Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Aprily
Herinandron’ny 4 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana voafantina avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Ampahatsiahivo ny rehetra ny amin’ny lahateny manokana mitondra ny lohateny hoe “Manome Fahafaham-po Amin’izay Ilain’ny Olombelona ny Fivavahana Marina”, izay hatao ny 10 Aprily. Tokony hisy ezaka manokana hatao mba hanampiana ireo vaovao hanatrika.
15 min: “Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! — Gazetin’ny Fahamarinana”. Fanontaniana sy valiny. Asao ny mpanatrika hiresaka ny amin’ny fomba nampiasainy mba hampitomboana ny isan’ny gazety apetraka. Asio fitantarana vitsivitsy raha mamela izany ny fotoana.
20 min: “Manome Voninahitra An’Andriamanitra ny Fahadiovana”. Miara-mandinika ilay lahatsoratra amin’ny mpanatrika ny loholona. Farano amin’ny lahateny fohy izay mamerina indray ilay torohevitra omena ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1989, pejy faha-15-20.
Herinandron’ny 11 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho ireo hevi-dehibe ao amin’ny Valin’ireo Fanontanianareo.
15 min: “Mamatsy Fitaovana Antsika ho Amin’ny Asa Tsara Rehetra ny Fivoriana Momba ny Asa”. Fanontaniana sy valiny. Asio fampisehoana momba ny fomba iomanan’ny fianakaviana iray ho amin’ny fivoriana; antitrantero ny maha-zava-dehibe ny 1) fanomanana mialoha, sy 2) fihainoana tsara, ary 3) fandraisana anjara.
20 min: “Manompoa an’i Jehovah, Tsy Misy Fanelingelenana”. Takelaka fanampiny. Fanontaniana sy valiny. Diniho ny fehintsoratra voalohany ka hatramin’ny faha-6.
Herinandron’ny 18 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vakio ny filazana momba ny toe-bola sy izay fankasitrahana avy amin’ny Fikambanana noho ireo fanomezana natao.
15 min: “Kolokoloy ny Fahalianan’ireo Nametrahana Gazety sy Bokikely”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Asao ny mpanatrika hanazava ny antony ilana ny hahafantatra tsara izay ao anatin’ireo gazety sy ny hamakafakana amim-pitandremana ny fihetsik’ilay tompon-trano teo aloha, mba hamantarana izay tari-dresaka tsara indrindra hatao. Raha mamela ny fotoana, dia manomàna mpitory mahay hanao fampisehoana momba ireo fomba fanolorana anipazana hevitra.
20 min: “Manompoa an’i Jehovah, Tsy Misy Fanelingelenana”. Takelaka fanampiny. Fanontaniana sy valiny. Diniho ny fehintsoratra faha-7 ka hatramin’ny faha-12.
Herinandron’ny 25 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao Teokratika.
15 min: Finoana. Miorina amin’ny boky Fanjohian-kevitra, pejy faha-239-242. Fiaraha-midinika ataon’ny loholona sy ny antokon-tanora. Mamelabelatra ny hevitry ny hoe finoana ilay loholona, ary avy eo dia manao fanontaniana amin’ilay antokon-tanora. Nahoana no be dia be no tsy manam-pinoana? Inona no fototra ho an’ny finoantsika? Ahoana no ahafahana mitana finoana matanjaka? Ahoana no anehoantsika ny finoana toy izany? Mamarana azy amin’ny fiderana sy ny fampaherezana an’ilay antokon-tanora ilay loholona.
20 min: “Atolory Ireo Gazety Tsara Indrindra eo Amin’izao Tontolo Izao”. Iaraho mandinika amin’ny mpanatrika ilay lahatsoratra, ka hamafiso ireo soa manokana azo avy amin’ireo gazety. Eo am-pandinihana ny fehintsoratra faha-2, dia manasà mpitory mahita vokatra iray hanazava ny fomba hifankazarana amin’izay ao anatin’ny gazety sy ny fomba fanomanana ny fanolorana azy. Asio fampisehoana roa momba ireo fomba fanolorana ny nomerao 1 Aprily sy ny 15 Aprily. Farano amin’ny fanomezana fanipazan-kevitra momba ireo lahatsoratra mety hampiasaina eo am-panolorana ireo nomerao farany amin’ny Réveillez-vous! na Mifohaza!