FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/93 p. 2
  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Jolay

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Jolay
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 5 Jolay
  • Herinandron’ny 12 Jolay
  • Herinandron’ny 19 Jolay
  • Herinandron’ny 26 Jolay
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
km 7/93 p. 2

Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Jolay

Herinandron’ny 5 Jolay

Hira 133, Hira 30

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Asao ny mpitory roa na telo izay efa niomana mba hilaza ny fomba ampiasany tsara ireo gazety tranainy.

15 min: “Fanasongadinana Bokikely mba Hikarohana Ireo Olona Liana”. Fiaraha-mandinika ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Ireo bokikely resahina ao amin’ny fehintsoratra faha-5 dia ny: Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? ary Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa. Ampahafantaro amin’ny kongregasiona izay bokikely misy ao amin’ny tahiry, ary asao izy ireo hilaza izay bokikely hifanentana indrindra amin’ny faritany eo an-toerana. Ampirisiho amin-kafanam-po ireo rahalahy mba handray anjara amin’ny fomba feno amin’ny fanolorana bokikely mandritra ny volana Jolay. Ankoatra izany, dia mariho fa matetika ireo olona mandray bokikely dia maniry hahazo gazety koa.

20 min: “Fampiasana Bokikely Amin’ny Fomba Mandaitra Amin’ny Volana Jolay”. Iaraho dinihina amin’ny kongregasiona ireo hevitra ao, ary manaova fampisehoana momba ny fomba fampiseho ao amin’ny fehintsoratra faha-3 sy faha-5 ary faha-7. Ampirisiho ny fanaovana fiomanana tsara.

Herinandron’ny 12 Jolay

Hira 25, Hira 191

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vakio ny filazana momba ny toe-bola sy izay fisaorana azo noho ny fanomezana natao. Ampahatsiahivo amin’ny kongregasiona ireo fandaharana ho amin’ny asa fanompoana, ary diniho ireo hevitra azo resahina samihafa avy ao amin’ireo gazety.

20 min: “Fiverenana mba Hanairana ny Fahalianana Amin’ny Baiboly”. Aorian’ny fampidiran-dresaka fohy, dia manaova fampisehoana momba ny fiverenana mitsidika olona iray naneho fahalianana kanefa tsy nandray zavatra vita an-tsoratra. Ankoatra izany, dia manaova fampisehoana ny amin’ny fitsidihana indray olona iray sahirana loatra mba hiresaka kanefa nandray ny taratasy mivalona Fiainam-piadanana ao Amin’izao Tontolo Izao vaovao. Amin’ny tarehin-javatra tsirairay, dia asehoy ny fomba anombohan’ilay mpitory ny resaka sy anairany ny fahalianan’ilay olona.

15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana, na manadinadìna mpitory roa na telo momba ny fomba nahafantarany ny fahamarinana. Tokony hofidina mialoha ireo fanandraman-javatra ireo ary tokony hampiseho fa mandaitra ny fanompoana.

Herinandron’ny 19 Jolay

Hira 136, Hira 165

15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao Teokratika. Ankoatra izany, dia iaraho dinihina amin’ny mpanatrika ny hoe “Fandaharana Vaovao ho An’ny Fivoriamben’ny Fizaran-tany”.

15 min: “Afaka Manao Azy Io ve Ianao?” Iaraho dinihina amin’ny mpanatrika. Manadinadìna mpisava lalana maharitra iray na roa na mpitory iray na roa izay manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy indraindray. Asao izy ireo hitantara ny nanaovany fanapahan-kevitra hampitombo ny fanompoany sy ny fomba andaminany ireo asany.

15 min: Lahateny ataon’ny loholona iray momba ny fahadiovan’ny tena manokana, miorina amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Septambra 1989, pejy 15-20. Tokony haseho amin’ny fomba feno hatsaram-panahy sy amim-pahaiza-mitsara zavatra ilay lahateny.

Herinandron’ny 26 Jolay

Hira 170, Hira 192

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Loholona iray mandinika ny filazana asan’ny kongregasiona tamin’ny Jona, ary manome teny fiderana sy fampaherezana. Ankoatra izany, dia diniho ny hevitra azo resahina roa na telo mifanentana tsara avy ao amin’ireo gazety, mba hampiasaina eny amin’ny asa fanompoana amin’izao faran’ny herinandro izao.

15 min: “Lakroa”, boky Fanjohian-kevitra, pejy 312-316. Haseho ho toy ny fiverenana mitsidika ny tompon-trano iray izay nandray ny bokikely “Indro”. Mampiseho ny pejy faha-17 amin’ilay bokikely ilay tompon-trano ary manontany hoe nahoana i Jesosy no aseho eo amin’ny tsato-kazo fa tsy eo amin’ny lakroa. Mampiasa ny boky Fanjohian-kevitra ilay rahalahy mba hanampiana ilay tompon-trano hahazo ny fiheveran’ny Baiboly.

20 min: “Fampiasana Tsara Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!” Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Ampio ny rehetra hahita ireo fahafahana maro mety hananantsika isan’andro mba hametrahana gazety, na ireo nomerao vaovao izany na ireo tranainy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara