Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Jona
Herinandron’ny 7 Jona
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampidiro eto ny filazana momba ny toe-bola sy ny fisaorana noho ny fanomezana natao. Manehoa fankasitrahana noho ny fanohanana ara-bola ny kongregasiona eo an-toerana sy ny asan’ny Fikambanana maneran-tany.
15 min: “Ampio ny Hafa Hianatra Momba Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Arakaraka ny fotoana, dia anontanio ny mpanatrika raha nankafiziny ny fandinihana ilay boky tany amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona.
20 min: “Mampiasà Taratasy Mivalona mba Hampidirana ny Boky Lehilahy Niavaka”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Asio fampisehoana roa. Ilay voalohany dia tokony hampiasa ilay fomba fampiseho anipazana hevitra ao amin’ny fehintsoratra faha-2. Tsy mandray ilay boky ilay tompon-trano, ary dia manolotra gazety roa ilay mpitory. Ilay fampisehoana faharoa dia tokony hampiasa ilay fomba fampiseho anipazana hevitra ao amin’ny fehintsoratra faha-4. Mampiseho ilay boky ilay mpitory rehefa avy niresaka fohy momba ny fanazavana ao amin’ilay taratasy mivalona. Mandray ilay boky ilay tompon-trano. Ampahatsiahivo ireo mpitory mba hanolotra ireo gazety farany rehefa tsy mandray ilay boky ilay tompon-trano.
Herinandron’ny 14 Jona
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Manipaza hevitra momba ireo hevitra azo resahina ao amin’ireo gazety farany ka azo ampiasaina eny amin’ny asa fanompoana amin’ity herinandro ity.
15 min: Valin’ireo Fanontanianareo. Lahateny ataon’ny loholona iray. Asehoy ny andraikitsika hitondra tena araka ny tokony ho izy rehefa manatrika fanaovana batisa. Mampidira hevitra mifandray amin’izany avy amin’ny Valin’ireo Fanontanianareo ao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny Desambra 1991.
20 min: “Ny Antony Maha-sarobidy Aoka Izany Ireo Taratasy Mivalona eo Amin’ny Fanompoantsika Amin’izao Andro Izao”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Aorian’ny fehintsoratra farany, dia manaova fampisehoana fohy mampiseho fa tena mora ny mampiasa taratasy mivalona rehefa manao fanambarana tsy ara-potoana.
Herinandron’ny 21 Jona
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Sariho ho amin’ilay hoe “Fampahatsiahivana ho An’ny Fotoam-pialan-tsasatra” ny sain’ny mpanatrika ary diniho vetivety izy io. Manaova fampisehoana ny amin’ny hasarobidin’ny fananana gazety any amintsika mba hampiasaina rehefa manao fanambarana tsy ara-potoana.
15 min: “Fanombohana Fampianarana Baiboly Amin’ny Boky Lehilahy Niavaka”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Aorian’ny fehintsoratra faha-2, dia manaova fampisehoana momba ny fanombohana fampianarana Baiboly amin’ilay boky. Manomboka izany amin’ny famakiana ireo fehintsoratra telo voalohany amin’ny toko faha-111 amin’ilay boky ilay mpitory ary avy eo dia manohy amin’ny fampiasana ilay fomba fampiseho anipazana hevitra ao amin’ny fehintsoratra faha-2 amin’ilay lahatsoratra.
20 min: Lahateny momba ny Famoronana, miorina amin’ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 131-135. Tokony hahay hifantina ny mpandahateny ka tsy hampiasa afa-tsy hevitra izay azony resahina amin’ny fomba mety tsara ao anatin’ny fotoana natokana ho azy.
Herinandron’ny 28 Jona
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao Teokratika. Sariho ny sain’ny mpanatrika ho amin’ny hevitra azo resahina sasany ao amin’ny gazety farany izay ho azo ampiasaina eo amin’ny fitoriana isan-trano na rehefa manao fanambarana tsy ara-potoana.
20 min: “Mandraisa Anjara Tsy Tapaka Amin’ny Asa Fanompoana”. Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny asa na ny rahalahy mahay hafa iray. Diniho ny fanazavana ao amin’ny boky Voalamina mba Hanatanteraka Tsara ny Fanompoantsika, pejy 106-110, arakaraka ny fotoana. Antitrantero fa ilain’ny rehetra ny mandray anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana sy ny mamerina filazana asa tsy misy hataka andro amin’ny faran’ny volana.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana. Azo atao ny mijery ireo zavatra ilain’ny kongregasiona araka ny naseho tamin’ny fitsidihana farany nataon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany.