FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/93 p. 2-3
  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Aogositra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Aogositra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 2 Aogositra
  • Herinandron’ny 9 Aogositra
  • Herinandron’ny 16 Aogositra
  • Herinandron’ny 23 Aogositra
  • Herinandron’ny 30 Aogositra
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
km 8/93 p. 2-3

Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Aogositra

FANAMARIHANA: Hisy fandaharana ho an’ny Fivoriana Momba ny Asa isan-kerinandro ao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana mandritra ny volana Aogositra sy Septambra. Tokony hanao ireo fanitsiana ilaina ireo kongregasiona noho ny fanatrehana ny Fivoriamben’ny Distrika “Fampianarana Araka An’Andriamanitra”. Amin’ny Fivoriana Momba ny Asa manaraka ny Fivoriamben’ny Distrika, dia hisy famerenana ireo hevi-dehibe tamin’ny fivoriambe haharitra 30 minitra. Ny famerenana ny fandaharana tamin’ny fivoriamben’ny distrika, tamin’ny andro tsirairay, dia tokony hanendrena mialoha rahalahy mahay roa na telo, izay ho afaka hifantoka amin’ireo hevi-dehibe. Hanampy ny kongregasiona hitadidy ireo hevitra fototra mba hampiharin’ny tenany manokana sy mba hampiasainy eny amin’ny fanompoana izany famerenana voaomana tsara izany. Tokony ho fohy sy tsy hilaza afa-tsy ny hevi-dehibe ireo fanazavana sy ireo fanandraman-javatra tantaraina angatahina amin’ny mpanatrika. Araka izao manaraka izao no tokony hanaovana ny fanitsiana amin’ny fandaharana amin’ny Fivoriana Momba ny Asa: Tsy hisy fivoriana fanampiny halamin’ny kongregasiona mba ho solon’ny fandaharana amin’ny Fivoriana Momba ny Asa izay tsy ho natao nandritra ny herinandron’ny fivoriamben’ny distrika ary ho an’ny famerenana. Hifarana amin’ny fotoana noferana ho amin’izany koa ny Fivoriana Momba ny Asa tsirairay, izany hoe rehefa tapitra ny 45 minitra. Mitaky ny hanapahan’ireo loholona hevitra izany ny amin’ny hoe hevitra inona ao amin’ny fandaharana no horesahiny ao amin’ny kongregasionan’izy ireo mandritra ny Aogositra sy Septambra, ary hevitra inona ao amin’ny fandaharana no tsy horesahiny. Tsy hisy Sekolin’ny Fanompoana Teokratika sy Fivoriana Momba ny Asa mandritra ny herinandro hanatrehanareo ny Fivoriamben’ny Distrika.

Herinandron’ny 2 Aogositra

Hira 63, Hira 193

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Diniho ireo hevitra azo resahina ao amin’ireo gazety farany. Ampirisiho ny rehetra handray anjara amin’ny asa fanompoana amin’itỳ faran’ny herinandro itỳ.

20 min: “Miezaha Mafy mba Hahatonga ny Olona Hihaino Amim-pitandremana”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Hamafiso ny maha-zava-dehibe ny hiheverana ny tompon-trano tsirairay, amin’ny fikendrena ny hanao resadresaka aminy. Manaova fampisehoana fohy miorina amin’ny fanipazan-kevitra eo amin’ny fehintsoratra faha-2 sy faha-3. Antitrantero ny tokony hampiasana tsy tapaka ireo gazety eny amin’ny asa fanompoana.

15 min: “Aoka Isika Hampitombo ny Asa Ataontsika Amin’ny Fanompoana Amin’itỳ Aogositra Itỳ” ataon’ny loholona iray. Tonga eo amin’ny volana farany amin’ny taom-piasana 1993 isika. Zavatra tsara no vita teo amin’ny endriny samihafa tamin’ny asa fanompoana. Manomeza tsipiriany sasany mahaliana tamin’ny asa notontosain’ny kongregasiona hatramin’izao. Afaka ny hanao ezaka bebe kokoa ve isika amin’ny asa fanompoana amin’itỳ volana farany amin’ny taom-piasana itỳ?

Herinandron’ny 9 Aogositra

Hira 70, Hira 71

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana, ao anatin’izany ny filazana momba ny toe-bola sy ny fisaorana noho ny fanomezana natao. Manehoa fankasitrahana noho ny fanohanana ara-bola ny kongregasiona eo an-toerana sy ny asan’ny Fikambanana maneran-tany.

15 min: Fanadinadinana ireo izay nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy tamin’ny Aprily sy May ary Jona. Inona no antony nanosika azy ireo hanao izany? Nisy zavatra nahaliana hitan’izy ireo ve teny am-pitoriana? Inona no vokatra azony teo amin’ny fanompoana? Ampirisiho ny rehetra hihevitra ny asan’ny mpisava lalana mpanampy amin’ireo volana ho avy.

20 min: “Miverena mba Hanampy ny Olona Hahafantatra ny Fomba Hahafahan’izy Ireo Hiaina Mandrakizay”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy ny valiny. Manaova fampisehoana iray momba ny fiverenana mitsidika miorina amin’ny fampisehoana hita eo amin’ny fehintsoratra faha-5 sy faha-6.

Herinandron’ny 16 Aogositra

Hira 20, Hira 6

15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao Teokratika. Fiaraha-mandinika ny lahatsoratra “Fandaharana Vaovao ho Amin’ny Andro Fivoriambe Manokana”. Ampirisiho ny rehetra hanao fandaminana mialoha mba hanatrika ny andro fivoriambe manokana amin’ny taom-piasana 1994. Lazao ny daty sy ny toerana raha fantatra. Ampirisiho koa ny fandraisana anjara amin’ny asa fanompoana amin’ny faran’ny herinandro.

10 min: Asongadino ny hasarobidin’ny boky Hiaina Mandrakizay. Azo lazaina ireo tarehimarika manambara fitomboana nandritra ny taona maro nampiasana an’io boky io. Adinadino ny mpitory iray na roa izay nianatra an’io boky io rehefa niditra tao amin’ny fahamarinana. Asaivo milaza izay nankasitrahany tamin’ny fianarany azy io izy ireo sy ny fomba azony nampiasana izany teo amin’ny fanompoana. Ampirisiho ny rahalahy hanolotra azy io amin-kafanam-po rehefa misy fahalianana.

20 min: “Fepetra Takina Amin’ny Mpitory Vaovao sy ny Mpitory efa Za-draharaha”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy ny valiny ataon’ny loholona. Farano amin’ny famintinana fohy nefa amim-kafanam-po ireo hevitra azo ampiharina amin’ny zavatra ilain’ny kongregasiona eo an-toerana.

Herinandron’ny 23 Aogositra

Hira 148, Hira 43

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana.

20 min: “Fitadiavana Fampianarana Baiboly Amin’ny Fo Rehetra”. Fiaraha-mandinika ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy ny valiny ataon’ny mpiandraikitra ny asa. Vakio ary manaova fampiharana ireo andinin-teny rehetra voasoratra. Diniho indray ny fandrosoana tamin’ny asa fampianarana Baiboly notontosain’ny kongregasiona tao anatin’ireo dimy taona lasa, ary milazà hevitra ho famaranan-teny araka izay zavatra ilaina eo an-toerana.

15 min: Ny Halehiben’ny Daty eo Amin’ny Fianarantsika ny Baiboly. Aorian’ny lahateny fohy miorina amin’ny fanazavana eo ambanin’ny hoe “Hevitry ny teny” eo amin’ny pejy faha-91 amin’ny boky Fanjohian-kevitra, dia diniho miaraka amin’ny mpanatrika ny fanazavana sisa eo ambanin’ny hoe “Daty”. Diniho ny hoe “Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no milaza fa tafaorina tamin’ny 1914 ny Fanjakan’Andriamanitra?” Hamafiso hoe amin’ny fomba ahoana io fanazavana io no manampy ireo vaovao mba ho voaomana hiaro ny hafatr’ilay Fanjakana.

Herinandron’ny 30 Aogositra

Hira 156, Hira 31

5 min: Fampandrenesana eo an-toerana.

15 min: “Ataovy Amin’ny Fanahinareo Rehetra ny Fanompoanareo”. Lahateny ataon’ny loholona. Rehefa mandinika ny fehintsoratra faha-2, dia manaova fanazavana mety, miorina amin’ilay Tilikambo voalaza eo. Vakio ary ampiharo ny Malakia 3:10 ho famaranan-teny.

10 min: Ho azonao atao ve ny handray anjara amin’ny endriny iray amin’ny fanompoana manontolo andro? Lahateny iray miorina amin’ny boky omMG pejy faha-113–115.

15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana. Azo atao ny mandinika ny fampirisihana nomen’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany tamin’ny fitsidihany farany. Ampahatsiahivo ny rahalahy mba hanamarina raha voaverina daholo ny filazana asa rehetra ho an’ny taom-piasana 1993.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara