FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/98 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Oktobra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Oktobra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 5 Oktobra
  • Herinandron’ny 12 Oktobra
  • Herinandron’ny 19 Oktobra
  • Herinandron’ny 26 Oktobra
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
km 10/98 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Oktobra

Herinandron’ny 5 Oktobra

Hira 199, Hira 133

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.

15 min: “Nandray Soa Avy Tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika ‘Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra’ Isika”. Fanontaniana sy valiny. Asehoy ilay boky sy bokikely vaovao, ary milazà fomba ahafahantsika mampiasa azy ireo tsara.

20 min: “ ‘Afafazo ny Voan’ilay Fanjakana’ eo Amin’ny Lalana Fizarana Gazety”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Manasà mpitory sasany hanazava ny fomba nanombohany sy ihazonany ny lalana fizarana gazety. Avy eo dia manaova fampisehoana fanolorana gazety izay hisian’ny fanaovana fandaharana hiverina, hitondra ny nomerao manaraka.

Herinandron’ny 12 Oktobra

Hira 42, Hira 107

5 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.

10 min: “Mpiandraikitra Mitari-dalana — Ny Mpitan-tsoratra”. Lahateny ataon’ny mpitan-tsoratry ny kôngregasiôna, amin’ny fandinihana indray ny andraikitra nanendrena azy. Antitranteriny fa afaka miara-miasa ny rehetra amin’ny famerenana haingana ny tatitra momba ny fanompoana.

10 min: Manana Toe-tsain’ny Mpisava Lalana Feno Risi-po Izy Ireo. Lahateny mampahery iray miorina amin’ny Diary 1998, pejy 103-107. Hazavao hoe nahoana no misy mpisava lalana be dia be any Japon, inona no mamela ny vehivavy mpikarakara tokantrano any hanao ho laharam-pahamehana ny tombontsoa ara-panahy, inona no ao ambadiky ny taratasy fangatahana ho mpisava lalana rehetra, iza no mahaforona ny ankamaroan’ny mpisava lalana. Hazavao amin’ny ohatra ny fitaomana tsara dia tsara omen’ireo ray aman-dreny mpisava lalana. Asongadino hoe fiekena inona no ilaina mba hanaovana ny fanitsiana tena ilaina eo amin’ny fiainan’ny tena mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana. Ampirisiho ny rehetra mba hieritreritra amim-pitandremana sy amim-bavaka mba hanombanana indray ny fahafahany hanao ny asan’ny mpisava lalana.

20 min: “Mamaky Ireo Gazety ve Ianao?” Fanontaniana sy valiny. Diniho ny fanoloran-kevitra azo ampiharina mahakasika ny fandaharana fotoana hamakian-teny, hita ao amin’ny Boky ho An’ny Sekoly, fianarana 4, fehintsoratra 5, 6.

Herinandron’ny 19 Oktobra

Hira 16, Hira 95

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho ny hevitra azo resahina ao amin’ireo nomerao farany amin’ny gazety. Tantarao ny zava-nitranga voalazan’ny Diary 1997, pejy 45, sy ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Oktobra 1996, pejy 32. Ampirisiho ny rehetra mba handray anjara amin’ny fanelezana gazety amin’ity faran’ny herinandro ity.

15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.

20 min: Ny Fomba Hanomanana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, tarihin’ny mpitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1986, pejy 19-20, fehintsoratra 16-18, sy ny Boky ho An’ny Sekoly fianarana 7, fehintsoratra 11, ary ny fianarana 18, fehintsoratra 4-6. Mangataha valin-teny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto: 1) Nahoana no zava-dehibe ny andraisantsika soa be indrindra avy amin’ny lahatsoratra tsirairay natao hianarana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana? 2) Inona no tokony hataontsika rehefa maharay nomerao vaovao isika? 3) Inona no fomba tsara hanomanana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana? 4) Tokony hasiana fiheverana manao ahoana ireo andinin-teny voatonona sy ny loha hevitr’ilay fianarana? 5) Ahoana no ahafahantsika manao famerenana ny zavatra nianarantsika? 6) Hevitra fototra inona avy no tokony hosaintsainintsika rehefa mamarana ny fianarantsika manokana ilay lesona isika? 7) Ahoana no tokony hanomanantsika ny valin-tenintsika? 8) Ahoana no azo anomezana valin-teny maro samihafa amin’ny fanontaniana iray monja? Manasà olona sasantsasany hitantara izay nataon’izy ireo manokana mba hanampiany ny tenany handray soa be indrindra avy amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. — Jereo koa ny boky Voalamina mba Hanatanteraka Tsara ny Fanompoantsika, pejy 65-67.

Herinandron’ny 26 Oktobra

Hira 98, Hira 86

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tanisao ireo zavatra vita an-tsoratra tranainy ao amin’ny tahiry eo an-toerana, ka azo atolotra eny amin’ny fanompoana rehefa mipoitra ny fahafahana hanao izany. Koa satria ho avy ny vakansy amin’ny Novambra sy Desambra, dia ho fotoana tsara ho an’ny tanora sy ny hafa efa vita batisa izany mba handinihana ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy.

20 min: Fankatoavana Araka An’Andriamanitra ao Amin’ny Fianakaviana Voazarazara Ara-pivavahana. Lahateny miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1995, pejy 26-29. Manomeza fampaherezana sy fananarana amin-katsaram-panahy izay hanampy ireo manambady tsy mpino mba hihazona fihetsika tsara sy hiaraka amim-paharisihana amin’ny kôngregasiôna.

15 min: Fahatongavana Ara-potoana any Am-pivoriana. Resaka ifanaovan’ny rahalahy roa na telo, izay mpitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kôngregasiôna na mpanampy amin’ny fanompoana, mahakasika ny zava-manahirana ny amin’ny fahatongavana tara amin’ny fivoriana. Manaiky izy ireo fa mety hahatonga ny olona ho tara ny toe-javatra tsy mahazatra, anisan’izany ny tarehin-javatra tsy nampoizina, ny toetr’andro, ny fifamoivoizana, sy ny toy izany. Kanefa, ny sasany dia tara lava. Amin’ny fomba manorina, dia resahin’ilay antokon’olona sy hazavainy amin’ny ohatra izay ilaina mba hahamarim-potoana: 1) fankasitrahana amin’ny fo manontolo ny tombontsoa azo amin’ny fanatrehana fivoriana sy ny fahazoana sakafo ara-panahy ary ny fiarahana izay hita any, 2) fandaharana tsara atao mialoha sy fandaminana ireo raharaha manokana, 3) fahavononan’ny mpianakavy hiara-miasa, 4) fiaingana aloha be sy fitsinjovana mialoha ny fotoana mety ho lany amin’ny zava-manahirana tsy ampoizina, ary 5) tena fiahiana ny tsy hitondra fanelingelenana ho an’ny mpanatrika hafa. Manaiky ny rehetra fa azo sorohina amin’ny alalan’ny fanaovana ezaka mitohy mba hihatsarana ny zava-manahirana ny amin’ny fahatongavana tara.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara