FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/97 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Oktobra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Oktobra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 6 Oktobra
  • Herinandron’ny 13 Oktobra
  • Herinandron’ny 20 Oktobra
  • Herinandron’ny 27 Oktobra
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
km 10/97 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Oktobra

Herinandron’ny 6 Oktobra

Hira 39, Hira 126

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.

15 min: “Hifankatia ve ny Olona Rehetra Indray Andro Any?” Fanontaniana sy Valiny. Diniho ireo hevitra misongadina avy ao amin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35. Lazao ny antony handraisan’ireo olona eny amin’ny faritany soa avy amin’io fanazavana io. Hamafiso ny ilana hanaovana fandaharana dieny izao mba handraisana anjara feno amin’ny fizarana azy io sy ny mba hananana fahazotoana eo amin’ny fanolokoloana ny fahalianana hita.

20 min: “Aparitaho Amin’ny Fomba Miitatra ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35”. Lahateny fanokafana ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Ataovy amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny ny fehintsoratra faha-5-8. Diniho ireo fandaharana eo an-toerana mba hanaovana asa miitatra. Resaho ireo fomba hanaovana izay hahazoana antoka fa niasana avokoa ny faritany rehetra. Ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35 dia azon’ireo mpitory ampiasaina rehefa manao fanambarana amin’ny olona eny amin’ny fiandrasana aotobisy izy ireo, sy eny amin’ireo toerana misy fandraharahana madinika, parking, ary ny toerana hafa na aiza na aiza. Manolora fanipazan-kevitra ny amin’ny fomba hanampiana ireo vaovao izay maniry hanomboka ny asa fitoriana. Ampidiro ao ny fanazavana avy amin’ny takelaka fanampiny tamin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, Aprily 1995, eo amin’ny fehintsoratra faha-11. Any amin’ny faritany sasany, dia mety hahitana tombony kokoa ny miasa irery sy ny tsy mitondra ilay kitapo mahazatra rehefa mizara ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana. Anaovy fampisehoana ny fomba fampiseho fohy roa na telo.

Herinandron’ny 13 Oktobra

Hira 41, Hira 130

12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty. Diniho ireo hevitra azo resahina avy amin’ireo nomerao farany amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Ampahatsiahivo ny rehetra fa mandritra ny asa amin’ny faran’ny herinandro, dia gazety no hatolotra miaraka amin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35. Tokony hokolokolointsika ny fahalianana rehetra hita. Ampahatsiahivo ireo rahalahy mba hitondra ilay bokikely hoe Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra amin’ny herinandro manaraka.

15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.

18 min: “Inona no Ataonao Manoloana ny Tsy Firaikana?” Dinidinika ataon’ny loholona roa. Ampidiro ao ny famelabelarana ny lahatsoratra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1975, eo ambanin’ny lohatenikely hoe “Ahoana no handresena ny tsy firaikana?”, ao amin’ny pejy faha-122-123.

Herinandron’ny 20 Oktobra

Hira 42, Hira 133

15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Jereo indray ny fitantarana sasany avy ao amin’ny Diary 1996, pejy faha-6-8, eo amin’ilay hoe “Fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana maneran-tany”. Asongadino ireo ezaka nataon’ny mpitory tsirairay nandritra ny fizarana farany ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana. Ampirisiho ny rehetra mba handray anjara feno amin’ny fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35.

15 min: Hevitra Misongadina avy ao Amin’ilay Bokikely Vaovao hoe Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika ny antony mahatonga ny Baiboly ho mendrika hodinihintsika. Io bokikely io dia nomanina mba hanampiana ny olona izay mety ho nahita fianarana nefa tsy mahalala firy momba ny Baiboly. Ilay bokikely dia mamela ny zava-misy hiteny ho azy, fa tsy manandrana kosa hampiaiky ny olona fa hoe ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly. Tokony hamaky azy io isika, sy hizara azy io amin’ny hafa, anisan’izany ireo olona ampianarintsika.

15 min: “Moa ve Ianao Vavolombelona Manontolo Andro?” Lahateny ataon’ny loholona iray.

Herinandron’ny 27 Oktobra

Hira 43, Hira 136

12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahafantaro ireo fivoriana ho amin’ny fanompoana manokana nalamina hatao amin’ny 1 Novambra. Jereo ny fandrosoana eo amin’ny fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35. Asao ny mpanatrika hitantara fanandraman-javatra mampahery. Anaovy tatitra ny faritany voasa hatramin’izao sy izay ilaina hatao mba hamitana azy amin’ny 16 Novambra. Rehefa vita tanteraka ny faritany, dia hanolotra ny boky Fahalalana isika amin’ny tapany sisa amin’ilay volana. Hamafiso ny zava-kendrena, dia ny hanomboka fampianarana amin’ny fiverenana mitsidika ireo naneho fahalianana tamin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana.

15 min: Ny Fomba Ahitana Fanantenana ao Anatin’ny Famoizam-po. Lahateny ataon’ny loholona iray, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 May 1997, pejy faha-22-25.

18 min: Aoka Hamiratra ny Fahazavanareo. Lahateny sy fiaraha-midinika ny boky Ny Fanompoantsika, pejy faha-84-88. Alamino mialoha ny hisian’ny mpitory hanome valin-teny voafaritra tsara amin’ireto fanontaniana manaraka ireto: 1) Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mitory isan-trano? 2) Hatraiza no nampiasana izany fomba izany tamin’ny taonjato voalohany? 3) Nahoana no ilaina maika ny hanohizana hitory isan-trano amin’izao andro izao? 4) Toe-javatra inona avy no mety hahatonga ho sarotra ny fandraisantsika anjara tsy tapaka? 5) Ahoana no ahazoantsika fanampiana mba hiaretana? 6) Ahoana no itahiana antsika noho isika mamela ny fahazavantsika hamiratra? 7) Inona no azontsika atao mba hahitana vokatra kokoa amin’ny fifandraisana amin’ny olona? Hazavao amin’ny ohatra amin’ny fanisiana mpitory telo na efatra mitantara fanandraman-javatra mampahery nifalian’izy ireo, fony izy niasa isam-pivarotana na nanao fanambarana teny an-dalana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara