Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Jona
Herinandron’ny 6 Jona
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana mihatra eo an-toerana. Anaovy fampisehoana fohy iray ny fomba azo anolorana isan-trano ireo gazety farany amin’itỳ faran’ny herinandro itỳ. Ampahatsiahivo ny mpanatrika ny haka boky Fomba Hahavelomanao mba hampiasaina eny amin’ny asa fanompoana amin’itỳ faran’ny herinandro itỳ.
20 min: “Mamafy Be ve Ianao?” Fanontaniana sy valiny. Arakaraka ny amelan’ny fotoana, dia asao ny mpanatrika hitantara ny fanandraman-javatra hitany manokana, mampiseho ny fomba nanaovany ezaka fanampiny tamin’ny endriny sasany tamin’ny asa fanompoany sy nahazoany fitahiana noho izany.
15 min: “Aza Mitsahatra Manely Ireo Gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!” Miara-mandinika ilay lahatsoratra amin’ny mpanatrika ny mpiandraikitra ny asa. Manaova fanadinadinana mpitory iray na roa izay nahita fahombiazana tamin’ny fanalezana ireo gazety.
Herinandron’ny 13 Jona
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vakio ny filazana momba ny toe-bola sy izay fankasitrahana avy amin’ny Fikambanana noho ireo fanomezana natao. Ataovy ao anatin’izany ny fanazavana fohy mampiseho ny fomba hitahiana ny olona iray mampiseho fahalalahan-tanana. — Ohab. 11:24a.
15 min: “Ny Fitahirizam-bokin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika”. Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny sekoly.
20 min: “Mampandroso Ireo Asa Mifandray Amin’ny Fampianarana ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika tarihin’ny mpitarika fianarana iray. Antitrantero ny fomba hampirisihan’ilay lahatsoratra ny 1) fampitomboana ny isan’ny mpanatrika amin’ny fianarana ny boky, 2) fanomezana valin-teny matetika kokoa mandritra ny fianarana, sy 3) fanohanana tsaratsara kokoa ireo fivoriana ho amin’ny asa fanompoana.
Herinandron’ny 20 Jona
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho indray ireo fahafahana ananan’ny tanora hampitombo ny fandraisany anjara amin’ny asa fanompoana mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra; mety ho afaka hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy ny sasany. Tokony hihevitra amim-pitandremana ny zavatra kasainy hatao amin’ny hoavy ireo izay nahavita ny fianarany, ka hametraka hatrany eo amin’ny toerana voalohany ny tombontsoan’ilay Fanjakana.
10 min: Zavatra ilaina eo an-toerana. Na manaova lahateny iray miorina amin’ny lahatsoratra “Manontany ny Tanora hoe: Ahoana no Ahafahako Mihazona ny Mozika ho eo Amin’ny Toerany?”, ao amin’ny Mifohaza! No 3/1993, eo amin’ny pejy 25–27.
10 min: Valin’ireo Fanontanianareo. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny.
15 min: “Manao ny Sitrapon’Andriamanitra ve Ianao?” Lahateny hataon’ny loholona iray miorina amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 1994, pejy faha-28–30.
Herinandron’ny 27 Jona
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho indray ny fandaharana noraisina ho amin’ny asa fanompoana mandritra ny faran’ny herinandro.
15 min: “Fivoriana ho Amin’ny Asa Fanompoana Misy Heviny”. Fanontaniana sy valiny tarihin’ny mpiandraikitra ny asa. Eo am-pandinihana ny fehintsoratra faha-3, dia tariho ny saina ho amin’ny fampidiran-dresaka iray na roa avy ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra izay mety ho azo ampiasaina amin’itỳ faran’ny herinandro itỳ. Eo amin’ny fehintsoratra faha-5, dia lazao izay mety ho zava-manahirana voamarika teo an-toerana momba ny fihetsika eny amin’ny asa fanompoana; manomeza fanoloran-kevitra amin-katsaram-panahy mba hanatsarana.
20 min: Fandinihana ny Zavatra Hatolotra Amin’ny Jolay. Asehoy ireo bokikely roa: Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? sy Ny Fanahin’ireo Maty. Ireo bokikely ireo dia azo ampiasaina mba hanombohana fampianarana Baiboly. Diniho ireo hevi-dehibe mahaliana sasany sy ireo sary azo ampiasaina mba hanombohan-dresaka. Anaovy fampisehoana roa mampiseho ny fomba hanombohana fiaraha-midinika mikasika foto-dresaka ara-baiboly. (Ampiasao ireo fanoloran-kevitra ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra momba ny “Trinite”, pejy faha-409–410 sy momba ny “Fahafatesana”, pejy faha-106 eo amin’ny lohatenikely hoe “Aiza moa ireo maty?” sy “Manao ahoana ny toetry ny maty?”) Tokony hifarana amin’ny fanaovana fandaharana ho amin’ny fanombohana fampianarana Baiboly ireo fampisehoana.