Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Aogositra
Herinandron’ny 5 Aogositra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Manaova fampandrenesana momba ny fanompoana eny amin’ny saha amin’ny 15 Aogositra.
20 min: “Tsy Misy Fitsaharana Amin’ny Fanambarana ny Vaovao Tsara”. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Mampidira tapany sasany avy amin’ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 1216, fehintsoratra 7.
15 min: “Ambarao ny Vaovao Tsara Momba Ilay Fanjakana Amin’ny Alalan’ny Bokikely”. (Fehintsoratra 1-5). Ampiasao ho teny fampidirana ny lahateny ny fehintsoratra voalohany. Manaova teny manorina momba ny maha-tsara kokoa ny fampiasana ny bokikely Fiainana eto An-tany (Mifalia) sy “Indro” eo amin’ny fanompoana. Manaova fampisehoana efatra voaomana tsara, izay hampiseho ny fomba azo anaovana ny fitsidihana voalohany sy ny fiverenana mitsidika amin’ny alalan’ireny bokikely ireny. Asao ny mpitory tanora iray, ampian’ny rainy na ny reniny, hanao fampisehoana ny fomba fampiseho ny bokikely Fiainana eto An-tany. Ireo mpitory dia mety haniry haka tahaka an’ireo fomba fampiseho anolorana hevitra ato mba hanolorana ny bokikely hafa.
Herinandron’ny 12 Aogositra
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty. Mampidira teny manorina avy amin’ny hoe “Ireo Fomba Handraisana Anjara”, ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1993, pejy 29-31.
15 min: “Ambarao ny Vaovao Tsara Momba Ilay Fanjakana Amin’ny Alalan’ny Bokikely”. (Fehintsoratra 6-8). Manaova famintinana fohy ny zavatra raketin’ny bokikely Fitondram-panjakana. Anaovy fampisehoana ireo fomba fampiseho anolorana hevitra ho amin’ny fitsidihana voalohany sy ny fiverenana mitsidika. Ampirisiho ny rehetra hanolokolo ny fahalianana tany amin’izay nametrahany bokikely.
15 min: “Ny Fanomezana ho An’ny Asa Maneran-tanin’ny Fikambanana dia Manohana ny Fitarana”. Lahateny feno hafanam-po ataon’ny loholona iray. Mampidira tarehimarika sasantsasany mampiseho ny fandrosoan’ny asan’ilay Fanjakana any amin’ny sasany amin’ireo tany aseho, araka ny tatitra ao amin’ny Diary.
Herinandron’ny 19 Aogositra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho ny Valin’ireo Fanontanianareo.
15 min: “Iza no Manana ny Toetra Ilaina mba Hitoriana?” Miara-mandinika ilay lahatsoratra amin’ny mpitory roa na telo ny loholona iray. Antitrantero ny hoe mahazo ny fampiofanana tsara indrindra azo raisina isika, izay manomana antsika amin’ny fomba feno mba ho minisitr’Andriamanitra. Tsy manana antony hahatsapana hoe tsy ampy fahaizana mba hitory isika.
20 min: “Ny Fomba Fanaovana Mpianatra Amin’ny Alalan’ny Boky Fahalalana”. Fiaraha-mandinika amin’ny mpanatrika ny fehintsoratra 17-26 amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 1996. Manaova fandaharana alohan’ny fotoana mba hampidirana fanandraman-javatra eo an-toerana hitan’ireo izay mitarika fampianarana Baiboly amin’ny alalan’ny boky Fahalalana. Afaka manao teny manorina momba ny fomba nampiharany ny fanoloran-kevitra ao amin’ilay takelaka fanampiny izy ireo, sy momba ny nahazoany fanampiana hanomboka fampianarana Baiboly any an-tokantrano mandroso kokoa. Ampirisiho ny rehetra hitahiry ilay takelaka fanampiny sy hijery azy io manokana indray isaky ny manomboka fampianarana Baiboly vaovao.
Herinandron’ny 26 Aogositra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho ny hoe “Fandaharana Vaovaon’ny Andro Fivoriambe Manokana”.
20 min: Fanehoana Fahalianana Amin’ny Fianaran’ny Zanakao. Lahateny ataon’ny loholona iray. Mandiniha fanazavana avy ao amin’ny bokikely Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Fampianarana, pejy 2-5, izay mampiseho ny antony ankasitrahantsika ny fampiofanana mahasoa omena any an-tsekoly. Diniho ny fomba hanazavana amim-pahaiza-mandanjalanja amin’ny mpampianatra ny antony itanantsika tanjona ara-panahy fa tsy fikatsahan-javatra ara-nofo, eo amin’ny toerana voalohany. Mampidira hevitra avy ao amin’ny “Teny Famaranana”, ao amin’ny pejy 31. Ampirisiho ireo ray aman-dreny hampihatra ny fanoloran-kevitra omena ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) 8 Septambra 1988, pejy 11.
15 min: Ny mpiandraikitra ny fanompoana dia hanao famelabelarana miorina amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 1996, mitondra ny lohateny hoe “Aoka Isika Hanolotra ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika (...)” pejy 4, fehintsoratra 1-3. Azo atolotra amin’ireo olona miara-mianatra Baiboly amintsika sy amin’ny mpiara-miasa ary ny mpiara-mianatra amintsika koa io boky io. Asio fampisehoana iray.