka kôngregasiôna matanjaka sy be zotom-po, sahala amin’ilay tany Tesalonika.

13 Aza miala mihitsy, na dia ao anatin’ny fisedrana aza: Ilaina koa ny fiekena, rehefa mahita fisedrana maro samihafa isika. (1 Pet. 1:6, 7). Nataon’i Jesosy mazava tsara tamin’ny mpianany fa raha manaraka azy izy ireo, dia ho “halan’ny firenena rehetra”. (Matio 24:9). Niharan’izany i Paoly sy i Silasy tany Filipy. Milaza ny fitantarana ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-16 fa natsipy tao amin’ny tranomaizina anatiny indrindra izy ireo ary nogadraina tamin’ny boloky hazo. Mazàna ny tranomaizina lehibe indrindra no karazana tokotany na lalantsara voahodidina efitra figadrana, izay nahazo hazavana sy rivotra. Ny tranomaizina anatiny indrindra kosa anefa dia sady tsy nisy hazavana, no tsy nisy fidiran-drivotra firy. Tsy maintsy niaritra ny haizina sy ny hafanana ary ny fofona mantsina tao amin’io toeram-pigadrana nahatsiravina io i Paoly sy i Silasy. Azonao alaina sary an-tsaina ve ny fanaintainana tsy maintsy ho tsapan’izy ireo, voagadra tamin’ny boloky hazo nandritra ny ora maro, ny lamosiny nangirifiry sy nandeha ra, noho ilay fikapohana?

14 Na dia teo aza izany fisedrana izany, dia nahatoky hatrany i Paoly sy i Silasy. Naneho fiekena avy amin’ny fo izy ireo, ka izany dia nanatanjaka azy ireo hanompo an’i Jehovah, na inona na inona fitsapana. Misongadina ny fieken’izy ireo, eo amin’ny andininy faha-25 amin’ny toko faha-16, izay ilazana fa “nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra” i Paoly sy i Silasy. Raha ny marina aza, na dia tao amin’ny tranomaizina anatiny indrindra aza izy ireo, dia natoky aoka izany fa nanana ny fankasitrahan’Andriamanitra, hany ka nihira mafy be izy ireo, ka ren’ny mpigadra hafa! Tsy maintsy manana fiekena mitovy amin’izany isika ankehitriny, rehefa mandia fitsapana ny finoantsika.

15 Maro be ireo fisedrana atototry ny Devoly amintsika. Ho an’ny sasany, izany dia fanenjehana avy amin’ny fianakaviana. Maro amin’ireo rahalahintsika no miatrika zava-tsarotra avy amin’ny lalàna. Mety hahita fanoherana avy amin’ny mpivadi-pinoana ny sasany. Eo ny fanerena ara-bola sy ny fanahiana momba ny fivelomana. Ny tanora kosa miatrika ny faneren’ireo mpiara-mianatra any an-tsekoly. Ahoana no ahafahantsika mahatohitra ireo fisedrana ireo? Inona no ilaina mba hanehoana fiekena?

16 Ny zava-dehibe ilaina voalohany indrindra, dia ny mihazona fifandraisana akaiky amin’i Jehovah. Fony tao amin’ilay tranomaizina anatiny indrindra i Paoly sy i Silasy, dia tsy nampiasa izany fotoana izany hitarainana momba izay nanjo azy, na hitseran-tena. Avy hatrany izy ireo dia nitodika tany amin’Andriamanitra tamin’ny vavaka, ary nidera azy tamin’ny hira. Nahoana? Satria nanana fifandraisana akaiky tamin’ilay Rainy any an-danitra izy ireo. Takany fa noho ny fahamarinana no nijaliany, sy hoe teo am-pelatanan’i Jehovah ny famonjena azy. — Sal. 3:8.

17 Rehefa mahita fisedrana isika ankehitriny, dia tsy maintsy mitodika any amin’i Jehovah koa. Ampirisihin’i Paoly isika Kristianina mba ‘hampahafantatra ny fangatahantsika amin’Andriamanitra, ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny hevitra rehetra, dia hiaro ny fontsika sy ny herin-tsaintsika’. (Fil. 4:6, 7, NW ). Tena manome fampiononana tokoa ny mahafantatra fa tsy hamela antsika handia fisedrana samirery i Jehovah! (Isaia 41:10). Momba antsika foana izy, raha mbola manompo azy amim-piekena marina koa isika. — Sal. 46:7.

18 Ny fanampiana tena lehibe hafa iray mba hanehoana fiekena dia ny ho be hatao foana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. (1 Kor. 15:58). Natsipy tany an-tranomaizina i Paoly sy i Silasy, satria sahirana nitory ny vaovao tsara. Moa ve izy ireo nitsahatra tsy nitory, noho ireo fisedrana nahazo azy? Tsia, nanohy nitory izy, na dia tany an-tranomaizina aza, ary rehefa avy nafahana, dia nankany Tesalonika ary nandeha tany amin’ny synagogan’ny Jiosy, ka ‘nanjohy hevitra niaraka taminy avy tamin’ny Soratra Masina’. (Asa. 17:1-3, NW ). Rehefa resy lahatra tanteraka na mino mafy an’i Jehovah isika, ka miaiky fa manana ny fahamarinana, dia tsy misy na inona na inona “hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika”. — Rom. 8:35-39.

19 Ohatra maoderina ny amin’ny fananana fiekena mafy: Misy ohatra miavaka maro ny amin’ireo izay naneho fiekena mafy, sahala amin’i Paoly sy i Silasy, amin’izao androntsika izao. Ny anabavy iray tafavoaka velona avy tany amin’ny toby fitanan’i Auschwitz dia nilaza ny amin’ny finoana sy ny fiekena tsy azo nohozongozonina nasehon’ireo rahalahy sy anabavy tany. Hoy izy: “Indray mandeha, nandritra ny fakana am-bavany, dia nanatona ahy ny komandà iray, ny totohondriny nivonkina. ‘Inona àry no hataonay aminareo?’, hoy ny fibetrony. ‘Samborinay ianareo, tsy miraharaha. Alefanay any an-tranomaizina ianareo, tsy miraharaha na dia kely aza. Alefanay any amin’ny toby fitanana ianareo, tsy taitra akory. Melohinay ho faty ianareo, mitsangana eo fotsiny, tsy mihontsina. Inona ihany àry no hataonay aminareo?’ ” Tena manatanjaka ny finoana tokoa ny mahita ny finoana nananan’ireo rahalahintsika tao anatin’ireo toe-javatra sarotra dia sarotra ireo! Nitodika tsy tapaka tany amin’i Jehovah izy ireo, mba hahazoana fanampiana hiaretana.

20 Tena tadidintsika ny fiekena nasehon’ny maro tamin’ireo rahalahintsika teo anoloan’ilay fankahalana ara-poko niseho tato anatin’ireo taona faramparany. Na dia tao anatin’ny toe-javatra nampidi-doza aza ireo rahalahy tompon’andraikitra, dia nifantoka tamin’ny famahanana ara-panahy an’ireo rahalahiny sy anabaviny. Mbola mahatoky hatrany izy rehetra, no sady mbola miaiky mafy fa ‘ny fiadiana rehetra hamelezana azy dia tsy hisy hambinina’. — Isaia 54:17.

21 Maro amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika manambady tsy mpino koa no maneho finoana matanjaka sy fiaretana. Ny rahalahy iray tany Guadeloupe dia niharan’ny fanoherana mafy avy tamin’ny vadiny tsy mpino. Mba hanakiviana ilay rahalahy sy hanembantsembanana ny fanatrehany fivoriana kristianina, dia tsy nanomana ny sakafony ny vadiny, na nanasa, nipasoka sy nanosoka ny akanjony. Tsy niteny tamin’ilay rahalahy izy, nandritra ny ela be. Naneho fiekena avy amin’ny fony anefa io rahalahy io, tamin’ny fanompoana an’i Jehovah sy tamin’ny fitodihana tany aminy tamin’ny vavaka mba hahazoana fanampiana, ka afaka niaritra izany rehetra izany. Hafiriana? Nandritra ny 20 taona teo ho eo — avy eo, dia niova tsikelikely ny fon’ny vadiny. Tamin’ny farany, dia tena afaka nifaly ilay rahalahy, satria nanaiky ny fanantenana momba ny Fanjakan’Andriamanitra ilay vadiny.

22 Farany, dia tsy tokony hohadinointsika ny fiekena mafy ananan’ireo rahalahintsika sy anabavintsika tanora, izay mankany an-tsekoly isan’andro ary miaritra ny faneren’ireo mpiara-mianatra aminy sy ny zava-tsarotra hafa. Momba ny fanerena hanaraka ny ataon’ny hafa any an-tsekoly, dia hoy ny ankizivavy Vavolombelona iray: ‘Rehefa any am-pianarana ianao, dia mampirisika anao foana ny rehetra mba hikomy kely. Hajain’ny ankizy kokoa ianao, raha manao zavatra manakaiky ny tsy azo ekena.’ Toy inona moa ny fanerena tsy maintsy iaretan’ireo tanorantsika! Tsy maintsy tapa-kevitra mafy, ao an-tsainy sy ao am-pony, izy ireo ny hanohitra fakam-panahy.

23 Maro amin’ireo tanorantsika no mahavita tsara mihazona ny tsy fivadihany, na dia eo aza ny fisedrana. Ny ohatra iray dia ny an’ny anabavy tanora iray any Frantsa. Indray andro, taorian’ny sakafo antoandro, dia nitady hanery azy hanoroka azy ireo ny ankizilahy sasany. Nivavaka anefa izy, ary nanohitra tamin-kery, hany ka navelan’ireo ankizilahy. Tatỳ aoriana, dia niverina ny iray taminy, ka nilaza tamin’ilay anabavy fa talanjona noho ny herim-pony izy. Afaka nitory taminy momba ilay Fanjakana ilay anabavy, sy nanazava ireo fari-pitsipika ambony nosoritan’i Jehovah ho an’izay rehetra maniry hahazo ireo fitahiana hoentin’ny Fanjakany. Nandritra ilay taom-pianarana, dia nanazava ireo zavatra ninoany tamin’ilay kilasy manontolo koa izy.

24 Endrey ny tombontsoantsika sarobidy, dia ny ho anisan’ireo izay ampiasain’i Jehovah amim-pifaliana mba hiteny amim-piekena mafy momba ny sitrapony! (Kol. 4:12). Fanampin’izany, dia manana ny fahafahana mahatalanjona manaporofo ny tsy fivadihantsika isika, rehefa tafihin’i Satana Devoly, ilay Fahavalontsika toy ny liona. (1 Pet. 5:8, 9). Aza hadinoina mihitsy fa mampiasa ny hafatra momba ilay Fanjakana i Jehovah, mba hamonjena antsika, izay mitory momba azy io, sy an’ireo izay mihaino. Enga anie ireo fanapahan-kevitra raisintsika sy ny fomba fiainantsika andavanandro, hanaporofo fa mametraka ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany isika. Aoka isika hanohy hitory ny vaovao tsara amim-piekena mafy!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara