Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Jona
Herinandron’ny 3 Jona
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Manaova teny momba ny tatitra isam-bolana amin’ny fanompoana eny amin’ny saha teto amin’ny nosy sy ny kongregasiona eo an-toerana.
15 min: “Tahafo ny Finoan’izy Ireo”. Fanontaniana sy valiny. Diniho ireo porofon’ny finoana, ao amin’ny faritra voafefy ao amin’ny pejy 13, amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 1992. Manadinadìna mpitory iray na roa mba hahitana izay nanampy azy ireo hihazona ny asany momba ilay Fanjakana ho tsy tapatapaka nandritra ny taona maro.
20 min: “Fampielezana ny Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay”. (Fehintsoratra 1-3). Diniho ny fehintsoratra voalohany. (Mampidira fanazavana avy ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 1996, pejy 12-13, fehintsoratra 11-12.) Hazavao fa ny endrika vaovaon’ny pejy farany amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana dia natao hanampiana antsika ho voaomana tsara hanolokolo ny fahalianana tamin’ny fitsidihana voalohany. Koa satria fahendrena matetika ny manao fiverenana mitsidika ao anatin’ny andro iray na roa, fa tsy hiandry ela kokoa kosa, isika dia handinika fomba fampiseho anolorana hevitra ho amin’ny fitsidihana isan-trano sy ho amin’ny fiverenana mitsidika ao amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana iray ihany. Diniho vetivety ny fehintsoratra 2 sy 3, ka araho fampisehoana iray avy. Ireo fomba fampiseho farany, dia hodinihina amin’ireo Fivoriana Momba ny Fanompoana roa hanaraka.
Herinandron’ny 10 Jona
7 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
8 min: Fampiofanana Ireo Ankizy eo Amin’ny Fanompoana eny Amin’ny Saha. Lahateny ataon’ny loholona iray. Raha mbola kely ireo zanatsika, dia tokony harisika eo amin’ny fanompoana miaraka amintsika. Ny fampiofanana sy ny fanandraman-javatra azony dia hanome azy fototra matanjaka ho an’ny finoany sy ny zotom-pony amin’ireo taona ho avy. Zava-dehibe ny hahatakaran’izy ireo ny ilana hiheverana ny fanompoana ho zava-dehibe sy ny hitondran’izy ireo tena araka ny mety. Tsy maintsy manalavitra ny fitondran-tena mahery setra ireo ankizy; tsy fotoana filalaovana ny fanaovana fanompoana. Tsara indrindra ny hiasan’izy ireo miaraka amin’ireo olon-dehibe. Tokony hampiana izy ireo handray anjara amin’ny fanaovana fomba fampiseho mifanaraka amin’ny fahaizany. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1988, pejy 15, fehintsoratra 20.) Ireo ray aman-dreny no manana andraikitra hanara-maso; tsy tokony handefa ny zanany any amin’ireo fivoriana ho amin’ny fanompoana tsy misy olona lehibe kokoa hanara-maso azy izy ireo. Derao ireo zanaka rehefa tsara ny ataony.
10 min: “Fampielezana ny Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay”. (Fehintsoratra 4-5). Aorian’ny teny fampidirana fohy, dia manaova fampisehoana momba ireo fomba fampiseho ho an’ny fitsidihana voalohany sy ny fiverenana mitsidika eo amin’ny fehintsoratra 4 sy 5. Ampirisiho ireo mpitory hanolokolo haingana ny fahalianana hita tamin’ny fametrahana ny boky Fahalalana.
20 min: “Ny Fomba Fanaovana Mpianatra Amin’ny Alalan’ny Boky Fahalalana”. Manaova teny fanokafana fohy miorina amin’ny fehintsoratra 1 sy 2. Diniho amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny ny fehintsoratra 3-11. Hazavao fa ny ambiny amin’ny takelaka fanampiny dia hodinihina amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ny Jolay sy Aogositra. Ampirisiho ny rehetra hitahiry azy io.
Herinandron’ny 17 Jona
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Valin’ireo Fanontanianareo.
15 min: “Afaka Manohina ny Fo ny Resaka Amim-pisakaizana”. Fanontaniana sy valiny. Asao ny mpitory iray na roa hitantara fanandraman-javatra mampahery izay mampiseho ny vokatra tsara azony noho ny tari-dresaka feno fisakaizana.
20 min: ““Fampielezana ny Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay”. (Fehintsoratra 6-7). Antitrantero ireo tanjona amin’ny fanaovana fiverenana mitsidika: Ny manolokolo fahalianana, ny manomboka fampianarana, ny manao fandaharana voafaritra tsara mba hiverina. Rehefa avy nandinika vetivety ireo fomba fampiseho eo amin’ny fehintsoratra 6 sy 7 ianareo, dia asio fampisehoana ny tsirairay, izay mampiseho ny fomba fanombohana fampianarana. Vakio ny fehintsoratra 17, ao amin’ny pejy 13 amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 1996.
Herinandron’ny 24 Jona
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana. (Na manaova lahateny momba ny hoe “Mampiasa Tsara ny Teny Fahamarinana”, miorina amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1996, pejy 29-31.)
20 min: “Ampio Izy Ireo Hanompo Indray”. Lahateny sy dinika ataon’ny loholona iray. Manolora hevitra ny hampiasa ny lahatsoratra hoe “Miverena Amiko, dia mba Hiverina ho Aminareo Kosa Aho”, ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 1992, mba hampahery an’ireo tsy mitory intsony. Manonòna sasany amin’ireo hevi-dehibe.