Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Aprily
Herinandron’ny 7 Aprily
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Manonòna hevitra azo resahina ao amin’ireo gazety farany.
15 min: “Olona Maro no Anampy ho Isantsika”. Fanontaniana sy valiny. Resaho indray ireo fanipazan-kevitra fototra velabelarina ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1993, pejy 12-17.
18 min: “Ampio Hahazo Hevi-javatra Ireo Tsy Ampy Fanandraman-javatra”. Fanontaniana sy valiny. Resaho indray ireo toetra mampiavaka ny bokikely Takina: fomba fianarana notsorina, fanontaniana amin’ny fotoana ilana azy, sary manintona, andinin-teny be dia be. Hamafiso ny tanjona hanomboka fampianarana izay hitarika ho amin’ny boky Fahalalana amin’ny farany. Manasà mpitory mahay iray hampiseho ny fomba fanombohana fampianarana amin’ny alalan’ilay tari-dresaka voasoritra ao amin’ny fehintsoratra 4. Ampirisiho ny ray aman-dreny rehetra ao amin’ny kongregasiona hiara-mianatra ilay bokikely amin’ireo zanany kely.
Herinandron’ny 14 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty. Raha ampy ny fotoana, dia mitantarà vetivety fanandraman-javatra teny amin’ny saha, nametrahana ny bokikely Takina na nanombohana fampianarana Baiboly tamin’ny alalany.
15 min: “Fitarihana Ireo Mpianatra ho Amin’ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarantsika”. (Fehintsoratra 1-6). Fanontaniana sy valiny. Vakio ny fehintsoratra 5-6 sy ireo andinin-teny voalaza ao. Mitantarà fanandraman-javatra teo an-toerana momba ny fihetsiky ny mpianatra ny Baiboly nahita ny vidéo Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana.
20 min: “Ampianaro Hanao Izay Takin’Andriamanitra ny Hafa”. Fiaraha-mandinika amin’ny mpanatrika ny fehintsoratra 1-4. Manaova fampisehoana momba ireo fomba fampiseho ao amin’ny fehintsoratra 5, amin’ny fampiasana faritra efatra samy hafa — eny amin’ny arabe, ao an-trano, eny amin’ny toeram-pivarotana, ary eny amin’ny zaridainam-bahoaka. Ampahatsiahivo ny rehetra haka bokikely sy gazety ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, alohan’ny handaozany ny Efitrano Fanjakana anio hariva.
Herinandron’ny 21 Aprily
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Hazavao fa tsy tara loatra izao mba hamenoana fangatahana ho mpisava lalana mpanampy amin’ny May. Resaho ny Valin’ireo Fanontanianareo, ary ampahafantaro ny kongregasiona raha mbola mila boky sasany ny fitahirizam-bokin’ny Efitrano Fanjakana.
15 min: “Fitarihana Ireo Mpianatra ho Amin’ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarantsika”. (Fehintsoratra 7-14). Fanontaniana sy valiny. Manasà mpampianatra mahay iray hampiseho ny fomba firesahana amim-pahatsorana sy hatsaram-panahy amin’ny mpianatra iray, momba ny ilana hanatrehana ireo fivoriana.
15 min: Fampiasana Amin’ny Fomba Feno ny Zavatra Vita An-tsoratsika. Lahateny ataon’ny loholona iray. (Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Septambra 1995, pejy 3-5.) Matetika ny maro amin’ireo gazety nalaintsika dia mimpirina fotsiny na ariana. Ahoana no ahafahana manalavitra izany? Tokony hanombana amim-pitandremana ny gazety ilainy ny mpitory tsirairay, ka tsy hanafatra afa-tsy izay azony apetraka. Ataovy ho fahazarana ny manolotra gazety amin’ny olona rehetra hitantsika. Aza avela ho verivery foana ireo nomerao tranainy. Mandraisa anjara amin’ny fanelezana gazety tsy tapaka.
Herinandron’ny 28 Aprily
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny rehetra hamerina ny tatitra momba ny fanompoany tamin’ny Aprily. Lazao ny anaran’ireo izay ho mpisava lalana mpanampy amin’ny May. Sorito ireo fivoriana fanampiny ho amin’ny fanompoana, nalamina eo an-toerana, toy ny amin’ny 1, 8, 19 May. Amin’ny May, dia tokony hisy ezaka manokana hatao mba hanolokoloana ny fahalianan’izay rehetra nametrahana bokikely, noho ny tanjona hanomboka fampianarana. Manipaza hevitra vetivety ny amin’ny fomba ahafahana mangataka amim-pahaiza-mandanjalanja ny anarana sy ny adiresin’ny olona itoriantsika tsy ara-potoana. Azonao atao ny manome ny anaranao sy ny adiresinao aloha, ary avy eo dia manontany raha misy nomeraon-telefaonina azonao iantsoana azy. Asao ny mpanatrika hanolotra fanipazan-kevitra hafa nahitany vokany.
15 min: “Nahoana Izy Ireo no Manao Azy Io?” Miara-mandinika ilay lahatsoratra amin’ny mpisava lalana maharitra roa na telo ny loholona iray. (Raha tsy misy, dia ireo izay mpisava lalana mpanampy matetika no asao.) Mampidira hevi-dehibe avy ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Manome ka Mandray Fitahiana Ireo Mpisava Lalana”, ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 1994. Asao ny tsirairay aminy hanazava ny antony nirotsahany hanao ny fanompoan’ny mpisava lalana. Angataho izy ireo hitantara fanandraman-javatra mampiseho ny fitahiana azony tamin’ny fanaovana izany.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana. Azon’ireo loholona ampiasaina itỳ fotoana itỳ mba hilazana fanazavana momba izay ilana fanampiana voafaritra tsara eo an-toerana.