Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika
Famerenana tsy misy fijerena boky, miorina amin’ireo hevitra voadinika tamin’ireo anjara natao tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika nandritra ireo herinandro nanomboka ny 1 May ka hatramin’ny 21 Aogositra 1995. Mampiasà taratasy hafa hanoratana ny valiny ho an’ny fanontaniana betsaka araka izay azonao atao ao anatin’ny fotoana omena hanaovana izany.
[Fanamarihana: Mandritra ny famerenana an-tsoratra, dia ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana rehetra. Natao ho an’ny fikarohanao manokana ny fanondroam-pejy eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hiseho miaraka amin’ny fanondroana rehetra momba Ny Tilikambo Fiambenana ny nomeraon’ny pejy sy ny fehintsoratra.]
Valio hoe Marina na Diso ireto fanambarana manaraka ireto:
1. Raharahan’ny tena manokana ny fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra ary tsy miankina na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa. (1 Jaona 4:20). [uw p. 134, fehin. 7]
2. Ny torohevitry ny fitambara-mpitantana ho an’ny Kristiana jentilisa mba hifadian’izy ireo ny fanompoan-tsampy sy ny ra ary ny fijangajangana dia niorina tamin’ny Lalàn’i Mosesy. (Asa. 15:28, 29). [uw p. 149, fehin. 8]
3. Tany am-boalohany, dia natao hamatotra ny taranak’olombelona rehetra ny Lalàn’i Mosesy. (Sal. 147:19, 20). [uw p. 147, fehin. 5]
4. Ny toko faha-53 amin’ny Isaia, izay nosoratana tokony ho 700 taona talohan’ny nahaterahan’i Kristy, dia tahaka ny fitantarana velombelona nataon’ny vavolombelona nahita maso, izay milazalaza an’i Jesosy Kristy sy ny fomba nitondrana azy. [si p. 119, fehin. 8]
5. Ny tenin’i Solomona ao amin’ny Mpitoriteny 3:1, 2 dia manisy firesahana momba ny tsingerim-piainana sy ny fahafatesana mitohy fotsiny, fa tsy ny lahatra ho an’ny isam-batan’olona. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo w 15/2/92 p. 5.]
6. Tsy misy loharanom-panazavana araka an’itỳ tontolo itỳ izay afa-mitaha amin’ny torohevitra mahasoa omen’ny Baiboly momba ny raharaha ara-pianakaviana. [uw p. 144, fehin. 11]
7. Ny bokin’ny Ohabolana dia miditra amin’ny votoatin’ireo zava-manahirana antsika amin’ny fanoroana hevitra antsika mba hitoky tanteraka amin’Andriamanitra. [si p. 111, fehin. 35]
8. Ireo ray aman-dreny izay mamela ireo zanany hijery izay rehetra mety haseho ao amin’ny televiziona, dia mampanaram-po azy ireo, raha ny marina. (Ohab. 29:15). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo w 1/11/88 p. 12, fehin. 8.]
9. Rehefa mitranga ny zava-manahirana ao anatin’ny fanambadiana, ny Kristiana marina iray dia tsy hanararaotra ny kileman-toetran’ny vadiny ho toy ny fialan-tsiny mba handosirana ny andraikitry ny tenany manokana. [uw p. 140-141, fehin. 4, 5]
10. Ny fanambaran’i Solomona ao amin’ny bokin’ny Mpitoriteny hoe zava-poana ny zavatra rehetra dia mihatra amin’ny zavatra rehetra tsy an-kanavaka. [si p. 114, fehin. 15]
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
11. Inona no fotopoto-pitsipika fototry ny Eksodosy 20:7? [uw p. 152]
12. Iza avy ny roa tamin’ireo mpanjaka efatra nanapaka tao Joda fony i Isaia nanompo tamin’ny naha-mpaminany? [si p. 118, fehin. 3]
13. Araka ny lazalazaina ao amin’ny Isaia 14:4, 12-14, nanome taratry ny fihetsik’iza moa ny mpanjakan’i Babylona? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo w 15/6/85 p. 13, fehin. 2.]
14. Araka ny Eksodosy 19:10, 11, inona no takin’i Jehovah amin’ireo mpivavaka aminy? [uw p. 152]
15. Iza moa ilay mpiambina amin’izao andro maoderina izao, ary inona no ambarany? (Isaia 21:8, 12). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo w 1/6/87 p. 12, fehin. 10.]
16. Nahoana ny Mpitoriteny 12:12 no mampiseho fomba fijery tsy manorina toy izany momba ny boky? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo w 15/12/87 p. 25.]
17. Mifanaraka amin’ny Ohabolana 1:2-4, inona moa no asongadin’ny bokin’ny Ohabolana? [si p. 109, fehin. 19]
18. Inona no tian’i Paoly holazaina rehefa nampirisika an’ireo Korintiana mba ‘hihamalalaka’ izy? (2 Kor. 6:13). [uw p. 137, fehin. 14]
19. Amin’ny ahoana ny fitiavana no “mahery toy ny fahafatesana”? (Tonon. 8:6, 7). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo w 15/2/88 p. 25.]
20. Lesona azo ampiharina inona avy no ampianarina ao amin’ny Tonon-kira kanton’i Solomona? [si p. 117, fehin. 16]
Omeo ireo teny na fitambaran-teny ilaina mba hamenoana ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
21. Na dia tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy aza isika, dia mandray soa avy amin’ny fahalalana araka ny marina an’ireo _________________________ iorenan’izy io sy avy amin’ireo modely _________________________ raketiny. [uw p. 153, fehin. 14]
22. Ny lalàna ao amin’ny Eksodosy 20:4-6 dia mandrara ny _________________________ , ary ilay andinin-teny mihitsy dia mampiharihary fa io lalàna io dia miorina amin’ilay fotopoto-pitsipika hoe mitaky _________________________ i Jehovah. [uw p. 152]
23. Ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Deoteronomia 7:1-4 dia mampiseho mazava fa ny mpanompon’Andriamanitra iray dia tsy tokony _________________________ amin’ny olona izay tsy manompo an’i _________________________ . [uw p. 152]
24. Ao amin’ny Tonon-kiran’i Solomona 2:1-3, dia misy sarin-teny ampiasaina izay mampiharihary ny fanetren-tena sy ny fiheveran-tena araka ny tena izy nananan’ilay _________________________ , mbamin’ireo lafin-toetra sy fahaizana maha-te ho tia nananan’ilay _________________________ malalany. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo w 15/2/88 p. 24.]
25. Ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah dia mandà ny fanao izay anontaniana amin’ny _________________________ ho an’ny _________________________ , satria ny fifampiresahana toy izany, raha ny tena izy, dia atao amin’ireo _________________________ . (Isaia 8:19). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo w 15/6/89 p. 20, fehin. 11.]
Fidio izay valin-teny marina ao amin’ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
26. Araka ny Ohabolana 26:20, 21, raha (maika ny hamaly; miteny tsy miolakolaka; malemy fanahy) isika, ka tsy ‘manampy kitay amin’ny afo’ sy mila ady amin’ny hafa, dia hanana (zava-manahirana manokana; fifampiresahana tsizarizary; fifandraisana tsara) amin’izy ireo. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo w 15/2/92 p. 13, fehin. 16.]
27. Araka ny Ohabolana 27:6, ny olona iray tia anao dia (tsy hilaza zavatra izay handratra ny fihetseham-ponao na oviana na oviana; hatahotra ny hilaza aminao ny fahamarinana momba anao; hanome torohevitra anao rehefa mila izany ianao). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo w 15/12/90 p. 28.]
28. Ny porofo fa i Solomona no mpanoratra ny Mpitoriteny dia azo fantarina amin’ny hoe (miseho manerana an’ilay boky ny anarany; ireo mpanoratra ny boky hafa ao amin’ny Baiboly dia manonona azy ho toy ny mpanoratra azy io; ilay boky mihitsy no manamarina fa i Solomona no mpanoratra na dia tsy manonona ny anarany aza). [si p. 112, fehin. 4]
29. Ireo olona izay mihevitra fa toe-tsaina nahazo fahazavana ny toe-tsaina tsy mitsara ny hafa sy milefitra amin’ny zavatra rehetra, fahita amin’izao andro izao, raha ny tena izy, dia (tsy mampaninona; mahay mandefitra; ao anatin’ny haizina ara-panahy). (Isaia 5:20). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo w 1/3/93 p. 11.]
30. Ny Tonon-kiran’i Solomona dia manasongadina (ny anjara toeran’i Solomona tamin’ny naha-mpanjaka azy; ny harena ben’i Solomona; ny fahatokian’ny zazavavy tantsaha iray tamin’ny ankizilahy mpiandry ondry iray). [si p. 115, fehin. 2]
Ampifanandrifio amin’ireo fanambarana voatanisa eto ambany ireto andinin-teny manaraka ireto:
Ohab. 22:3; Mpit. 7:21, 22; Isaia 13:19, 20; Matio 5:23, 24; Kol. 3:18-20, 23, 24
31. Na dia tsy miaro avy hatrany ny olony amin’ny voina, ny ady an-trano, na ny heloka bevava aza i Jehovah, dia afaka ny hahasoa ny fanarahana ny fahendrena azo ampiharina miorina amin’ny Baiboly. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo w 1/1/92 p. 17, fehin. 23.]
32. Misy antony tsara tsy tokony hisalasalana mihitsy ny amin’ny fahatanterahan’ny faminaniana ara-tsindrimandry. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo w 15/5/93 p. 6.]
33. Ny Kristiana marina iray dia manao ny dingana voalohany mba hampandrosoana fifandraisana milamina amin’ireo rahalahiny. [uw p. 135, fehin. 10]
34. Ny fandrosoana eo amin’ny fifandraisana ara-pianakaviana dia tsy avy amin’ny fiandrasan’ny tsirairay ny hafa hanao zavatra, fa avy amin’ny fanaovan’ny tsirairay tsara ny anjarany manokana kosa, amin’ny fampisehoana araka izany fa maneho fifikirana amin’Andriamanitra ao an-tokantrano ny tenany manokana. [uw p. 143, fehin. 10]
35. Aza mitaky fahalavorariana tsy araka ny zava-misy amin’ny tenanao na amin’ny fifandraisanao amin’ny olombelona hafa izay tsy lavorary. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo w 1/6/90 p. 8.]