Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika
Famerenana tsy misy fijerena boky, miorina amin’ireo hevitra voadinika tamin’ireo anjara natao tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika nanomboka ny herinandron’ny 6 Janoary ka hatramin’ny herinandron’ny 21 Aprily 1997. Mampiasà taratasy hafa hanoratana ny valiny ho an’ny fanontaniana betsaka araka izay azonao atao ao anatin’ny fotoana omena hanaovana izany.
[Fanamarihana: Mandritra ny famerenana an-tsoratra, dia ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana rehetra. Natao ho an’ny fikarohanao manokana ny fanondroam-pejy eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hiseho miaraka amin’ny fanondroana rehetra momba Ny Tilikambo Fiambenana ny nomeraon’ny pejy sy ny fehintsoratra.]
Valio hoe Marina na Diso ireto fanambarana manaraka ireto:
1. Ny fiavonavonana dia afaka ny hanjary sakana hahatonga antsika tsy hanaiky ny fahadisoan’ny tenantsika ary tsy hiraharaha torohevitra. [rs p. 146 feh. 1].
2. Tsy nisy fahefana teto an-tany afaka namela heloka raha tsy efa maty sy nanolotra ny avotra i Jesosy. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/4/96 p. 29.]
3. Ho fahatanterahan’ny Zakaria 9:2-4, dia noravan’i Nebokadnezara tanteraka i Tyro. [si p. 169 feh. 4]
4. Antoky ny famonjena ny batisa. [uw p. 100 feh. 12]
5. Tsy azo omen-tsiny noho ny “loza aman’antambo” izay nambara mialoha ho amin’izao androntsika izao Andriamanitra, tsy misy hafa amin’ny tsy azo anomezan-tsiny an’ireo mpilaza toetr’andro noho izay toetr’andro lazainy mialoha. [rs p. 233 feh. 2–p. 234 feh. 1]
6. Voasaron’ny avotra avokoa ny fahotana rehetra ataon’ny olombelona tsy tanteraka. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/12/95 p. 29.]
7. Ho anisan’ireo “osy” voalaza ao amin’ny Matio 25:31-46, izay hiharan’ny fandringanana mandrakizay, ireo mpikambana marisika ao amin’i Babylona Lehibe sy ireo mpitarika azy ireo. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/10/95 p. 26 feh. 13-15.]
8. Ireo tenin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Matio 23:33 dia mampahafantatra fa, tamin’ny naha-antokon’olona azy, dia anisan’ny taranaky ny Menarana ireo mpanora-dalàna sy Fariseo. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/6/96 p. 11 feh. 11.]
9. Ny famelana ny hafa dia misava ny lalana ho amin’ny famelan’Andriamanitra ny fahotantsika. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; wMG 15/9/94 p. 7.]
10. Ny batisan’i Jesosy ho amin’ny fahafatesana dia nanomboka tamin’ny 29 am.f.i. ary tsy nifarana raha tsy efa maty tokoa izy ka natsangana tamin’ny maty. [uw p. 97 feh. 6]
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
11. Amin’ny heviny ahoana ny Fanjakan’i Jesosy no tsy ho rava? (Dan. 7:14). [uw p. 86 feh. 15]
12. Anjara asan’i Jesosy Kristy roa inona avy no voalazalaza ao amin’ny Zakaria 6:12, 13? [si p. 172 feh. 25]
13. Tsy hanakiana an’ireo izay mety hoheverintsika fa afaka ny hanao bebe kokoa eo amin’ny fanompoana ilay Fanjakana isika, fa inona kosa no tokony hataontsika isam-batan’olona? (Gal. 6:4). [uw p. 93 feh. 13]
14. Amin’ny fomba ahoana avy no andraisan’ny olombelona soa avy amin’ny soron’i Jesosy amin’izao fotoana izao? [kl p. 68-69 feh. 17-19]
15. Nahoana Andriamanitra no tsy namela an’i Adama sy nanadino fotsiny ny fahotany? [rs p. 232 feh. 3]
16. Amin’ny heviny ahoana i “Elia mpaminany” no niseho tamin’ny taonjato voalohany, ho fahatanterahan’ny Malakia 3:23? [si p. 174 feh. 15]
17. Ahoana no nielezan’ny ota ho amin’ny olona rehetra? [kl p. 58 feh. 13]
18. Aiza ao amin’ny bokin’i Matio no ahitantsika ny torohevitra marim-pototra nomen’i Jesosy ny amin’ny fomba fandaminana ireo tsy fifanarahana lehibe? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/7/95 p. 22.]
19. Inona ny “denaria” voalaza ao amin’ny fanoharan’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Matio 20:1-16? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo gt toko 97 feh. 6.]
20. Mitanisà zavatra roa izay voaporofo tamin’ny famelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy. [kl p. 77 feh. 18–p. 78 feh. 20]
Omeo ny teny na ny fitambaran-teny ilaina mba hamenoana ny tsirairay amin’ireto fanambarana ireto:
21. Ireo Filazantsara telo voalohany dia antsoina matetika hoe synoptiques, izay midika hoe “_________________________”. [si p. 175 feh. 3]
22. Raha tsy mamokatra ny _________________________ ny fanahy eo amin’ny fiainany sy tsy manohy misaraka amin’_________________________ sy ny fanaony ny olona iray milaza fa manana ny fanahin’Andriamanitra, dia tsy misy fototra ny filazany. [rs p. 249 feh. 5–p. 250 feh. 2]
23. Ireo maty asiana fitenenana ao amin’ny Apokalypsy 20:12 dia hotsaraina araka ny asa hataony _________________________’ny hitsanganany amin’ny maty. Izany dia manampy antsika hahatakatra fa ny fitsanganany dia tsy voatery ho fitsanganana ho _________________________ (Jaona 5:28-29). [uw p. 75 feh. 12]
24. Na dia tsy tena nomena ilay anarana manokana hoe _________________________ aza i Jesosy, ny anjara asany amin’ny maha-olombelona dia manatanteraka ny _________________________’io anarana io. (Isaia 7:14; Matio 1:22, 23). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wF 15/1/92 p. 22.]
25. Ny “fanahy [esprit]” izay mandao ny olombelona eo amin’ny fahafatesana dia ilay _________________________ izay avy tamin’Andriamanitra. (Sal. 146:4). [kl p. 81-82 feh. 5-6]
Fanteno izay valin-teny marina ao amin’ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
26. Misy porofo mampiseho fa nanoratra ny Filazantsarany tamin’ny fiteny (hebreo; aramiana; grika) i Matio ary tatỳ aoriana, dia nandika azy io ho amin’ny fiteny (hebreo; aramiana; grika). [si p. 176 feh. 6]
27. Ny ankamaroan’ny (sisa; 144 000) dia any an-danitra, ary ny (sisa; 144 000), mbola eto an-tany, dia mahaforona ny (Fitambara-mpitantana; kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina). [uw p. 80 feh. 7]
28. Ny Mpitoriteny 9:11 dia manampy antsika hahatakatra fa maratra sy mijaly ny olona mazàna noho ny (Devoly; olona ratsy fanahy; sendra naha-teo amin’ny toerana ratsy azy tamin’ny fotoana ratsy). [rs p. 230 feh. 1]
29. Ny batisa “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina” dia nanomboka tamin’ny (29 am.f.i.; 33 am.f.i.; 36 am.f.i.). (Matio 28:19). [uw p. 98 feh. 9]
30. Tonga Mesia i Jesosy teo amin’ny (nahaterahany; batisany; fananganana azy tamin’ny maty), izay nitranga tamin’ny taona (2 al.f.i.; 29 am.f.i.; 33 am.f.i.). [kl p. 65 feh. 12]
Ampifanandrifio amin’ireo fanambarana voatanisa eto ambany ireto andinin-teny manaraka ireto:
Zak. 4:6; Matio 4:8-10; Matio 16:19; Jak. 1:13; 1 Jaona 5:19
31. Tsy Andriamanitra no mahatonga an’ireo zava-tsarotra maro be manototra ny olombelona. [kl p. 71 feh. 3]
32. Tsy manaiky ho voarohirohy amin’ny raharaha ara-politikan’itỳ tontolo itỳ ny mpanara-dia marina an’i Jesosy. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/5/96 p. 12 feh. 9.]
33. Ny fahalalana momba ny Fanjakan’Andriamanitra dia namoha ny lalana ho any an-danitra ho an’ireo Jiosy sy Samaritana ary Jentilisa. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/6/91 p. 5.]
34. Ny fanoherana maneran-tany atao amin’ny asa fitoriantsika dia resy, tsy noho ny ezaka nataon’olombelona fa noho ny fitarihana sy ny fiarovan’i Jehovah. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/8/94 p. 17 feh. 4.]
35. Manana antony tsara ny Kristiana handavana tsy hanohana an’izao tontolo izao. [kl p. 60 feh. 18]