Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Aprily
Herinandron’ny 1 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Lazao izay tatitra miavaka rehetra momba ny fankalazanareo ny Fahatsiarovana.
20 min: “Aoka Ianao ho ‘Mazoto Indrindra Amin’ny Asa Tsara’ Mandritra ny Aprily!” Fandinihana ny fehintsoratra 1-8 amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny, ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Hazavao hoe 1) inona no nomanina hatao eo an-toerana ho amin’ny fampitomboana ny fanompoana eny amin’ny saha mandritra ny Aprily, sy hoe 2) ahoana no ahafahana manampy ny rehetra mba handraisany anjara, ary hoe 3) ahoana no ahafahana mampandray anjara ireo vaovao sy ireo tanora.
15 min: Dinika ifanaovan’ny loholona iray sy ny mpanampy amin’ny fanompoana iray momba ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Fianakaviana Tia An’Andriamanitra Tamin’ny Lasa — Modely ho An’izao Androntsika Izao”, hita ao amin’ny pejy 20-23 amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 1995. Asio fampiharana azo tsapain-tanana mba handraisan’ny fianakaviana eo an-toerana soa.
Herinandron’ny 8 Aprily
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty; lazao ny fankasitrahana avy tamin’ny Fikambanana noho ny fanomezana voaray. Resaho ny fomba azo ampiharina ahafahantsika manampy ireo vaovao izay nanatrika ny Fahatsiarovana mba hanao fandrosoana ara-panahy fanampiny. Diniho Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1991, pejy 9-12.
15 min: “Manaova Fanompoana Masina Andro Aman’alina”. Fanontaniana sy valiny. Vakio ny fehintsoratra 5 sy 6.
15 min: “Aoka Ianao ho ‘Mazoto Indrindra Amin’ny Asa Tsara’ Mandritra ny Aprily!” Fandinihana ny fehintsoratra 9-13 amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Ampirisiho ny rehetra hamakafaka ny toe-javatra misy azy manokana sy hikaroka fomba hampitomboana ny fanohanany ny fanompoana eny amin’ny saha.
Herinandron’ny 15 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpanatrika ny amin’ny lahateny ampahibemaso manokana amin’ny 21 Aprily, izay mitondra ny lohateny hoe “Fitoerana ho Tsy Misy Tsiny eo Anivon’ny Taranaka Fangoloka Iray”. Ampirisiho ny hanaovana ezaka amboniny mba hanampiana ny rehetra hanatrika.
15 min: “Niova ny Andro Iainantsika”. Fanontaniana sy valiny. Antitrantero ny hampisehoana ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny fomba izay mifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny olona maika indrindra. Manomeza fanoloran-kevitra momba ny raharaha ara-pianakaviana sy ara-tsosialy sasany izay mitana ny sain’ny olona maro, araka ny voamarika ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1994, pejy 22-23.
20 min: Manolora Famandrihana Amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Mandritra ny Aprily sy May. Raha tsy ekena ny famandrihana, dia atolory ireo gazety. Ao amin’ny faritany iasana matetika, dia manolora izay mety ho bokikely mifanentana rehetra. Raketo an-tsoratra ny zavatra voapetraka rehetra, amin’ny fanaovana ho tanjona ny hanorenana lalana fizarana gazety. Antitrantero ny soa misy vokany be dia be entin’ny fizarana gazety, izay iray amin’ireo fomba mandaitra indrindra hitondrana ny hafatra momba ilay Fanjakana any amin’ny olona. Ataovy azo antoka fa manana tahiry ianao rehefa mandeha manao fanompoana; atolory izy ireny isaky ny misy fahafahana. Ny fanaovan’ny tenantsika fandaharana ho amin’ny Andro Fizarana Gazety isan-kerinandro dia fomba tsara hampitomboana ny isan’ny gazety voapetraka. Ny asa isam-pivarotana sy ny fanaovana fanambarana eny amin’ny arabe amin’ny alalan’ny gazety koa dia ahitam-bokatra. Kolokoloy ny fahalianana amin’ny fiverenana mitsidika atao mba hanombohana fampianarana Baiboly, ka ampiasao ny boky Fahalalana. Asio fampisehoana iray na roa izay anolorana ireo nomerao vao haingana, angamba amin’ny fampiasana fomba fampiseho hita ao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Septambra 1995, pejy 3, fehintsoratra 3-5; vakio ny fehintsoratra 6.
Herinandron’ny 22 Aprily
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Mandiniha indray hevitra nisongadina tamin’ny lahateny manokana natao tamin’ny herinandro lasa. Resaho ny fomba tokony hanosehan’iny fananarana iny an’ireo olona liana mba hiandany amin’ny fomba hentitra amin’ny fanompoam-pivavahana marina. Afa-tsy izany koa, sariho ny saina ho amin’ny hoe “Manohiza Mitombo Amin’ny Fahalalana Araka ny Marina”, ary asongadino ny maha-zava-dehibe ny hanatrehana tsy tapaka ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona.
15 min: Valin’ireo Fanontanianareo. Lahateny ataon’ny loholona iray. Hazavao ny antony tokony hanalaviran’ireo rahalahy mitarika fivoriana ny fifankazarana tafahoatra amin’ny fiantsoana olona amin’ny fanampin’anarany fotsiny.
15 min: “Karohy Ireo Izay Mirona Araka ny Mety”. Diniho ireo fomba fampiseho nanolorana hevitra ary avy eo, dia asio fampisehoana roa mampiseho ny fomba ahafahana mampiasa azy ireny. Arakaraka ny amelan’ny fotoana hanao izany, dia lazao ny sasany amin’ireo fanoloran-kevitra hita ao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Septambra 1995, pejy 4, momba ny fanolorana gazety.
Herinandron’ny 29 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ny olona sasany dia milazalaza antsika Vavolombelon’i Jehovah ho “antokom-pivavahana” (secte), ka mamitaka ny hafa momba ny asantsika sy ny zava-kendrentsika. Amin’ny fampiasana ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 420, dia hazavao vetivety ny fomba hamaliana io fiampangana io.
15 min: Fanehoana Fiheverana Mitovy ny Faritanintsika Rehetra. Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Mety ho tsy voasa firy ireo faritra miparitaka na lavitra. Ny mpitory sasany dia mety hinia tsy hiasa any amin’ny toerana misy olona manankarena na matanjaka ara-pivavahana. Mety hatao tsirambina ny faritany be fandraharahana. Ny mpitory sasany dia mety hangataka tsy tapaka faritany izay tian’ny tenany kokoa, fa tsy izay mila hiasana amin’izay fotoana izay. Ampirisiho ny rehetra mba hanohana ireo ezaka atao mba hamita ireo faritany tsy niasana. Ny vanin-taona maina mazàna dia manome fahafahana tsara hiasana any amin’ny faritra lavitra any ambanivohitra; azo atao angamba ny mandamina antokon’olona mandeha fiara. Ataovy azo antoka fa voasa tanteraka ny faritany, anisan’izany ireo tsy tratra an-trano, alohan’ny hamerenana azy io. Manomeza fanoloran-kevitra azo ampiharina mampiseho ny fomba ahafahan’ny rehetra manampy amin’ny fanehoana fiheverana tsara indrindra ny faritaninareo.
20 min: “Ny Finoana dia avy Amin’ny Zavatra Re”. Resaho ny fomba ahafahana mampiasa ireo gazety voapetraka mba hambolena fahalianana izay ho afaka hitarika ho amin’ny fampianarana Baiboly amin’ny boky Fahalalana. Manaova fampisehoana amin’ny fomba fampiseho roa.