Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Aprily
Herinandron’ny 6 Aprily
Hira 34, Hira 35
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana. “Ho volana manokana ve ny volana Aprily ho anao?” Antitrantero ny tokony hanomezana ireo fangatahana hanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy dieny izao. Ary ampirisiho koa ny fitoriana amin’ny takariva, ka lazao ireo fandaharana ho amin’izany mety ho noraisina teo an-toerana. Hamafiso ny fotoana sy toerana hanaovana ny fankalazana ny Fahatsiarovana eo an-toerana.
15 min: “Ambarao amin’ny alalan’ny Ny Tilikambo Fiambenana ny vaovao tsara”. Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Ampirisiho ireo rahalahy mba hieritreritra tsara ny amin’ireo olona nampiseho fahalianana tamim-pahatsorana tamin’ireo zavatra vita an-tsoratra ka mety ho tia ny hahazo famandrihana.
18 min: “Ny fankasitrahanao ny fahafatesan’i Kristy”. Lahateny misy fampisehoana. Rehefa avy mandinika ny fehintsoratra faha-9, dia asehoy ao amin’ny fampisehoana iray ny fomba ahafahan’ny mpitory iray manasa olona mianatra ny Baiboly hanatrika ny Fahatsiarovana.
Herinandron’ny 13 Aprily
Hira 17 (vaovao), Hira 22
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Valin’ny fanontanianareo.
20 min: “Fitsidihana voalohany mandaitra”. Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Rehefa avy mandinika ny fehintsoratra faha-6, dia asehoy ao amin’ny fampisehoana iray ny fomba mety hahafahan’ny mpitory iray hanolotra amin’ny olona iray fampianarana Baiboly any an-tokantranony sy hampiseho aminy ny fomba fanaovana izany amin’ny fampiasana ny taratasy mivalona hoe Fiainam-piadanana ao amin’izao tontolo izao vaovao.
15 min: Fanolorana Ny Tilikambo Fiambenana isan-trano. Miara-miresaka amin’ny tompon-trano iray ny mpitory mahay iray, amin’ny fampiasana ny fomba fampiseho hita ao amin’ny fehintsoratra faha-4 amin’ny lahatsoratra hoe “Fitsidihana voalohany mandaitra”. Makà fakàn-teny mifanentana tsara avy ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Aprily 1992.
Herinandron’ny 20 Aprily
Hira 105, Hira 46 (vaovao)
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy filazana momba ny toe-bola. Manaova teny fiderana noho ireo fanomezana natao ho an’ny Fikambanana sy ny kongregasiona.
15 min: Diniho ny fanazavana momba ny hoe “Antikristy” eo amin’ny pejy faha-60 ka hatramin’ny faha-62 ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra. Inona no hevitry ny hoe “antikristy”? Iray ihany ve ny antikristy sa misy maro? Oviana no niseho ny antikristy, ary iza no ho fantatra ho toy izany? Manaova fampisehoana fohy mampiseho mpitory iray mitsidika mpiangona iray izay nampitandremana momba ny Vavolombelon’i Jehovah.
20 min: “Mihazòna tanjaka ara-panahy, mitoera ho madio ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah”. Fiaraha-mandinika ilay takelaka fanampiny amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Ilay loholona manao ity anjara ity dia tokony hanao fanontaniana sasany izay hanisy fampiharana eo an-toerana ilay fanazavana. Hamafiso izay tokony hokendrentsika fara fahakeliny mba hihazonana tanjaka ara-panahy, araka ny voalaza ao amin’ny fehintsoratra faha-7.
Herinandron’ny 27 Aprily
Hira 22 (vaovao), Hira 48 (vaovao)
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao teokratika. Lazao ireo zavatra nisongadina indrindra tamin’ny Fahatsiarovana. Firy no nanatrika? Manao ahoana ny fahafahana hanomboka fampianarana Baiboly vaovao? Tokony handamina ny fiverenana hitsidika ireo nanatrika ny Fahatsiarovana izay mbola tsy mianatra ny mpiandraikitra ny asa.
20 min: “Ampiasao ny boky Fanjohian-kevitra any amin’ireo fiverenana mitsidika”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Manaova fampisehoana voaomana tsara roa momba ny fehintsoratra faha-3 sy faha-5.
15 min: Manontania fanandraman-javatra hitan’ireo izay nanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy tamin’ny Martsa sy Aprily. Inona no zavatra nafoiny, ary ahoana no noheveriny fa nitahian’i Jehovah ireo ezaka nataony? Nisy fampianarana Baiboly vaovao natomboka ve, vokatry ny fampitomboana ny asa nandritra ny volana? Tokony halamina mialoha ireo fanandraman-javatra hotantaraina. Ampirisiho ny rehetra hihevitra ny hanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy mandritra ireo volana ho avy.