FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/90 p. 2
  • Ireo fivoriana manampy antsika hanao mpianatra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo fivoriana manampy antsika hanao mpianatra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Lohatenikely
  • HERINANDRO MANOMBOKA NY 5 NOVAMBRA
  • HERINANDRO MANOMBOKA NY 12 NOVAMBRA
  • HERINANDRO MANOMBOKA NY 19 NOVAMBRA
  • HERINANDRO MANOMBOKA NY 26 NOVAMBRA
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
km 11/90 p. 2

Ireo fivoriana manampy antsika hanao mpianatra

HERINANDRO MANOMBOKA NY 5 NOVAMBRA

Hira 7.

10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Fampandrenesana.

25 min: “Tariho ho amin’ny fandaminan’i Jehovah ireo olona mianatra ny Baiboly.” Fiaraha-mandinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Eo am-pandinihana ny fehintsoratra faha-3, dia asaivo manao fampisehoana ny mpitory za-draharaha iray ny amin’ny fomba azo ampirisihana ny mpianatra hanatrika fivorian’ny kongregasiona, amin’ny fampiasana ny fanazavana manokana ao amin’ny bokikely Vavolombelon’i Jehovah tafaray, pejy faha-14 sy 15.

10 min: Diniho ny foto-dresaka avy eo dia manaova fampisehoana iray amin’ny fampisongadinana ny zavatra atolotra amin’ny volana.

Hira 20 sy vavaka famaranana.

HERINANDRO MANOMBOKA NY 12 NOVAMBRA

66 (vaovao).

10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Rapaoron’ny Toe-bola. Derao ny mpanatrika noho ny fanohanany ara-bola ny kongregasiona eo an-toerana.

20 min: “Ampio ny hafa mba ho kinga amin’ny fampiasana ny Tenin’Andriamanitra.” Fiaraha-mandinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Asongadino ny ilàna hifanampiana mba hahitana fahombiazana kokoa eo amin’ny lafiny samihafa amin’ny fanompoana. Manaova fampisehoana ny amin’ny azon’ny mpitory iray anampiana mpianatra ny Baiboly mahafeno ireo fepetra takina na ny fomba anampian’ny ray na ny reny ny zanany mbola tsy ampy taona hiomana ho amin’ny fanompoana.

15 min: “Fisedrana ny fahatsoran’ny fitiavanao”—Haseho toy ny lahateny (wMG 1/03/90 pp. 24-27)

Hira 73 (vaovao) sy vavaka famaranana.

HERINANDRO MANOMBOKA NY 19 NOVAMBRA

Hira 23.

10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Vaovao teokratika. Ampirisiho ny tsirairay mba hanohana ny asa fitoriana amin’ny faran’ny herinandro.

20 min: “Fomba fampiseho ny vaovao tsara: Amin’ny fivavahana mandrakariva”—Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Ataovy izay hampisongadinana ny ilàna hivavahana amin’Andriamanitra mba hahazoantsika ny fitarihany sy ny fitahiany.

15 min: “Ambara maneran-tany ny vaovao tsara”—Haseho toy ny lahateny (wMG 1/04/90 pp. 4-7)

Hira 28 sy vavaka famaranana.

HERINANDRO MANOMBOKA NY 26 NOVAMBRA

Hira 42 (vaovao)

10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Inona no nataon’ny kongregasiona tamin’ny volana oktobra 1990?

20 min: “Aoka isika hampiditra ny Lalàn’Andriamanitra ‘ao anatintsika’”—Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny an’ireo fehintsoratra efatra voalohany. Manaraka izany, ny rahalahy izay mamelabelatra ity foto-kevitra ity dia manasa mpitory roa manome ohatra tsara mba ho tonga eny amin’ny lampihazo hiara-mandinika aminy ny fehintsoratra faha-5 ka hatramin’ny faha-7. Azony atao ny miangavy azy ireo haneho fohy ny fankasitrahany noho ireo zavatra vita an-tsoratra nivoaka vao haingana. Hilaza angamba izy ireo hoe inona no soa nentin’ny fianarana sy ny fikarohana manokana nataony, ho azy na ho an’olon-kafa.

15 min: “Vavaka ataon’iza no mahazo valiny?”—Haseho toy ny lahateny (wMG 15/04/90 pp. 3-6)

Hira 50 sy vavaka famaranana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara