Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Aprily
Herinandron’ny 5 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho ireo gazety farany, ary asongadino ireo lahatsoratra izay mety hahaliana manokana ny olona eo amin’ny faritaninareo. Asao ny mpitory roa, ny iray efa lehibe, ilay iray hafa mbola tanora, mba samy hanao fampisehoana avy momba ny fomba fampiseho ara-baiboly fohy.
15 min: “Ny Tilikambo Fiambenana — Hanina Ara-panahy Amin’ny Fotoana Mety”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny.
20 min: “Ampifandraiso Amin’ny Zavatra Vita An-tsoratra Hafa Ireo Taratasy Mivalona”. Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Asio fampisehoana fohy miorina amin’ireo fomba fampiseho anoroana hevitra eo amin’ny fehintsoratra faha-2 sy faha-3. Diniho eto ireo hevitra hita ao amin’ilay faritra voafefy hoe “Aza Manadino ny Hampiasa Bokikely”.
Herinandron’ny 12 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Mitantarà zava-nitranga niavaka nifandray tamin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana. Ampirisiho ny mpitory rehetra mba hiara-miasa amin’ny antokon’olona miara-manao fivoriana ho amin’ny asa fitoriana aminy, amin’izao faran’ny herinandro izao.
20 min: “Fiverenana Mitsidika Tsotra Sady Mandaitra”. Iaraho dinihina amin’ny mpanatrika. Asio fampisehoana iray mampiseho ny fomba azo anombohan-dresaka amin’ny fiverenana mitsidika.
15 min: Valin’ireo Fanontanianareo. Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny fomba manorina sy mampahery ataon’ny mpiandraikitra ny asa na ny loholona hafa iray izay efa nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Manadinadìna mpitory iray na roa izay manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy indraindray.
Herinandron’ny 19 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Vakio ny filazana momba ny toe-bola sy izay fisaorana azo noho ny fanomezana natao. Vakio ny Lioka 6:38, ary anaovy teny fiderana ny kongregasiona noho ny fahalalahan-tanany tamin’ny fanohanana ny asa maneran-tany sy ireo zavatra ilain’ny kongregasiona eo an-toerana.
20 min: “Ampio Ireo Vaovao mba Handroso”. Fiaraha-midinika ataon’ny mpitarika fianarana ny boky roa na telo. Rehefa avy niresaka momba ireo hevi-dehibe ao amin’ilay lahatsoratra ianareo, dia hazavao izay fandaharana natao mba hampiharana ireo fanoloran-kevitra ireo eo an-toerana. Ahoana no azontsika anampiana ireo olona vao liana tonga nanatrika ny Fahatsiarovana? Fepetra inona avy no tsy maintsy fenoin’ireo vaovao maniry handray anjara amin’ny asa fanompoana? Inona no azo atao mba hanampiana ireo izay tapatapaka tamin’ny lasa? Ahoana no azo ampaherezana ny rehetra mba handray anjara feno amin’ny fitoriana isam-bolana? Ahoana no azon’ireo mpitory matanjaka anampiana ny hafa? — Rom. 15:1, 2.
15 min: “Andeha Isika ho any An-tranon’i Jehovah”. Fandinihana ny fehintsoratra 1-8 amin’ny takelaka fanampiny, amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Jereo vetivety ireo hevi-dehibe amin’ireo zavatra vita an-tsoratra tononina eo amin’ny fehintsoratra faha-7. Asao ny mpitory mahay iray hampiseho ny fomba anampiana olona vaovao iray hahatakatra hoe nahoana isika no voalamina ho kongregasiona. (wMG 1/6/85 p. 23 § 5, 6). Asongadino ireo lafin-javatra amin’ny fivoriantsika izay mifanohitra tanteraka amin’ireo fotoam-pivavahana eo amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Ampirisiho ireo izay mitarika fampianarana Baiboly mba hanisy resaka isan-kerinandro mikendry ny hanampy ilay mpianatra hamboly fankasitrahana lehibe kokoa ny fandaminana sy ny ilàny ho anisan’izy io.
Herinandron’ny 26 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Vaovao Teokratika. Manasà mpitory hitantara zavatra hitany mifandray amin’ny asa fanompoana niitatra nataony nandritra ny volana, toy ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy, ny fanombohana fampianarana Baiboly vaovao, na ny fanampiana olona liana izay nanatrika ny Fahatsiarovana.
15 min: “Ateraka Indray”. Boky Fanjohian-kevitra, pejy 62-66. Fampisehoana ataon’ny mpitory roa mahita olona iray manontany hoe “Moa ve ianareo nateraka indray?”, eo amin’ny fanaovana fitoriana isan-trano. Mamaly amin’ny fampiasana ny iray amin’ireo fomba anoroana hevitra eo amin’ny pejy faha-65-66 ireo mpitory. Avy eo, dia miara-miresaka ireo mpitory mba hiverina hitsidika ilay olona ka hampiasa hevitra avy amin’ireo andinin-teny eo amin’ny fehintsoratra 1-3 amin’ny pejy faha-64.
20 min: “Andeha Isika ho any An-tranon’i Jehovah”. Fandinihana ny fehintsoratra faha-9-14 amin’ny takelaka fanampiny, amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Asao ny mpitory iray hampiseho ny fomba iresahana amin’ny olona iray izay mbola miahotra amin’ny fampiasana ireo fanoloran-kevitra eo amin’ny fehintsoratra faha-12 sy faha-13.