FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/95 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Novambra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Novambra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 6 Novambra
  • Herinandron’ny 13 Novambra
  • Herinandron’ny 20 Novambra
  • Herinandron’ny 27 Novambra
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
km 11/95 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Novambra

Herinandron’ny 6 Novambra

Hira 6, Hira 2

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.

15 min: “Ilay Boky Vaovao dia Manasongadina ny Fahalalana An’Andriamanitra”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Ampirisiho ny rehetra mba hanjary hahalala tsara izay raketin’ilay boky mba hahafahan’izy ireo hampiasa azy io amin’ny fomba mandaitra, eny amin’ny saha.

20 min: “Fanampiana ny Tanora Hisoroka Loza”. Fiaraha-mandinika ilay lahatsoratra amin’ny mpanatrika. Mampanaova fampisehoana momba ilay fomba fampiseho anoloran-kevitra.

Herinandron’ny 13 Novambra

Hira 33, Hira 23

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.

15 min: “Fanatrehana Fivoriana Tsy Tapaka — Tena Ilaina ho An’ny Fiorenantsika Mafy”. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika.

20 min: “Aoka ny Fitondran-tenanareo ho Mendrika ny Vaovao Tsara”. Fanontaniana sy valiny. Manaova teny fanampiny mifototra amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Septambra 1989, pejy 16-17, fehintsoratra 5-9.

Herinandron’ny 20 Novambra

Hira 64, Hira 8

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana.

15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana. (Na manaova lahateny iray hoe “Mankafy ny Fianarana Manokana ve Ianao?”, mifototra amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Jona 1994, pejy 8-11.)

20 min: “Ampio ny Hafa Hahatakatra ny Hasarobidin’ny Baiboly”. Ny loholona iray dia miara-midinika amin’ny mpitory roa na telo ny amin’ny hoe nahoana isika no tokony hanao fiverenana mitsidika, amin’ny fananana ho tanjona ny hanomboka fampianarana Baiboly. Diniho ary avy eo dia anaovy fampisehoana ireo fomba fampiseho anoloran-kevitra momba ny fiverenana mitsidika, toy ny amin’ny fanaovana fanazarana.

Herinandron’ny 27 Novambra

Hira 96, Hira 78

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana.

15 min: “Afantohy Amin’ny Zavatra any Ambony ny Sainao”. Fanontaniana sy valiny.

20 min: Fanolorana Ilay Boky Vaovao hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, Mandritra ny Desambra. Jereo indray ireo lafiny manintona amin’ilay boky — lohateny manaitran’ireo toko sy sary mahaliana, ary koa fanazavana tsotra, velarana kely, ary fampiasana fanontaniana amim-pahakingana. Mifantena hevitra vitsivitsy azo resahina izay mety hanintona ny olona eny amin’ny faritany eo an-toerana. Ny boky Fahalalana dia nokendrena indrindra indrindra hitarihana fampianarana Baiboly mandroso, ary tokony hanaovana ezaka manokana ny fanolokoloana ny fahalianan’ireo rehetra nametrahana azy io, ho fikendrena ny hanomboka fampianarana Baiboly. Asao ny mpitory mahay iray hanao fampisehoana momba ny fomba fampiseho fohy iray na roa. Ampirisiho ny rehetra mba hampiasa tsara an’io boky vaovao io eny amin’ny saha, manomboka amin’ny Desambra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara