Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Jolay
Herinandron’ny 4 Jolay
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana mihatra eo an-toerana. Ampirisiho ireo mpitory mba haka vatsy amin’ireo bokikely hoe Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? sy Ny Fanahin’ireo Maty mba hampiasaina eo amin’ny fanompoana.
17 min: “Isan-trano Tsy Misy Fitsaharana”. Fanontaniana sy valiny. Asao hilaza ny fankasitrahany ny sasany amin’ny mpanatrika izay nifandraisana voalohany tamin’ny alalan’ny asa isan-trano.
18 min: “Ampio ny Hafa Hahafantatra ny Fahamarinana”. Miaraha midinika amin’ny mpanatrika. Manaova fandaharana mba hisian’ny mpitory mahay hanao fampisehoana momba ireo fomba fampiseho naroso roa. Hamafiso ny soa entin’ny tari-dresaka fohy sy tsotra.
Herinandron’ny 11 Jolay
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vakio ny filazana momba ny toe-bola miaraka amin’izay fankasitrahana avy any amin’ny Fikambanana noho ireo fanomezana natao. Manaova teny fiderana noho ireo fanomezana. (Eks. 35:29). Ampirisiho ireo mpitory mba hihevitra ny fanaovana fanambarana amin’ny takariva — fotoana tsara dia tsara ho an’ny asa isan-trano na ny fiverenana mitsidika.
15 min: Fivoriamben’ny Distrika 1994 “Tahotra Araka An’Andriamanitra”. Pejy voalohany sy takelaka fanampiny. Fanontaniana sy valiny miorina amin’ny fehintsoratra 1-10, ataon’ny loholona iray. Sariho manokana ny saina ho amin’ny “Fampahatsiahivana Amin’ny Fivoriamben’ny Distrika”.
18 min: “Hataony Ahoana no Fandre Raha Tsy Miverina Isika?” Miaraha midinika amin’ny mpanatrika. Manaova fampisehoana amin’ireo fanoloran-kevitra eo amin’ny fehintsoratra faha-2 sy faha-3. Manomeza fanazavana fanampiny mampiseho ny antony tokony hanaovana ny fiverenana mitsidika ho fikendrena ny hanomboka fampianarana.
Herinandron’ny 18 Jolay
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Manaova famerenana an’ireo hevitra misongadina ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Fandaharana Vaovao ho An’ny Fivoriamben’ny Fizaran-tany”. Lazao ireo daty hanaovana ny fivoriamben’ny fizaran-tany manaraka raha eo am-pelatanana. Lazao amin’ny ambangovangony ireo fandaharana amin’ny faran’ny herinandro, ary ampirisiho ny fandraisana anjara amin’ny fizarana gazety.
8 min: Valin’ireo Fanontanianareo. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny.
22 min: Fivoriamben’ny Distrika 1994 “Tahotra Araka An’Andriamanitra”. Takelaka fanampiny. Lahateny miorina amin’ny fehintsoratra faha-11-22, ataon’ny loholona iray.
Herinandron’ny 25 Jolay
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao Teokratika. Manaova fampisehoana momba ny fanolorana ireo nomerao farany amin’ny gazety. Ampirisiho ny rehetra mba handray anjara amin’ny fizarana gazety.
15 min: “Mila Ohatra Tsara Ireo Tanora Kokoa”. Fanontaniana sy valiny. Manaova fanadinadinana ankizy roa izay ohatra tsara. Asaivo hazavainy hoe inona no zava-kendrena ara-panahy noferan’izy ireo ho an’ny tenany sy hoe tamin’ny ahoana ny fiezahan’izy ireo no nitondra fitahiana fanampiny.
20 min: Fanatsarana ny Fomba Fampiseho Ataontsika mba Handaitra Kokoa. Maka fotoana ho fanazaran-tena ny mpianakavy, miorina amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny Boky ho An’ny Sekoly pejy faha-99, fehintsoratra faha-9. Manao fampisehoana momba ny fomba fampiseho ny mpikambana iray ao amin’ilay fianakaviana, ny hafa manao teny fiderana sy fanoloran-kevitra ho fanatsarana. Ampidiro ao ny fanoherana mahazatra hita ao amin’ny faritra misy anareo, ary diniho ny fomba handresena izany.