Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Novambra
Herinandron’ny 2 Novambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Asio firesahana ny tatitra momba ny fanompoana tamin’ny Jolay teto amin’ny nosy sy ny kôngregasiôna eo an-toerana.
15 min: “Tsy Maintsy ‘Mandray Tsara ny Teny’ ny Rehetra!” Fanontaniana sy valiny. Ampidiro ny fanoloran-kevitra fanampiny avy ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 1996, fehintsoratra 21.
20 min: “Maniry Hitarika Fampianarana Baiboly Aho!” Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, tarihin’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Hazavao ny fomba andaminana eo an-toerana io ezaka ifarimbonana mba hanaovana fiverenana mitsidika io. Afaka miara-miasa araka izay azo atao amin’ny vaovao ireo mpitory za-draharaha. Jereo indray ny fanoloran-kevitra ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Aprily 1998, fehintsoratra 12-15. Manasà mpitory mahay iray hampiseho ny fomba fanolorana fampianarana amin’ny fiverenana mitsidika. Ampirisiho ny rehetra mba hiezaka mafy hanomboka fampianarana vaovao.
Herinandron’ny 9 Novambra
13 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty. Valin’ireo Fanontanianareo.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
17 min: “Mifampahereza Amin’ny Fanomezana Valin-teny any Amin’ireo Fivoriana”. Fanontaniana sy valiny. Hazavao hoe amin’ny ahoana no manampy ny fandrosoantsika ara-panahy ny fanomezana valin-teny. (Jereo ny Boky ho An’ny Sekoly fianarana 38, fehintsoratra 4.) Manasà mpitory sasany hitantara ny fomba nandreseny ny fahalainana manome valin-teny sy ny fomba nitahiana azy tamin’ny fandraisana anjara tany amin’ireo fivoriana.
Herinandron’ny 16 Novambra
8 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Sorito ireo fandaharana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha amin’ny faran’ireo herinandro.
20 min: “Mpiandraikitra Mitari-dalana — Ny Mpiandraikitra ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika”. Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny sekoly. Diniho ny Boky ho An’ny Sekoly pejy 10-11, fehintsoratra 6-12.
17 min: “Aoka Ianao Hahita Vokatra eo Amin’ny Fanompoanao”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny ny fehintsoratra 1-7 ao amin’ny takelaka fanampiny. Mifantoha amin’ireo hevitra izay mety hihatra manokana amin’ny faritany eo an-toerana.
Herinandron’ny 23 Novambra
8 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Lazao ireo fitantarana vita pirinty ao amin’ny pejy farany amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Aogositra 1998, momba ny herin’ny boky Lehilahy Niavaka teo amin’ny olona. Tokony ho mailaka ny hanolotra io boky io amin’ny fotoana mety ny mpitory rehetra.
17 min: “Aoka Ianao Hahita Vokatra eo Amin’ny Fanompoanao”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny ny fehintsoratra 8-18 ao amin’ny takelaka fanampiny. Mifantoha amin’ireo hevitra izay mety hihatra manokana amin’ny faritany eo an-toerana.
20 min: Fanipazan-kevitra mba Hanatsarana ny Famakianao ny Baiboly. Lahateny miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 May 1995, pejy 16-17. Asongadino ireo tombontsoa ara-panahy azo avy amin’ny famakiana Baiboly isan’andro. Diniho indray ireo fanipazan-kevitra natolotra, ary resaho ny fomba hampiharana azy ireo. Manasà mpitory roa na telo hitantara ny fomba nandraisany soa tamin’ny famakiana tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra.
Herinandron’ny 30 Novambra
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny rehetra mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana teny amin’ny saha. Ampirisiho izay rehetra tsy nanomboka fampianarana nandritra ny Novambra mba hanohy ny ezaka nataony hatramin’ny Desambra, rehefa hatolotra ny boky Fahalalana. Manasà mpitory mahay iray hanao fampisehoana fiverenana mitsidika, amin’ny fampiasana ny faritra voafefy eo amin’ny pejy 19, ao amin’ny boky Fahalalana; hazavain’ilay mpitory ny fomba azo ampiasana ilay boky mba hahazoana ny hevitry ny fampianarana ao amin’ny Baiboly sy hanombohana fampianarana.
15 min: Ampiasao Tsara ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 1999. Ampiasao ny kalandrie 1998 mba hanaovana ity anjara ity. Lahateny iray. Diniho ireo zavatra misongadina eo amin’ilay kalandrie: 1) Sary manaitra izay mampiseho fisehoan-javatra sy fampianarana miavaka ao amin’ny Baiboly, 2) fandaharam-pamakiana Baiboly isan-kerinandro ho an’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika, 3) fandaharam-pamakiana Baiboly isan-taona ho an’ny herinandro mialoha ny Fahatsiarovana, 4) Fampahafantarana ny famerenana an-tsoratra ho avy, ary 5) fampahatsiahivana ny amin’ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny fizarana gazety. Resaho ny amin’ny fomba azo ampiasana ireo faritra malalaka mba hilazana amin’ny ambangovangony ny fandaharana amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, mba handraisana an-tsoratra ny tatitra momba ny fanompoana sy ireo fotoana hiaraha-miasa amin’ny hafa, mba hametahana ny litsitr’ireo anjara any am-pivoriana, mba hanamarihana ny fampahatsiahivana ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny fivoriambe ho avy. Mety hampipoitra fahafahana hanomboka fiaraha-midinika araka ny Soratra Masina, ny fametahana ny kalandrie eo amin’ny toerana talaky maso ao an-trano na any am-piasana. Mitantarà zavatra niainana na hita teny am-pitoriana, raha misy.
15 min: Fandraisan-tsoa avy Amin’ilay Bokikely Vaovao hoe Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika? Diniho ny loha hevitra misongadina ao anatiny. Soritany ny fiandohan’ny fampianarana ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy ary fakafakainy ny fomba nahatongavan’ilay fomba fihevitra ho foto-pinoana saika eo amin’ny fivavahana rehetra eo amin’izao tontolo izao. Hazavainy amin’ny fomba manintona izay lazain’ny Baiboly momba ny fanahy, ny antony ahafatesantsika, ny toetran’ny maty, izay fanantenana momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana, ary ny antony ilantsika hahafantatra ny fahamarinana momba ireny raharaha ireny. Tokony hamaky io bokikely io ny rehetra. Asehoy ny sasany amin’ireo sary 40 ary koa ireo teny nalaina hita eo am-piandohan’ny fizarana tsirairay, izay azo ampiasaina mba hanairana ny fahalianan’ny olona. Asehoy ny fomba ahafahana manasongadina ny fizarana farany, rehefa manolotra fampianarana Baiboly. Asao ireo mpitory hanazava ny fomba kasainy harahina mba hampiasana ilay bokikely vaovao eny amin’ny fanompoana.