Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny May
Herinandron’ny 2 May
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana mifanentana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Diniho indray izay mety ho fandaminana rehetra hahafahana hanitatra ny asa atao eny am-pitoriana, toy ny fanambarana amin’ny takariva.
15 min: “Tohizo Hatrany Ireo Asa Teokratika Mandritra ny Fotoam-pialan-tsasatra”. Fanontaniana sy valiny. Asio fitantarana zavatra hitan’ny sasany teny am-pitoriana rehefa nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy na rehefa nanao fanambarana tsy ara-potoana izy.
10 min: “Tokony Hanova Hatrany ve Aho?” Fiaraha-midinika ataon’ny loholona roa. Antitrantero ny soa azo amin’ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny asa fanompoana.
15 min: “Ampiasao Ireo Gazety mba Hizarana ny Fahamarinana”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Hazavao izay mahatonga ireo gazetintsika hiavaka ary amin’ny ahoana izany no tokony hanosika antsika hanolotra azy ireny amin’ny toe-javatra rehetra. Manaova fampisehoana fohy roa.
Herinandron’ny 9 May
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tokony ho mailaka isika hanararaotra ireo fahafahana miseho mba hahazoana famandrihana. Afaka manolotra izany isika amin’ireo izay nandray tsy tapaka sy namaky ireo gazety tamin’ny lasa. Hazavao ny fomba famenoana ny taratasy kely fanaovana famandrihana telo mitovy.
20 min: “Omano ho Amin’ny Asa Fanompoana Ireo Mpianatra Baiboly”. Fanontaniana sy valiny. Eo am-pandinihana ny fehintsoratra faha-4 sy faha-5, dia asio fampisehoana fohy momba ny fanampiana ny mpianatra iray hiomana ho amin’ny fanaovana fanambarana eny am-baravarana. Manomboka amin’ny fomba fampiseho tsotra ilay mpianatra Baiboly, amin’ny fampiasana ny Salamo 37:11. Manapaka azy ilay mpitarika ny fianarana manao hoe: “Manana ny fivavahako aho.” Tsy azon’ilay mpianatra antoka izay holazaina. Miara-mijery ny boky Fanjohian-kevitra eo amin’ny pejy faha-17–18 izy ireo, mandinika indray ireo valin-teny sasany anoloran-kevitra, ary mifidy iray izay tsy sarotra amin’ilay mpianatra Baiboly. Manomboka indray ilay mpianatra, manome ilay valiny mety, ary voarisika amin’ny vokatra azo.
15 min: Fanorenana ny Fitambaran-trano Vaovaon’ny Sampana. Diniho indray ireo hevitra ao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Febroary 1994 sy ny fomba famenoana ireo taratasy fangatahana hiasa an-tsitrapo raha mahafeno ny fepetra hiasa eny amin’ny toeram-panorenana ny Sampana ny olona iray. Hazavao fa ny sasany dia mety ho afaka hiasa isan’andro mandritra ny volana na taona maromaro. Mety ho azon’ny hafa atao ny hiasa amin’ny fotoam-pialan-tsasatra mandritra ny fe-potoana fohy kokoa. Hiasa amin’ny faran’ny herinandro ireo kongregasiona rehefa asaina. Afaka manohana ara-bola koa ny hafa.
Herinandron’ny 16 May
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vakio ny filazana momba ny toe-bola sy ny fanehoam-pankasitrahana noho ireo fanomezana. Diniho ireo bokikely izay mety ho azo atolotra ary tariho ny saina ho amin’ny hevitra vitsivitsy azo resahina.
17 min: “Miverena any Amin’izay Nahitanao Fahalianana”. Fanontaniana sy valiny. Asio fampisehoana iray na roa miorina amin’ny fomba fampiseho anoloran-kevitra.
18 min: “Fandraisana Soa Feno avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika”. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika ataon’ny mpiandraikitra ny sekoly. Ampirisiho ny rehetra handray sy hanao ny anjara. Hamafiso ny maha-zava-dehibe ny haharahana ny famakiana Baiboly isan-kerinandro. Hazavao ny fomba ahafahan’ny kongregasiona iray manontolo mandray soa amin’ny torohevitra omena ireo mpianatra.
Herinandron’ny 23 May
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho indray ireo lahatsoratra miavaka ao amin’ireo gazety farany, ary asio fampisehoana fohy iray na roa.
20 min: “Manaja ny Fahamendrehan’ny Hafa ve Ianao Rehefa Manome Torohevitra?” Lahateny ataon’ny loholona, miorina amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 1994, pejy faha-25–29.
15 min: “Ny Baiboly — Ny Boky Maoderina Tranainy Indrindra Ananan’ny Olombelona”. Fanontaniana sy valiny.
Herinandron’ny 30 May
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao Teokratika.
20 min: Fandinihana ny zavatra hatolotra amin’ny Jona: ny boky Ny Fomba Hahavelomanao ao Amin’ny Tany Vaovao Iray. Tariho ny saina ho amin’ireo sary manintona eo amin’ny pejy faha-4, 5, 33, sy faha-95. Asaivo manao fampisehoana fohy miorina amin’ny sary eo amin’ny pejy faha-4 sy faha-5 ny mpitory mahay, amin’ny fampiasana ny Apokalypsy 21:4. Hamafiso ireo fandaharana noraisina amin’ny asa fanompoana ho amin’ny herinandro manaraka.
15 min: “Manome ka Mandray Fitahiana Ireo Mpisava Lalana”. Lahateny miorina amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Janoary 1994, pejy faha-21–23.