Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika Amin’ny 1996
TOROMARIKA
Mandritra ny taona 1996, dia izao manaraka izao no ho fandaharana harahina rehefa mitarika ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika.
BOKY HIANARANA: Ny Baiboly, ny boky Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina [uw], “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa” [si], ny bokikely Foto-dresaka Araka ny Baiboly [td], ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay [kl], sy Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina [rs], no hiorenan’ireo anjara.
Tokony hanomboka ARA-POTOANA amin’ny hira sy ny vavaka ary teny fiarahabana tonga soa ny sekoly, ary avy eo dia ho toy izao ny fizotrany:
ANJARA VOAL.: 15 minitra. Loholona iray na mpanampy amin’ny fanompoana iray no tokony hanao itỳ lahateny itỳ, ary hiorina amin’ny boky Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina na “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa” izany. Tokony haseho ho toy ny lahateny fampianarana 10 ka hatramin’ny 12 minitra itỳ anjara itỳ, harahina famerenana am-bava 3 ka hatramin’ny 5 minitra izay hampiasana ireo fanontaniana ao amin’ilay boky. Tsy ny fandinihana ilay zavatra ianarana fotsiny no tokony ho zava-kendrena, fa ny hampifantohana ny saina amin’ny maha-azo ampiharina ilay fanazavana resahina, amin’ny fanasongadinana izay hahasoa indrindra ny kongregasiona. Ny loha hevitra aseho no tokony hampiasaina. Ampirisihina ny rehetra mba hanao fanomanana mialoha amim-pitandremana mba handray soa feno avy amin’io zavatra ianarana io ny mpanatrika.
Tokony hitandrina mba tsy hihoatra ny fotoana ireo rahalahy notendrena hanao io lahateny io. Azo atao ny manome torohevitra mitokana raha tena ilaina na raha angatahin’ilay mpandahateny mialoha izany.
HEVITRA MISONGADINA AVY AMIN’NY FAMAKIANA NY BAIBOLY: 6 minitra. Itỳ dia tokony hataon’ny loholona iray na ny mpanampy amin’ny fanompoana iray izay hampihatra amin’ny fomba mandaitra ny zavatra dinihina amin’izay ilaina eo an-toerana. Tsy tokony ho famintinana fotsiny ilay tapany ao amin’ny Baiboly natao hovakina izy itỳ. Azo ampidirina amin’izany ny famerenana amin’ny ambangovangony 30 ka hatramin’ny 60 segondra ireo toko natao hovakina. Ny zava-kendrena lehibe indrindra anefa dia ny hanampy ny mpanatrika hahatakatra hoe nahoana ary hoe amin’ny fomba ahoana ilay fanazavana no mahasoa antsika. Avy eo dia hasain’ny mpiandraikitra ny sekoly hankany amin’ny kilasy samihafa ireo mpianatra.
ANJARA FAHA-2: 5 minitra. Itỳ dia famakiana ilay fizarana nasaina novakina ao amin’ny Baiboly, hataon’ny rahalahy iray. Hampiharina ao amin’ny kilasy lehibe ary koa ao amin’ireo kilasy hafa izany. Mazàna dia fohy ireo fizarana nasaina novakina mba hahafahan’ilay mpianatra hanolotra fanazavana fohy ao amin’ny teny fampidirana sy ny teny famaranana hataony. Azo ampidirina ao amin’izany ny fanazavana ara-tantara, hevitra ara-paminaniana na ara-pampianarana sy fampiharana fotopoto-pitsipika. Tokony hovakina tsy misy fanapahana azy ireo andinin-teny rehetra. Mazava ho azy fa rehefa tsy misesy ireo andinin-teny tokony hovakina, dia azon’ilay mpianatra atao ny manonona ilay andinin-teny izay hitohizan’ny famakian-teny.
ANJARA FAHA-3: 5 minitra. Asaina hataon’ny anabavy iray itỳ anjara itỳ. Hiorina amin’ny bokikely Foto-dresaka Araka ny Baiboly na ny boky Fahalalana ny foto-kevitra amin’itỳ anjara itỳ. Tokony hahay hamaky teny ilay mpianatra notendrena hanao azy. Azon’ilay mpianatra atao ny mipetraka na mitsangana rehefa manao itỳ anjara itỳ. Ny anabavy notendrena hanao itỳ anjara itỳ dia hila ny hampifanaraka ilay loha hevitra sy ny zavatra dinihina amin’ny faritra tena misy; tsaratsara kokoa raha mahafaoka fanompoana eny amin’ny saha na fanambarana tsy ara-potoana ilay faritra fidina. Rehefa miorina amin’ny boky Fahalalana ilay anjara, dia mety ho fiverenana mitsidika na fampianarana Baiboly any an-tokantrano ny faritra. Ny mpiandraikitra ny sekoly dia hihevitra indrindra ny amin’ny fomba anampian’ilay mpianatra an’ilay tompon-trano hanjohy hevitra sy hahatakatra ilay zavatra dinihina, sy ny fomba ampiharana an’ireo andinin-teny. Tsy voatery hovakina ireo fehintsoratra ao amin’ilay boky. Hanendry mpanampy azy iray ny mpiandraikitra ny sekoly, nefa azo atao ny mampiasa mpanampy azy fanampiny. Tsy ny faritra anefa no tokony homena fiheverana lehibe indrindra fa ny fampiasana amin’ny fomba mandaitra ny zavatra dinihina.
ANJARA FAHA-4: 5 minitra. Hampanaovina rahalahy iray na anabavy iray izy itỳ. Hiorina amin’ny boky Fanjohian-kevitra izany. Rehefa rahalahy no voatendry hanao azy, dia tokony ho lahateny ho an’ny mpanatrika rehetra izany. Mazàna dia tsara indrindra ny hanomanan’ilay rahalahy ny lahateniny amin’ny fieritreretana an’ireo mpanatrika ao amin’ny Efitrano Fanjakana, mba ho tena hahitana fianarana sy hahasoa an’ireo izay tena mandre azy io. Rehefa anabavy no omena itỳ anjara itỳ, dia tokony haseho araka ny voasoritra ho an’ny Anjara Faha-3 ny zavatra dinihina.
TOROHEVITRA SY FANAMARIHANA: Aorian’ny anjaran’ny mpianatra tsirairay, dia hanome torohevitra voafaritra tsara ny mpiandraikitra ny sekoly, kanefa tsy voatery hanaraka ny filaharan’ireo torohevitra voalaza ao amin’ny taratasy Torohevitra Momba ny Lahateny izy. Tokony hifantoka amin’ireo lafin-javatra izay ilan’ilay mpianatra hihatsarana kosa izy. Raha mendrika ny hahazo “T” ilay mpianatra, ka tsy misy toetra hafa takina amin’ny fahaiza-mandahateny voamarika hoe “M” na “I”, ilay mpanome torohevitra dia tokony hanisy faribolana eo amin’ilay faritra fametrahana ny hoe “T”, “M” na “I”, mifanandrify amin’ilay toetra takina tokony hotandreman’ilay mpianatra amin’ny manaraka. Hampahafantatra ny amin’izany an’ilay mpianatra izy amin’io hariva io ary koa hametaka io toetra takina io eo amin’ny taratasy Fanomezana Anjara Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika (S-89) manaraka. Ireo manana anjara dia tokony hipetraka eo amin’ireo toerana eny aloha ao amin’ny efitrano. Izany dia hitsitsiana fotoana ary mba hahafahan’ny mpiandraikitra ny sekoly hanome ny toroheviny mivantana amin’ny mpianatra tsirairay avy. Raha mamela hanao izany ny fotoana aorian’ny nanomezana ny torohevitra am-bava tena ilaina, dia azon’ilay mpanome torohevitra atao ny milaza hevitra ahitana fianarana sy azo ampiharina izay tsy noresahin’ireo mpianatra. Tokony hitandrina ny mpiandraikitra ny sekoly mba tsy handany mihoatra ny roa minitra ho an’ny torohevitra sy izay fanamarihana fohy hafa rehetra ataony aorian’ny anjaran’ny mpianatra tsirairay avy. Raha misy hokianina amin’ny fampisehoana ireo hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly, dia azo atao ny manome torohevitra mitokana.
FANOMANANA IREO ANJARA: Alohan’ny hanomanana anjara iray, ilay mpianatra dia tokony hamaky amim-pitandremana ilay fanazavana ao amin’ny Boky ho An’ny Sekoly miresaka momba ilay toetra takina hotandremany. Mahazo mifidy loha hevitra iray mifanentana amin’ny tapany amin’ny Baiboly tokony hovakina ireo mpianatra nomena ny Anjara Faha-2. Hovelabelarina mifanaraka amin’ny loha hevitra voatondro ao amin’ny fandaharana ireo anjara hafa.
FAHARETANY: Tsy tokony hisy anjara hihoatra ny fotoana. Torak’izany koa ireo torohevitra sy fanamarihana ataon’ny mpanome torohevitra. Tokony hatsahatra amim-pahaiza-mandanjalanja ireo Anjara Faha-2 ka hatramin’ny Faha-4 rehefa tapitra ny fotoanany. Tokony hanao izany avy hatrany ilay notendrena hanome ny famantarana ny fampitsaharana. Rehefa mihoatra ny fotoana ireo rahalahy mamelabelatra ny Anjara voalohany sy ireo hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly, dia tokony homena torohevitra mitokana. Tokony hitandrina tsara ny amin’ny faharetan’ny anjarany ny rehetra. Fandaharana manontolo: 45 minitra, tsy tafiditra amin’izany ny hira sy ny vavaka.
FAMERENANA AN-TSORATRA: Hisy famerenana an-tsoratra homena ara-potoana. Ho fiomanana ho amin’izany, dia jereo indray ireo lesona nianarana ary tapero ny famakiana Baiboly tafiditra tao amin’ny fandaharana. Ny Baiboly ihany no boky azo ampiasaina mandritra ny famerenana haharitra 25 minitra. Ny fotoana tavela dia hatokana ho an’ny fandinihana ireo fanontaniana sy valiny. Samy hitsara ny taratasiny ny mpianatra tsirairay. Handinika ny valim-panontaniana miaraka amin’ny mpanatrika ny mpiandraikitra ny sekoly ary hifantoka amin’ireo sarotra kokoa, ka hanampy ny rehetra hahatakatra mazava tsara ireo valiny. Raha misy antony aneren’ny toe-javatra eo an-toerana ny hanaovana ny famerenana an-tsoratra herinandro aorian’izay voalaza eo amin’ny fandaharana, dia ho azo atao izany.
KONGREGASIONA LEHIBE: Ireo kongregasiona misy mpianatra eo amin’ny 50 na mahery misoratra anarana dia mety haniry ny handamina ny hisian’ny antokona mpianatra fanampiny hanao ireo anjara anendrena eo anoloan’ny mpanome torohevitra hafa. Mazava ho azy fa ireo olona tsy vita batisa izay manana fiainana mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika kristiana dia mahazo misoratra anarana koa ary hahazo anjara.
TSY FAHATONGAVANA: Afaka mampiseho ny fankasitrahany an’io sekoly io ny rehetra ao amin’ny kongregasiona, amin’ny fiezahana ho tonga amin’ny fianarana rehetra atao isan-kerinandro, amin’ny fanomanana tsara ny anjarany, ary amin’ny fandraisana anjara amin’ireo fotoam-pivoriana misy fanontaniana. Antenaina fa hihevitra ny anjarany amim-pieritreretana tsara ny mpianatra rehetra. Raha tsy tonga ny mpianatra iray voatendry amin’ny fandaharana, dia azon’ny olona iray atao ny manolo-tena hanao ny anjarany, ka hanao fampiharana izay heveriny fa ho vitany ao anatin’ny fotoana fohy toy izany izy. Na, azon’ny mpiandraikitra ny sekoly atao ny mandinika ilay zavatra ianarana amin’ny fampandraisana anjara ny mpanatrika rehefa mety izany.
FANDAHARANA
1 Jan. Famakiana Baiboly: Jeremia 13-15
Hira No. 213
No. 1: Ny Fomba Ahazoana ny Tena Firaisan-tsaina Kristiana (uw p. 5-7, feh. 1-7)
No. 2: Jeremia 14:10-22
No. 3: td 27B Izay Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra ho An’ny Olombelona
No. 4: Tsy Nankany An-danitra tao Amin’ny Vatana Hita Maso i Jesosy (rs p. 166, feh. 1-4)
8 Jan. Famakiana Baiboly: Jeremia 16-19
Hira No. 163
No. 1: Ireo Lafin-javatra Tena Ilaina ho Amin’ny Firaisan-tsaina Kristiana (uw p. 8, feh. 8-8[3])
No. 2: Jeremia 18:1-17
No. 3: td 27D Manomboka ny Fanapahan’ilay Fanjakana Raha Mbola eo Am-perinasa ny Fahavalon’i Kristy
No. 4: Ny Antony Nisehoan’i Jesosy tao Amin’ny Tena Ara-nofo (rs p. 166, feh. 5–p. 167, feh. 3)
15 Jan. Famakiana Baiboly: Jeremia 20-22
Hira No. 186
No. 1: Ireo Lafin-javatra Fanampiny Mampiray ny Kristiana (uw p. 9, feh. 8[4]-9)
No. 2: Jeremia 20:1-13
No. 3: td 27F Tsy Tonga Amin’ny Alalan’ny Fiezahan’olombelona ny Fanjakan’Andriamanitra
No. 4: Ho Sahala Amin’i Kristy Ireo Hatsangana Hiara-manapaka Aminy (rs p. 167, feh. 5–p. 168, feh. 4)
22 Jan. Famakiana Baiboly: Jeremia 23-25
Hira No. 89
No. 1: Andosiro Ireo Antony Mampisaratsaraka (uw p. 10-11, feh. 10-12)
No. 2: Jeremia 23:16-32
No. 3: td 2A Izay Atao hoe “ny Faran’izao Tontolo Izao”
No. 4: Ny Atao hoe Fitsanganana Amin’ny Maty ho An’ny Olona Amin’ny Ankapobeny (rs p. 168, feh. 5–p. 169, feh. 3)
29 Jan. Famakiana Baiboly: Jeremia 26-28
Hira No. 97
No. 1: Ilay Karazana Persona Maha-izy An’i Jehovah (uw p. 12-13, feh. 1-4)
No. 2: Jeremia 26:1-16
No. 3: td 2B Aoka Ianao Hahatsapa Hatrany Ireo Porofon’ny Andro Farany
No. 4: Ny Antony Tsy Hanamelohana Ireo Hatsangana Amin’ny Maty Noho Izay Nataony Tamin’ny Lasa (rs p. 170, feh. 2)
5 Feb. Famakiana Baiboly: Jeremia 29-31
Hira No. 35
No. 1: Manahafa ny Oha-pitiavana Nasehon’i Jehovah (uw p. 14-15, feh. 5-7)
No. 2: Jeremia 31:27-40
No. 3: td 30A Mampanantena Fiainana Mandrakizay ho An’ny Olombelona Mankato Andriamanitra
No. 4: Ny Fomba Ahaveloman’ny “Sisa Amin’ny Maty” eto An-tany (rs p. 170, feh. 3–p. 171, feh. 3)
12 Feb. Famakiana Baiboly: Jeremia 32, 33
Hira No. 166
No. 1: Ampianaro ny Fahamarinana Momba An’Andriamanitra ny Olona (uw p. 15-17, feh. 8-11[2])
No. 2: Jeremia 33:1-3, 14-26
No. 3: td 30E Ireo Anisan’ny Tenan’i Kristy Ihany no Mankany An-danitra
No. 4: Ireo Tafiditra Amin’ny Fitsanganana Amin’ny Maty ho eto An-tany (rs p. 171, feh. 4–p. 172, feh. 4)
19 Feb. Famakiana Baiboly: Jeremia 34-37
Hira No. 85
No. 1: Tsy Misy Afa-tsy Jehovah Iray Ihany (uw p. 17-18, feh. 11[3]-12)
No. 2: Jeremia 35:1-11, 17-19
No. 3: td 30F Nampanantenaina Fiainana Mandrakizay ny “Ondry Hafa” Tsy Voafetra Isa
No. 4: Mitranga Mandritra ny Fe-potoana Maharitra Taona Maro Ireo Fisehoan-javatra Mifandray Amin’ny Fanatrehan’i Kristy (rs p. 276, feh. 1, 2)
26 Feb. Famakiana Baiboly: Jeremia 38-41
Hira No. 117
No. 1: Ny Hevitry ny hoe Mandeha Amin’ny Anaran’Andriamanitra (uw p. 18-19, feh. 13-15)
No. 2: Jeremia 38:1-13
No. 3: td 20B Tsy Maintsy Mendri-kaja ny Fanambadiana
No. 4: Tsy Hita Maso ny Fiverenan’i Kristy (rs p. 277, feh. 1-3)
4 Mar. Famakiana Baiboly: Jeremia 42-45
Hira No. 44
No. 1: Ampio ny Hafa Hanaiky ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra (uw p. 20-22, feh. 1-6)
No. 2: Jeremia 43:1-13
No. 3: td 20D Tsy Maintsy Hajain’ny Kristiana ny Fotopoto-pitsipika Momba ny Maha-lohany
No. 4: Ny Fomba Fiverenan’i Jesosy sy ny Fomba Hahitan’ny Maso Rehetra Azy (rs p. 277, feh. 5–p. 279, feh. 1)
11 Mar. Famakiana Baiboly: Jeremia 46-48
Hira No. 46
No. 1: Vakio Isan’andro ny Baiboly (uw p. 23-25, feh. 7-11)
No. 2: Jeremia 48:1-15
No. 3: td 20E Ny Andraikitry ny Ray Aman-dreny Kristiana Amin’ny Zanany
No. 4: Ireo Fisehoan-javatra Mifandray Amin’ny Fanatrehan’i Kristy (rs p. 279, feh. 2-6)
18 Mar. Famakiana Baiboly: Jeremia 49-50
Hira No. 175
No. 1: Mianara mba Hahafantarana ny Amin’i Jehovah (uw p. 25-26, feh. 12-12[1])
No. 2: Jeremia 49:1-11, 15-18
No. 3: td 20F Tsy Tokony Hanambady Afa-tsy ny Kristiana Tahaka Azy Ihany ny Kristiana
No. 4: Tsy Takina Amin’ny Kristiana ny Fitandremana ny Sabata (rs p. 362, feh. 1–p. 363, feh. 2)
25 Mar. Famakiana Baiboly: Jeremia 51-52
Hira No. 70
No. 1: Jeremia: Mahasoa — Nahoana? (si p. 129, feh. 36-39)
No. 2: Jeremia 51:41-57
No. 3: td 20G Tsy Manambady Maro ny Kristiana Marina
No. 4: Tsy Misy Firaketana An-tsoratra Ara-baiboly ny Amin’ny Nitandreman’i Adama Andro Sabata (rs p. 363, feh. 3–p. 364, feh. 1)
1 Apr. Famakiana Baiboly: Fitomaniana 1, 2
Hira No. 170
No. 1: Teny Fampidirana ny Fitomaniana (si p. 130-131, feh. 1-7)
No. 2: Fitomaniana 2:13-22
No. 3: td 39A Tsy “Renin’Andriamanitra” i Maria
No. 4: Tsy Nizara ny Lalàn’i Mosesy ho Tapany “Ara-pombafomba” sy “Ara-pitondran-tena” i Jesosy (rs p. 364, feh. 2, 3)
8 Apr. Famakiana Baiboly: Fitomaniana 3-5
Hira No. 140
No. 1: Fitomaniana: Mahasoa — Nahoana? (si p. 132, feh. 13-15)
No. 2: Fitomaniana 5:1-22
No. 3: td 39D Asehon’ny Baiboly fa Tsy “Virjiny Foana” Akory i Maria
No. 4: Foana Niaraka Tamin’ny Lalàn’i Mosesy ny Didy Folo (rs p. 365, feh. 1, 2)
15 Apr. Famakiana Baiboly: Ezekiela 1-4
Hira No. 112
No. 1: Teny Fampidirana ny Ezekiela (si p. 132-133, feh. 1-6)
No. 2: Ezekiela 3:16-27
No. 3: td 13A Izay Lazain’ny Soratra Masina Momba ny Fahatsiarovana
No. 4: Ny Antony Tsy Nanesorana ny Fameperana Ara-pitondran-tena Rehefa Nofoanana ny Didy Folo (rs p. 365, feh. 3–p. 366, feh. 1)
22 Apr. Famakiana Baiboly: Ezekiela 5-8
Hira No. 180
No. 1: Diniho ny Foto-kevitry ny Baiboly sy ny Teny Manodidina An’ireo Andinin-teny (uw p. 26, feh. 12[2] sy 12[3])
No. 2: Ezekiela 5:1-15
No. 3: td 13B Tsy Araka ny Soratra Masina ny Fankalazana Lamesa
No. 4: Ny Hevitry ny hoe Sabata ho An’ny Kristiana (rs p. 366, feh. 2–p. 367, feh. 4)
29 Apr. Famerenana An-tsoratra. Tapero ny Jeremia 13 — Ezekiela 8
Hira No. 113
6 May Famakiana Baiboly: Ezekiela 9-11
Hira No. 124
No. 1: Manaova Fampiharana Manokana ary Zarao Amin’ny Hafa Izay Ianaranao (uw p. 26-28, feh. 12[4]-13)
No. 2: Ezekiela 9:1-11
No. 3: Irin’Andriamanitra ny Hanananao Hoavy Sambatra (kl p. 6-7, feh. 1-5)
No. 4: Izay Resahin’ny Baiboly ho Olona Masina (rs p. 347, feh. 1-p. 348, feh. 2)
13 May Famakiana Baiboly: Ezekiela 12-14
Hira No. 105
No. 1: Izay Lazain’ny Mpaminany Momba An’i Jesosy (uw p. 29-31, feh. 1-6)
No. 2: Ezekiela 14:1-14
No. 3: Fiainana Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa — Tsy Nofinofy (kl p. 7-9, feh. 6-10)
No. 4: Ny Antony Tsy Ivavahantsika Amin’ny “Olo-masina” (rs p. 348, feh. 3–p. 349, feh. 2)
20 May Famakiana Baiboly: Ezekiela 15, 16
Hira No. 149
No. 1: Hevero Amim-pitandremana Ireo Sary Ara-paminaniana (uw p. 32-33, feh. 7-8[2])
No. 2: Ezekiela 16:46-63
No. 3: Izay ho Endriky ny Fiainana ao Amin’ny Paradisa (kl p. 9-10, feh. 11-16)
No. 4: Ny Fahamarinana Momba ny Fankamasinana Relìka (Sisam-paty) sy Sarin’ny “Olo-masina” (rs p. 349, feh. 3–p. 350, feh. 3)
27 May Famakiana Baiboly: Ezekiela 17-19
Hira No. 120
No. 1: Naseho An-tsary Mialoha Ilay Mpisoronabentsika (uw p. 33, feh. 8[3] sy 8[4])
No. 2: Ezekiela 18:21-32
No. 3: Ny Maha-zava-dehibe ny Fahalalana An’Andriamanitra (kl p. 10-11, feh. 17-19)
No. 4: Tsy Afaka Amin’ny Ota ny Kristiana Marina Izay Olona Masina (rs p. 350, feh. 4)
3 Jona Famakiana Baiboly: Ezekiela 20, 21
Hira No. 144
No. 1: Ny Fomba Azontsika Anehoana ny Finoantsika An’i Kristy (uw p. 33-37, feh. 9-14)
No. 2: Ezekiela 21:23-37
No. 3: Ilay Boky Mampiharihary ny Fahalalana An’Andriamanitra (kl p. 12-13, feh. 1-6)
No. 4: Tsy Ara-Baiboly ny Famonjena ny Olona Rehetra (rs p. 126, feh. 2)
10 Jona Famakiana Baiboly: Ezekiela 22-23
Hira No. 222
No. 1: Mitondra ny Tena Fahafahana ny Fankatoavana An’Andriamanitra (uw p. 38-40, feh. 1-5)
No. 2: Ezekiela 22:17-31
No. 3: Izay Ahariharin’ny Baiboly Momba An’Andriamanitra (kl p. 14-15, feh. 7-9)
No. 4: Hahazo Famonjena ve ny Olona Rehetra Amin’ny Farany? (rs p. 127, feh. 1)
17 Jona Famakiana Baiboly: Ezekiela 24-26
Hira No. 160
No. 1: Ny Ahitana ny Tena Fahafahana Amin’izao Andro Izao (uw p. 40-42, feh. 6-9)
No. 2: Ezekiela 26:1-14
No. 3: Ny Antony Ahafahanao Mitoky Amin’ny Baiboly (kl p. 15-16, feh. 10-13)
No. 4: Hovonjena ny “Karazan’olona Rehetra” (rs p. 127, feh. 2)
24 Jona Famakiana Baiboly: Ezekiela 27-29
Hira No. 159
No. 1: Fanandevozana, Raha ny Marina, ny Fahafahana Araka An’izao Tontolo Izao (uw p. 42-43, feh. 10-12)
No. 2: Ezekiela 29:1-16
No. 3: Araka ny Marina sy Azo Itokiana ny Baiboly (kl p. 17, feh. 14, 15)
No. 4: Milaza ny Baiboly fa Tsy Hovonjena Mihitsy ny Olona Sasany (rs p. 128, feh. 1-3)
1 Jolay Famakiana Baiboly: Ezekiela 30-32
Hira No. 132
No. 1: Ny Fomba Hamantarana ny Fifaneraserana Ratsy (uw p. 44-45, feh. 13, 14)
No. 2: Ezekiela 31:1-14
No. 3: Bokim-paminaniana ny Baiboly (kl p.18, feh. 16-18)
No. 4: Ny hoe Voavonjy Indray Mandeha Tsy Midika hoe Voavonjy Foana (rs p. 128, feh. 4-7)
8 Jolay Famakiana Baiboly: Ezekiela 33, 34
Hira No. 84
No. 1: Ilay Raharaha Lehibe Tsy Maintsy Atrehin’ny Olona Rehetra (uw p. 46-47, feh. 1-3)
No. 2: Ezekiela 34:17-30
No. 3: Ireo Faminanian’ny Baiboly Momba An’i Jesosy (kl. p. 19-21, feh. 19, 20)
No. 4: Ny Antony Tsy Maintsy Ampanarahana Asa ny Finoana (rs p. 129, feh. 1-4)
15 Jolay Famakiana Baiboly: Ezekiela 35-37
Hira No. 38
No. 1: Tahafo ny Finoan’ireo Olona Tsy Nivadika (uw p. 47-52, feh. 4-11)
No. 2: Ezekiela 35:1-15
No. 3: Mampitomboa Faniriana Mafy ny Fahalalana An’Andriamanitra (kl p. 21-22, feh. 21-23)
No. 4: Ny Fomba Ahafantarantsika fa Tena Misy ny Devoly (rs p. 373, feh. 1–p. 374, feh. 1)
22 Jolay Famakiana Baiboly: Ezekiela 38, 39
Hira No. 26
No. 1: Fanomezana Voninahitra An’i Jehovah Amin’ny Fitondran-tenantsika (uw p. 52-54, feh. 12-15)
No. 2: Ezekiela 38:1-4, 10-12, 18-23
No. 3: Ilay Andriamanitra Marina sy ny Anarany (kl p. 23-24, feh. 1-5)
No. 4: Tsy ny Ratsy ao Anatin’ny Olona Fotsiny i Satana (rs p. 374, feh. 2-4)
29 Jolay Famakiana Baiboly: Ezekiela 40-44
Hira No. 67
No. 1: Izay Ianarantsika avy Amin’ny Famelan’Andriamanitra ny Ratsy Hisy (uw p. 55-57, feh. 1-7)
No. 2: Ezekiela 40:1-15
No. 3: Ny Antony Tokony Hampiasanao ny Anaran’Andriamanitra (kl p. 24-25, feh. 6-8)
No. 4: Tsy Namorona ny Devoly Andriamanitra (rs p. 375, feh. 1)
5 Aog. Famakiana Baiboly: Ezekiela 45-48
Hira No. 63
No. 1: Ezekiela: Mahasoa — Nahoana? (si p. 137, feh. 29-33)
No. 2: Ezekiela 47:1-12
No. 3: Ny Nanaovan’i Jehovah ny Anarany ho Lehibe (kl p. 25-27, feh. 9-13)
No. 4: Ny Antony Tsy Nandringanan’Andriamanitra An’i Satana Avy Hatrany Taorian’ny Nikomiany (rs p. 375, feh. 2–p. 376, feh. 1)
12 Aog. Famakiana Baiboly: Daniela 1, 2
Hira No. 102
No. 1: Teny Fampidirana ny Daniela (si p. 138-139, feh. 1-6)
No. 2: Daniela 2:31-45
No. 3: Ireo Toetran’ilay Andriamanitra Marina (kl p. 27-28, feh. 14-16)
No. 4: Aza Mihevitra ny Herin’ny Devoly ho Tsinontsinona (rs p. 376, feh. 2–p. 377, feh. 1)
19 Aog. Famakiana Baiboly: Daniela 3, 4
Hira No. 41
No. 1: Tsy mba Misy Tsy Rariny Mihitsy ao Amin’Andriamanitra (uw p. 58-61, feh. 8-16)
No. 2: Daniela 3:16-30
No. 3: Mamindra Fo sy Miantra i Jehovah Andriamanitra (kl p. 28-29, feh. 17-19)
No. 4: Akaiky ny Fanafahana Avy Amin’ny Fitaoman-dratsin’i Satana (rs p. 377, feh. 3–p. 378, feh. 2)
26 Aog. Famerenana An-tsoratra. Tapero ny Ezekiela 9 — Daniela 4
Hira No. 114
2 Sept. Famakiana Baiboly: Daniela 5, 6
Hira No. 56
No. 1: Tohero Ireo Fanahy Ratsy (uw p. 62-64, feh. 1-5)
No. 2: Daniela 6:5-12, 17, 20-24
No. 3: Tsy Mora Tezitra, Tsy Mizaha Tavan’olona, Marina i Jehovah (kl p. 30, feh. 20, 21)
No. 4: Fahotana Avokoa ve ny Firaisan’ny Lahy sy ny Vavy Rehetra? (rs p. 343, feh. 1–p. 344, feh. 2)
9 Sept. Famakiana Baiboly: Daniela 7, 8
Hira No. 138
No. 1: Aoka Isika ho Mailo Amin’ireo Tetika Feno Hafetsen-dratsin’ny Devoly (uw p. 64-67, feh. 6-12)
No. 2: Daniela 7:2-14
No. 3: Iray Ihany i Jehovah (kl p. 30-31, feh. 22, 23)
No. 4: Izay Lazain’ny Baiboly Momba ny Firaisan’ny Samy lehilahy na ny Samy Vehivavy (rs p. 344, feh. 4–p. 345, feh. 2)
16 Sept. Famakiana Baiboly: Daniela 9, 10
Hira No. 123
No. 1: Tafio Avokoa ny Fiadiana avy Amin’Andriamanitra (uw p. 67-69, feh. 13-15)
No. 2: Daniela 9:20-27
No. 3: I Jesosy Kristy no Fanalahidin’ny Fahalalana An’Andriamanitra (kl p. 32, 33, feh. 1-3)
No. 4: Ireo Fiovana Tsy Maintsy Atao mba Hampifaliana An’Andriamanitra (rs p. 345, feh. 3–p. 346, feh. 1)
23 Sept. Famakiana Baiboly: Daniela 11, 12
Hira No. 88
No. 1: Daniela: Mahasoa — Nahoana? (si p. 141-142, feh. 19-23)
No. 2: Daniela 12:1-13
No. 3: Ilay Mesia Nampanantenaina (kl p. 33, feh. 4, 5)
No. 4: Ny Antony Mety Hanotan’ny Olona Lavorary Iray (rs p. 119, feh. 1–p. 120, feh. 2)
30 Sept. Famakiana Baiboly: Hosea 1-5
Hira No. 50
No. 1: Teny Fampidirana ny Hosea (si p. 143-144, feh. 1-8)
No. 2: Hosea 5:1-15
No. 3: Mampahafantatra Azy ho Ilay Mesia ny Filazam-pirazanan’i Jesosy (kl p. 34, feh. 6)
No. 4: Ny Antony Anekentsika ny Fahotana Araka Izay Maha-izy Azy (rs p. 121, feh. 1–p. 122, feh. 2)
7 Okt. Famakiana Baiboly: Hosea 6-10
Hira No. 185
No. 1: Ny Fahalalana sy ny Finoana ary ny Fitsanganana Amin’ny Maty (uw p. 70-73, feh. 1-7)
No. 2: Hosea 8:1-14
No. 3: Mampahafantatra An’i Jesosy ho Ilay Mesia ny Faminaniana Tanteraka (kl p. 34-36, feh. 7, 8)
No. 4: Ny Vokatry ny Fahotana eo Amin’ny Fifandraisantsika Amin’Andriamanitra (rs p. 122, feh. 3–p. 123, feh. 3)
14 Okt. Famakiana Baiboly: Hosea 11-14
Hira No. 146
No. 1: Hosea: Mahasoa — Nahoana? (si p. 145, feh. 14-17)
No. 2: Hosea 11:1–12:1
No. 3: Porofo Fanampiny fa i Jesosy no Ilay Mesia (kl p. 36, feh. 9)
No. 4: Izay Lazain’ny Baiboly Momba ny Fanahy (Âme) (rs p. 149, feh. 1-5)
21 Okt. Famakiana Baiboly: Joela 1-4
Hira No. 143
No. 1: Teny Fampidirana ny Joela sy ny hoe Mahasoa — Nahoana? (si p. 146-148, feh. 1-5, 12-14)
No. 2: Joela 2:1-11; 3:1-5
No. 3: Manao Teny Fanamarinana Momba ny Zanany i Jehovah (kl p. 38, feh. 10, 11)
No. 4: Milaza ny Baiboly fa Fanahy (Âmes) ny Biby (rs p. 149, feh. 6–p. 151, feh. 1)
28 Okt. Famakiana Baiboly: Amosa 1-5
Hira No. 151
No. 1: Teny Fampidirana ny Amosa (si p. 148-149, feh. 1-6)
No. 2: Amosa 3:1-15
No. 3: Ny Fisian’i Jesosy Talohan’ny Naha-olombelona Azy (kl p. 39, feh. 12-14)
No. 4: Samy Tsy Manohy Manana Fiainana Misy Fahatsiarovan-tena ny Fanahy (Âme) sy ny Fanahy (Esprit) eo Amin’ny Fahafatesana (rs p. 151, feh. 2–p. 153, feh. 4)
4 Nov. Famakiana Baiboly: Amosa 6-9
Hira No. 212
No. 1: Amosa: Mahasoa — Nahoana? (si p. 150, feh. 13-17)
No. 2: Amosa 8:1-14
No. 3: Ny Fiainan’i Jesosy Teto An-tany (kl 40-41, feh. 15-17)
No. 4: Ny Fomba Ilazalazan’ny Baiboly ny Fanahy Masina (rs p. 154, feh. 1-3)
11 Nov. Famakiana Baiboly: Obadia – Jona 4
Hira No. 215
No. 1: Teny Fampidirana ny Obadia sy ny Jona, ary koa ny hoe Mahasoa — Nahoana? (si p. 151-153, feh. 1-5, 10-14; p. 153-155, feh. 1-4, 9-12)
No. 2: Jona 3:10; 4:1-11
No. 3: Velona i Jesosy ary Manapaka Amin’ny Maha-Mpanjaka (kl p. 41-42, feh. 18-20)
No. 4: Porofo fa Manana ny Fanahy Masina ny Olona Iray (rs p. 154, feh. 5–p. 155, feh. 3)
18 Nov. Famakiana Baiboly: Mika 1-4
Hira No. 139
No. 1: Teny Fampidirana ny Mika (si p. 155-156, feh. 1-8)
No. 2: Mika 4:1-12
No. 3: Ny Fanompoam-pivavahana Eken’Andriamanitra (kl p. 43-45, feh. 1-5)
No. 4: Tsy Misy Tapany Ara-panahy Amin’ny Olombelona Mbola Velona Ihany Rehefa Maty ny Vatana (rs p. 156, feh. 1–p. 157, feh. 1)
25 Nov. Famakiana Baiboly: Mika 5-7
Hira No. 162
No. 1: Mika: Mahasoa — Nahoana? (si p. 157-158, feh. 16-19)
No. 2: Mika 6:1-16
No. 3: Fanaovana ny Sitrapon’Andriamanitra (kl p. 46-47, feh. 6-10)
No. 4: Tsy Misy ny Fifandraisana Amin’ny “Fanahin”’ny Olona Efa Maty (rs p. 379, feh. 1-5)
2 Des. Famakiana Baiboly: Nahoma 1-3
Hira No.168
No. 1: Teny Fampidirana ny Nahoma sy ny hoe Mahasoa — Nahoana? (si p. 158-160, feh. 1-7, 11, 12)
No. 2: Nahoma 1:2-14
No. 3: Manompoa An’Andriamanitra Amin’ny Fomba Ankasitrahany (kl p. 47-48, feh. 11-13)
No. 4: Ny Antony Andavan’ny Kristiana Marina ny Fanao Misy Spiritisma Rehetra (rs p. 380, feh. 1)
9 Des. Famakiana Baiboly: Habakoka 1-3
Hira No. 47
No. 1: Teny Fampidirana ny Habakoka sy ny hoe Mahasoa — Nahoana? (si p. 161-163, feh. 1-5, 12-14)
No. 2: Habakoka 1:12–2:8
No. 3: Mitandrema mba Tsy Hampahatezitra An’Andriamanitra (kl p. 49-50, feh. 14-17)
No. 4: Halaviro ny Fanao Misy Spiritisma (rs p. 380, feh. 2–p. 381, feh. 6)
16 Des. Famakiana Baiboly: Zefania 1-3
Hira No. 172
No. 1: Teny Fampidirana ny Zefania sy ny hoe Mahasoa — Nahoana? (si p. 163-166, feh. 1-6, 10-12)
No. 2: Zefania 1:7-18
No. 3: Araho Ireo Fari-pitsipika Ambonin’Andriamanitra (kl p. 50-51, feh. 18-19)
No. 4: Aza Maneho Fahalianana Amin’ireo Hery Araka ny Demonia (rs p. 381, feh. 7–p. 382, feh. 3)
23 Des. Famakiana Baiboly: Hagay 1, 2
Hira No. 152
No. 1: Teny Fampidirana ny Hagay sy ny hoe Mahasoa — Nahoana? (si p. 166-168, feh. 1-7, 13-16)
No. 2: Hagay 2:6-19
No. 3: Manolora Fanompoam-pivavahana Amin’ny Fanahy Manontolo ho An’i Jehovah (kl p. 51-52, feh. 20-22)
No. 4: Ny Fomba hanafahan-tena Amin’ny Herin’ny Spiritisma (rs p. 382, feh. 4–p. 383, feh. 4)
30 Des. Famerenana An-tsoratra. Tapero ny Daniela 5 — Hagay 2
Hira No. 34