FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/95 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
km 8/95 p. 7

Fampandrenesana

◼ Zavatra vita an-tsoratra hampiasaina mandritra ny Aogositra: Azo ampiasaina ny iray amin’ireto bokikely 32 pejy manaraka ireto: “Indro Havaoziko ny Zavatra Rehetra”, Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?, Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay. Septambra: Hampiasaina ny boky Hiaina Mandrakizay. Tokony hatao ny ezaka manokana mba hanombohana fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Oktobra: Famandrihana amin’ny Réveillez-vous! na Ny Tilikambo Fiambenana. Manaova ezaka manokana mba hametrahana gazety. Novambra: Fanolorana ny boky Manontany ny Tanora amin’ny sarany 1 800 FMG (1 200 FMG no haloan’ny mpisava lalana). FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona izay mbola tsy nanafatra ireo zavatra hatolotra eny amin’ny saha fanompoana voalaza eo ambony ireo dia tokony hanafatra azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-14) halefany manaraka.

◼ Hovatsina ampy tsara amin’ny tahirin-taratasy hofenoina hampiasaina mandritra ny taom-panompoana 1996 ny kongregasiona tsirairay. Tsy tokony holanilanina foana ireny taratasy hofenoina ireny. Tsy tokony hampiasaina afa-tsy ho amin’izay nikendrena azy izy ireny.

◼ Hahazo taratasy Filazana ny Isan’ny Zavatra Vita An-tsoratra (S-18) telo ny kongregasiona tsirairay. Tokony hihaona amin’ny mpikarakara ny boky sy ny gazety ny mpitan-tsoratry ny kongregasiona amin’ny voalohandohan’ny Aogositra, ka hametra daty hanaovana ny fanisana ny zavatra vita an-tsoratra ao amin’ny tahirin’ny kongregasiona any amin’ny faran’ny volana. Tsy maintsy atao ny fanisana tokoa ny zavatra vita an-tsoratra rehetra ao amin’ny tahiry, ary tokony hampidirina ao amin’ny Filazana ny Isan’ny Zavatra Vita An-tsoratra ireo tontaliny. Azo raisina any amin’ny mpikarakara ny gazety ny tontalin’ny isan’ny gazety eo am-pelatanana. Alefaso atỳ amin’ny Fikambanana ny “original”, aza fady, fara fahelany ny 6 Septambra. Mitahiriza copie carbone iray ao amin’ny tahirin-taratasinareo. Azo ampiasaina ho toy ny taratasy fiasana ny fahatelo. Tokony ho eo ambany fanaraha-mason’ny mpitan-tsoratra no hanaovana ilay fanisana, ary tokony hohamarinin’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha ilay taratasy nofenoina. Hanao sonia ilay taratasy avy nofenoina ny mpitan-tsoratra sy ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha.

◼ Manomboka ny 29 Aogositra 1995 ka hatramin’ny 2 Septambra 1995, ny Betela dia hanao fanisana ny zavatra vita an-tsoratra rehetra eo am-pelatanany. Noho io fanisana io, dia tsy hisy fanafarana zavatra vita an-tsoratra avy amin’ny kongregasiona halefa na horaisina mandritra ireo andro ireo.

◼ FANITSIANA: Miova ny datin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana” hatao any amin’ireto toerana manaraka ireto:

ANTALAHA: tsy 15-17 Septambra 1995, fa 18-20 Aogositra 1995

TOLIARY: tsy 15-17 Septambra 1995, fa 1-3 Septambra 1995

Ahitsio hifanaraka amin’izany, aza fady, ireo daty ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1995, pejy faha-32.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara