FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/95 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny May

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny May
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 1 May
  • Herinandron’ny 8 May
  • Herinandron’ny 15 May
  • Herinandron’ny 22 May
  • Herinandron’ny 29 May
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
km 5/95 p. 2

Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny May

Herinandron’ny 1 May

Hira 43, Hira 55

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.

15 min: Valin’ireo Fanontanianareo. Fanontaniana sy valiny. Hazavao ny antony handraisantsika soa bebe kokoa avy amin’ireo fivoriana, rehefa miomana mialoha sy mitondra miaraka amintsika izay zavatra ianarana rehetra voatondro isika.

20 min: “Vaovao Momba Ilay Fanjakana Manokana Iray ho An’ny Rehetra”. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, izay hataon’ny mpiandraikitra ny asa. Diniho izay vita hatramin’izao raha ny amin’ny fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana, indrindra amin’ny fanamarihana manokana momba ny nanohanana tsara ireo fandaharana ho amin’ny fanompoana sy ny nandraisan’ireo vaovao anjara vao voalohany tamin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Manaova tatitra momba ny faritany voasa; hazavao izay ilaina hatao raha misy fanampiana angatahin’ny kongregasiona hafa. Ampirisiho ny rehetra mba hanao ezaka fanampiny hizarana ny anjarany amin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana. Antitrantero ny maha-zava-dehibe ny hihazonana fandraisana an-tsoratra ny fahalianana hita sy ny hanaovana fiverenana mitsidika amin’ny fiezahana hanomboka fampianarana Baiboly. Mampanaova fampisehoana ny amin’ireo fomba fampiseho anipazan-kevitra.

Herinandron’ny 8 May

Hira 61, Hira 60

15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. “Afaka Manana Fanandraman-javatra Tsara koa Ianao!” Araka ny hamelan’ny fotoana hanao izany, dia asao ny mpanatrika hitantara fanandraman-javatra mampahery nananany tamin’ny fanolorana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana.

15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana. Na lahateny iray miorina amin’ilay lahatsoratra hoe “Ny Fihetsiky ny Kristiana eo Anoloan’ny Fanaratsiana Ampahibemaso” tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Aprily 1995, pejy 26-29.

15 min: “Nahoana no Mihazona Fandraisana An-tsoratra An’ireo Tsy Tratra An-trano?” Fanontaniana sy valiny.

Herinandron’ny 15 May

Hira 54, Hira 45

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Filazana momba ny toe-bola.

15 min: “Fanarahana Ilay Modelintsika Amin’ny Maha-mpitondra Fahazavana”. Fanontaniana sy valiny.

20 min: “Fivoriamben’ny Distrika 1995 ‘Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana’”. Fandinihana ny fehintsoratra 1-16 amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny.

Herinandron’ny 22 May

Hira 66, Hira 74

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Mampirisiha hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy mandritra ireo volana fialan-tsasatra. Jereo indray ireo fepetra takina voasoritra ao amin’ny boky Voalamina mba Hanatanteraka Tsara ny Fanompoantsika, pejy 113-114.

15 min: “Fanisiana Marika Izay Mitondra Fanafahana”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Asio fampisehoana iray na roa momba ny fomba ahafahana manao fiverenana mitsidika.

20 min: “Fivoriamben’ny Distrika 1995 ‘Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana’”. Fandinihana ny fehintsoratra 17-27 amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Diniho ny “Fampahatsiahivana ny Amin’ny Fivoriamben’ny Distrika”. Araka ny hamelan’ny fotoana hanao izany, dia jereo indray ireo tsipiriany mendri-komarihina, avy ao amin’ny “Fanatsorana ny Fivoriamben’ny Distrika 1995”, izay niseho tao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny Febroary 1995.

Herinandron’ny 29 May

Hira 79, Hira 63

15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Manolora fanipazan-kevitra izay hampirisika ny mpitory mba hiezaka hamaky andinin-teny iray ho anisan’ny fomba fampiseho hataony eny am-baravarana. Olona maro no mampiseho fanajana ny Baiboly ka vonona ny hihaino, rehefa vakina izy io. Manan-danja ny toroheviny ka hanosika olona tso-po hanao zavatra. Mety hety ny fanaovana an-tanana ny Baiboly rehefa manatona varavarana. Tokony hovakina amim-pihetseham-po sy misosa tsara ireo andinin-teny. — Jereo Boky ho An’ny Sekoly, pejy 32-33, fehintsoratra 12-15.

15 min: “Vaovao Tsara ho An’ny Mpandefitra”. Iaraho mandinika amin’ny mpanatrika ilay lahatsoratra, ary avy eo dia manaova fampisehoana momba ny fomba fampiseho iray na roa.

15 min: Fanolorana ny boky Hiaina Mandrakizay mandritra ny Jona. Asao ny mpitory mahay iray mba hanao fampisehoana momba ny fomba fampiseho iray. Ampahatsiahivo ny rehetra mba haka amin’izy io, mba hampiasainy eny amin’ny fanompoana amin’izao faran’ny herinandro izao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara