Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Oktobra
Herinandron’ny 7 Oktobra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Miresaha ny amin’ny tatitra tamin’ny Jona momba ny fanompoana natao teto amin’ny nosy sy tao amin’ny kongregasiona eo an-toerana.
15 min: Valin’ireo Fanontanianareo. Ny mpiandraikitra momba ny fanompoana na ny loholona mahay iray dia hiara-mandinika ilay fanazavana amin’ny mpanatrika.
20 min: “Iasao Amin’ny Fomba Feno ny Faritaninao”. Miresaha momba ilay lahatsoratra sy izay fandaharana eo an-toerana ny amin’ny fitoriana eny amin’ireo fandraharahana. Asao ny mpanatrika hitantara fanandraman-javatra mampahery hitany rehefa nitory teny amin’ireo mpivarotra ao amin’ny faritaniny izy ireo.
Herinandron’ny 14 Oktobra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
15 min: “Fitoriana Vaovao Tsara ny Amin’ny Zavatra Tsara Kokoa”. Fanontaniana sy valiny. Asehoy ny sasany amin’ireo lahatsoratra nanamarika fotoan-dehibe niseho tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1987, pejy 13.
20 min: “Ny Fomba Akana ny Fotoana Azo Hararaotina”. Fanontaniana sy valiny. Mampidira teny avy ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1990, pejy 19-20, fehintsoratra 7-11.
Herinandron’ny 21 Oktobra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Hazavao ny fomba hanombohana lalana fizarana gazety: 1) Raketo an-tsoratra ny zavatra napetraka rehetra sy ilay lahatsoratra nasongadina, 2) mandamìna ny hiverina miaraka amin’ireo nomerao vaovao, ary 3) manokàna fotoana voafaritra tsara ao anatin’ny fandaharam-panompoanao isan-kerinandro hanaovana ireny fitsidihana ireny. Manolora famandrihana, ary tadidio ny hitatitra fiverenana mitsidika iray isaky ny mitsidika olona anaovana lalana fizarana gazety.
20 min: “Omano ny Fomba Fampisehonao Gazety”. (Fehintsoratra 1-7). Mametraha fanontaniana momba ny fehintsoratra 1-4, ary avy eo dia mampanaova fampisehoana fohy roa na telo mba hampisehoana ny fomba azo anolorana ireo gazety farany, amin’ny fampiasana ny fanoloran-kevitra ao amin’ny fehintsoratra 5-7. Mampidira teny avy ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1987, pejy 17, fehintsoratra 8-9.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana. Na lahateny ataon’ny loholona iray momba ny lahatsoratra hoe “Hazòny Mafy Hatramin’ny Farany ny Fatokianao”, ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 May 1996, pejy 21-24.
Herinandron’ny 28 Oktobra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Noho ny fetin’izao tontolo izao maromaro ho avy amin’ny Novambra sy Desambra, sy ireo fotoana tsy fiasana sy tsy fianarana homeny angamba, dia ampirisiho ny rehetra hieritreritra momba ny fahafahany hirotsaka hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Ampirisiho ny rehetra hamerina ny tatitra momba ny fanompoany tamin’ny Oktobra amin’izao faran’ny herinandro izao.
20 min: “Omano ny Fomba Fampisehonao Gazety”. (Fehintsoratra 8-11). Fanontaniana sy valiny. Mampidira teny momba ireo fanoloran-kevitra efatra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1994, pejy 24-25, fehintsoratra 18-21. Amin’ny fampiasana ireo gazety volana Oktobra, dia asehoy ny fomba anomanana fomba fampiseho iray: 1) Mifantena lahatsoratra iray izay azo inoana fa hisarika ny fahalianan’ny olona ao amin’ny faritaninao, 2) mitadiava hevitra mahaliana iray mba hasongadina, 3) mieritrereta fanontaniana iray izay ho azo ampiasaina mba hisarihana ny saina ho amin’io hevitra io, 4) mifidiana andinin-teny iray hovakina raha omena fahafahana hamaky ianao, ary 5) omano ireo teny fampidiranao sy izay holazainao momba ilay gazety mba hampirisihana ilay tompon-trano handray azy io. Manasà mpitory mahay roa na telo hanao fampisehoana iray avy. Asio tanora iray amin’izy ireo mba hampiseho fanolorana gazety tsotra.
15 min: Diniho ny Zavatra Hatolotra Amin’ny Novambra. Ny boky Fahalalana no hatolotra, ary hanao ezaka manokana isika mba hanolokoloana ny fahalianan’izay rehetra nametrahana boky ho fikendrena ny hanomboka fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Ny mpitory mahay roa na telo dia hiara-miresaka momba ny hasarobidin’ilay boky sy ny fomba azo ampiasana azy io. Ny fanazavana raketin’izy io dia mahakasika ny fiainan’ny olona avy amin’ny saranga rehetra. Mamelabelatra ireo foto-kevitra sy fotopoto-pitsipika ara-baiboly fototra izay ilain’ireo vaovao ho takatra alohan’ny batisany, izy io. Raha hazonintsika handroso tsara ilay fianarana, dia ho afaka hanao fandrosoana haingana ilay mpianatra. Resaho ary anaovy fampisehoana ny fomba hanombohana fianarana amin’ny fampiasana ny tari-dresaka mivantana: Jereo ny sary sy ny fanazavana miaraka aminy eo amin’ny pejy 4-5; hazavao ny fomba fampianarantsika; resaho vetivety ireo fehintsoratra dimy voalohany ao amin’ny toko voalohany; manaova fotoana hiverenana any aoriana ary tohizo ilay resaka, amin’ny famaliana ilay fanontaniana hoe: Nofinofy fotsiny ve ny fiainana mandrakizay? Antitrantero ny fifaliana azo avy amin’ny tombontsoa mitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano.